· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Mey, 2018

Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra

Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany (Benoà 16) tany Etazonia - voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C.

28 Mey 2018

Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.

26 Mey 2018

Bangladesh-Gaza : Vavaka Ho An'ny Fandriampahalemana Ao Gaza

Ilay 'Mpiambina ny feon'ny fieritreretan'izao tontolo izao, ilay "Andriamanitr'izao tontolo izao", milaza fa ilaina io vonoolona faobe io. Kanefa, io "andriamanitra" io ihany koa no nampiasa tsy nisalasala ireo "heloka bevava mifanohitra amin'ny maha-olombelona" nataony tamin'i Saddam mba hananiham-bohitra sy hakàna an'i Iràka.

20 Mey 2018

Palestina: Nataon'i Obama ho ambin-javatra

Satria mamarana ny fitetezana an'i Israely sy i Palestina ny kandida ho filoham-pirenena Amerikana mahabe fanantenana Barack Obama, nibahana tamin'ny fifantohan'ny Senatera an'i Israely ny lohatenin-gazety manerantany...ary tsy nahitana fifantohana tamin'ny tolon'i Palestina.

06 Mey 2018