Governemanta, mbola mampiasa an-kalalahana ny rindrambaiko Pegasus, na mbola tsy misy voapetraka aza ny resaka fiarovana ny zon'olombelona

Fanaingoana nataon'i Gibrán Aquino (CC BY 4.0 Iraisampirenena ), navoaka voalohany tao amin'ny La Red en Defensa de los Derechos Digitales (R3D) ao Meksika.

Tamin'ny Septambra 2022, Szabolcs Panyi, Hôngroà mpanao gazetim-panadihadiana ao amin'ny Direkt36, dia namoaka tantara iray momba ny fomba nahatongavan'ny rindrambaiko Pegasus tao Hôngria. Asehon'ilay tatitra ny fahamoràn'ny fahafahan'ny governemanta mitrandraka mora foana ireo teknôlôjia fitsikilovana nefa tsy misy resaka fanajàna zon'olombelona mbola voapetraka mihitsy.

Panyi — lasibatry ny Pegasus ihany koa— nanazava ny toedraharaha nanodidina ny fomba nahatongavan'ny Pegasus tao Hôngria sy ny anjara toeran'ny National Security Service's (NSS) tao anatin'ilay fifampivarotana. Tamin'ny 2021, naboraky ny Direkt36 fa mety efa nohenoina tamin'ny alàlan'ilay fitaovana avokoa ireo mpanao gazety sy pôlitisiàna ao Hôngria.

Araka ny nambaran'ny Direkt36, tamin'ny 2017 ny NSS dia naniraka ny Kaomisiôna misahana ny Teknôlôjiam-Pifandraisana (Communication Technologies Ltd) mba hividy ilay rindrambaiko fitsikilovana izay ny vondrona Israeliàna NSO no mpamokatra azy. Araka ireo loharanom-baovao mahafantatra akaiky an'ilay toedraharaha nanaovana ny fifampivarotana, 3 lavitrisa HUF ( 7,45 tapitrisa Euro eo ho eo) no nividianana ilay rindrambaiko fitsikilovana. Hitan'ny fanadihadiana fa mijanona ho tsiambaratelo ilay fifampivarotana manontolo satria, tamin'ny tamin'ny Oktôbra 2017, ny kaomisiôna misahana ny Fiarovam-Pirenena tao amin'ny antenimiera dia nandany tsy nisy nitsipaka sy tsy nametraham-panontaniana ny fanesorana ny fividianana ilay rindrambaiko fitsikilovana tsy ho anaty tsenam-barotry ny fanjakàna.

Ilay tompony tamin'izany fotoana no sady tale jeneralin'ny Communication Technologies Ltd. Péter Neuman, izay, ankoatra ny asany amin'ny maha-filôzôfin'ny siansa azy sy ny fikarohana momba ny saina artifisialy (IA), dia mpiofana ihany koa momba ny fiarovana an-tambajotra tao amin'ny Departemanta Amerikàna momba ny Fiarovana Anatiny tamin'ny 2013, ary manana fifandraisana betsaka amin'ireo mpikambana mpitarika tao amin'ny governemanta talohan'ny 2010 sy Fidesz. Taorian'ny 2010, lasa diso fantatra ny anarany rehefa izy no lasa mpanolotsaina mpisera amin'ireo media teo anivon'ny Kaongregasiôna Jiosy Hôngroà Mitambatra (EMIH), teo ambany fitarihan'ny Raby Slomo Köves, ary taty aoriana kely dia lasa tale jeneralin'ny Telegraph, izay tompon'ny gazety an-tsoratra 168 Hour no sady koa rantsan'ny EMIH.

Volana maro taorian'ny nankatoavan'ny NSS ny fividianana ilay Pegasus, nisy mpisehatra iray hafa nipoitra tao anatin'ny Communication Technologies. László Hetényi, izay efa manana fahaizana momba ny raharahan'ny atitany sy nitàna ny toerana solontena manokan'ny  Economist sy The Wall Street Journal, nahazo 10 tamin'ny petrabola ary avy eo 33 % tao anatin'ilay orinasa.

Tamin'ny 2019, nisy tompona orinasa iray hafa nanatevina laharana azy roa ireo, László Tasnádi, sekreteram-panjakana fahiny ary tànan-kavanan'i Sándor Pintér, minisitry ny atitany, izay nanomboka ny fandraharahàny talohan'ny fiovàm-pitantanana. Talohan'ny 1989, Tasnádi dia niasa tao anatin'ny sampan-draharaham-pitsikilovana niady tamin'ny asa fampihorohoroana talohan'ny nifindràny ho any amin'ny Foiben-toeran'ny Pôlisy tao Budapest.

Voavakin'ny Direkt36 tao anatin'ny rejisitr'ilay orinasa fa ny vola miditra amin'ny  Communication Technologies Ltd., izay manao fandraharahàna ihany koa amin'ny teknôlôjian'ny cyber, dia nitombo ho 3,5 lavitrisa HUF (8,7 tapitrisa euro) raha 150 tapitrisa HUF (373.000 euro eo ho eo) tamin'ny 2018, taorian'ny nahazoana ny Pegasus.

Fatram-pitaovana niisa 50 aloha no azon'ny NSS tany am-boalohany tamin'ny alàlan'io orinasa io, fa fotoana fohy taorian'izay dia tsy maintsy nampitomboina noho ny fitomboan'ny fahalianana tamin'ny Pegasus teny anivon'ireo sampan-draharaham-pitsikilovan'ny Hôngroà. Araka ny nambaran'ireo loharano nitafàn'ny Direkt36, nampiasain'ny NSS ny Pegasus tany anatin'ireo hetsika rehetra nataon'ireo sampan-draharaha sivily ao anivon'ny fiarovam-pirenena, fa tsy ny sampan-draharahan'ny tafika miantoka ny fiarovam-pirenena.

Manamboninahitra fahiny tao amin'ny fitsikilovana no nilaza tamin'ny  Direkt36 fa ilay rindrambaiko fitsikilovana dia nampiasaina tao Hôngria, na taty taorian'ny nipoahan'ny raharaha momba ny Pegasus aza. Ireo mpiara-niasa taminy mbola amperinasa tamin'izany fotoana izany dia niteny tamin'ity lehilahy ity fa natsahatra nandritra ny fotoana vitsivitsy ny fampiasàna ny Pegasus, saingy naverina indray taty aoriana kely mba hanaovana fanarahamaso miafina.

Manana fahefana tena tsy voafetra ireo sampan-draharaham-pitsikilovana mba hanangona ireo angondrakitra ao Hôngria. Tsy misy fepetra hentitra momba ny fanarahamaso, ary tsy misy sampana tsy miankina afaka hifehy azy. Navoitran'ny raharaha Pegasus akaiky indrindra fa tsy resaka olana teôrika io: tsy misy antony mazava momba ny resaka fiarovana nasiônaly fa dia voajirika daholo ny findain'ireo olompirenena hôngroà.

Tsy tantara maningana ny an'i Hôngria ao anatin'ireo firenena rehetra nampiasa ny Pegasus mba hanaovana lasibatra ireo feo mpanohitra. Tena maika ny filàna mandrindra ny varotra erantany amin'ny resaka teknôlôjian'ny fanarahamaso, amin'ny fampidirana ny fiantohana ny zon'olombelona ho ao anatiny.

Ireo mpanaramaso ny zo nomerika, toy ny Privacy International, dia nanaitra ny saina manodidina ny zon'olombelona voatohintohina noho ny varotra tsy misy fandrindrana sy ny fampiasàna ny rindrambaiko fitsikilovana mitodika amin'ny varotra efa hatramin'ny 1995. Tamin'ny 2019, David Kaye, mpampaka-teny manokana fahiny tao amin'ny Firenena Mikambana momba ny fahalalahana maneho hevitra, dia nilaza fa ilaina ny “fametrahana tsy misy hatak'andro fepotoana fampiatoana ny varotra sy ny famindràna erantany ny teknôlôjia fanarahamaso an'olontsotra.” Nilaza ihany koa izy hoe “mitohy tsy misy fameperana miharihary ny fanarahamaso tsy ara-dalàna.” Kanefa, ireo firenena toa an'i Hôngria dia mbola malalaka amin'ny fampiasàna tsy misy olana an'ilay rindrambaiko, na dia taorian'ilay fanaovana ampamoaka momba ny Pegasus aza.

Asehon'ny tantara ratsin'ny Pegasus ny fomba ahafahan'ireo governemanta tsy demaokratika eran'izao tontolo izao mampiasa ilay teknôlôjia hanaraha-maso sy hanampenam-bava ireo mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, ireo mpanao gazety ary ireo feo mpanohitra. Ny vondrona NSO, mpamokatra ny Pegasus, milaza ho manana dingana efa mipetraka ahafahany miatrika ireo tranga raha sanatria ka ireo mpiaro zon'olombelona no lasibatr'ilay rindrambaiko. Rehefa nanontanian'ny Human Rights Watch izay ho avalin'ilay orinasa momba ny fiampangàna tahaka izany, dia ny pôlitikany Fitorohana sy ny  Tatitra momba ny Mangarahara no notondroiny. Hita ao anatin'ilay farany ny torohay vitsivitsy momba ny fijerin'ilay orinasa ny resaka zon'olombelona. Io no mamaritra ny fomba fanombànana ny toedraharaha momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena iray, arahan'ny fanampian'ny rafitra fanomezana isa, alohan'ny handraisana an-tànana ny olana. Notaterin'ny Direkt36 fa, “manana isa 80 i Belzika, 75 ny an'i Espaina, manodidina ny 64-65 ny an'i Pôlônina sy Hôngria, ary manodidina ny 30 ny an'i Arabia Saodita”. Ny talen'ny fampanaraham-penitra ao amin'ny NSO nilaza fa ny orinasa dia tsy miaraka miasa amin'ireo firenena manana isa ambanin'ny 20.

Taorian'ireo ampamoaka momba ny Pegasus, nisy dingana vitsy nataon'ny governemanta mba hanerena ilay orinasa. Natsofoky ny Departemanta Amerikàna misahana ny Varotra ho ao anatin'ny lisitr'ireo fepetra fandrindràna ny varotra ny vondrona NSO noho izy “niasa mifanohitra amin'ny pôlitika ivelany sy ny tombontsoan'ny fiarovam-pirenena ao Etazonia.”  Kanefa, nantsoin’ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ny fiombonambe Eorôpeàna mba handeha lavidavitra kokoa sy hanoratra ny NSO ao anatin'ny lisitrany erantany momba ny famaizana mifandraika amin'ny zon'olombelona. Marobe ireo fikambanana mpanaramaso ny zon'olombelona sy ireo manampahaizana manokana tsy miankina no niantso ireo fanjakàna “mba hametraka fepotoana fampiatoana ny varotra, fampitàna, ary ny fampiasàna ny teknôlôjia fanarahamaso” mandra-pametraka ny fiarovana sahaza ny zon'olombelona. Tsy misy dingana goavana natao aloha hatreto.

Ny fanadihadiana farany nataon'i Panyi dia mampiseho ny maha-manjavozavo ny indostrian'ny fitsikilovana ara-barotra manerantany. Lasa sarotra ny fitazonana ireo orinasa sy ny fanjakana ho tomponandraikitra amin'ny fanohintohinana ny zon'olombelona noho io fanjavozavoany io. Mba hampitsaharana ny fanitsakitsahana zon'olombelona efa naharitra taompolo maro dia ilaina maika ireo famaizana ikendrena indostria sasantsasany sy ny fiantohana mafy orina ny zon'olombelona. Indrisy anefa, mbola mitombina hatrany ilay fanambaràna tamin'ny 1995 nataon'ny Privacy International : “Ao anatin'io tontolo io ny teknôlôjian'ny fanarahamaso dia lasa teknôlôjian'ny fifehezana ara-pôlitika.”

Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahazoana tantara misimisy kokoa avy amin'ny  Unfreedom Monitor.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.