Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Oktobra, 2011
Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo
Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Tatitr'i Ruwayda Mustafah.
Israely: Haravoana Sy Hatezerana Mitohy Noho Ilay Fifanarahana Shalit
Isan'ny fotoan-dehibe iray eo amin'ny tantara Israeliana ankehitriny ny fiverenan'i Gilad Shalit. Gilad Shalit, miaramilan'ny IDF (tafika Israeliana) dia nafahan'ny Hamas rehefa notanany nandritra ny 1.941 andro, ho takalon'ny gadra Palestiniana 1.027. Indreto ny sasantsasany amin'ny fanehoan-kevitra avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Hebreo.
Maraoka: Tetikasa Zotran-dalamby TGV Vita Frantsay Miteraka Resabe
Ny Alakamisy 29 Septambra 2011, nitsidika an'i Maraoka ny Filoha Frantsay Sarkozy mba hanotrona ny fanombohana ny asa fanorenana zotram-piarandalamby TGV mampitohy ireo tanàna ao Tangier sy Casablanca. Mametra-panontaniana ireo bilaogera Maraokana mikasika izay antony ao ambadik'izao ary manontany raha tena ilain'ny fireneny tokoa ny tetikasa lafo vidy be toy izao.