Jiosy An-tendrombohitra: Topimaso mikasika ny fiainan'ireo vitsy an'isa ao Azerbaijan

 

Karipetra ankalazana ny Jiosy An-tendrombohitra ao Qırmızı Qəsəbə , ivon'ny vondrom-piarahamonin'izy ireo any avaratr'i Azerbaijan. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Fantatra amin'ny anarana hoe “Juhuro”, na “Dağ Yəhudiləri” amin'ny teny Azerbaijani ny iray amin'ireo foko ao Azerbaijan , izany hoe Jiosy An-tendrombohitra, ary avy amin'ny Persia no niaviany. Ankehitriny betsaka izy ireo no nifindra monina any Israely sy any an-toeran-kafa saingy misy koa ny sasany no mijanona ao Azerbaijan, ary manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta ny vondrom-piarahamonina.

Fantatra koa amin'ny hoe יהודי קווקז (Yehudey Kavkaz), na Jiosy Kaokazy, avy amin'ny Jiosy Persiana io vondrom-piarahamonina io ary mipetraka any Azerbaijan ny ankamaroany, ary misy vondrona vitsy kokoa izy ireo any Rosia sy any Kaokazy Avaratra. Tombanana eo anelanelan'ny  20.000 hatramin’ny 50.000 isan'izy ireo ary ao Qırmızı Qəsəbə (Tananakely mena na Krasnaya Sloboda) ny foibe ara-kolontsainan’izy ireo ao amin'ny distrika fitantanan-draharaha avaratra ao Guba ao Azerbaijan, tanàndehibe iray feno mponina Jiosy An-tendrombohitra, raha ny hafa kosa mipetraka ao an-drenivohitra Baku sy any amin’ny toerana hafa manerana ny firenena. Araka ny loharano sasany, io tanàna io no hany “tanàna tokana eran-tany Jiosy daholo ny mponina ao aminy ivelan’ Israely sy Etazonia.”

Raha jerena ny fiaviany Persiana,  Judeo-Tat ny fiteny nentin-drazan’izy ireo, antsoina koa hoe Juhuri eo an-toerana, fiteny Persiana mampifangaro teny Persiana, Hebreo ary Tiorka izay nosoratana tamin'ny tarehintsoratra Hebreo, Latina ary Sirilika teo amin'ny tantarany. Mitazona ny fomban-drazany Jodaisma koa ny Jiosy An-tendrombohitra, izay tsy mitovy amin'ny vondrom-piarahamonina Ashkenazim sy Sephardim.

Noho ny firodanan'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991, ny fifandonana maro tany Kaokazy Avaratra sy Atsimo, ny tetezamita ara-toekarena sarotra, ampahany betsaka tamin'ny vondrom-piarahamonina no nifindra tany Israely ary tombanana ho olona miisa 100.000 hatramin'ny 150.000 izy ireo ankehitriny, araka ny fanazavan'ity horonantsary fandrakitra ity:

 

Sarin'ny vehivavy Jiosy An-tendrombohitra mampiseho ny karipetra nataony tenona, tao amin'ny Q Gallery. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Saingy maro no mitàna fifandraisana matanjaka amin'i Azerbaijan, indrindra amin'ny Qırmızı Qəsəbə izay nanorenany tranobe ary hiverenany rehefa amin’ ny vanim-potoana fahavaratra, toy ny asehon’ny fampirantiana “The History of One People (Tantaran’ny Vahoaka Iray)” any Berlin amin'izao fotoana izao ao amin'ny Q Gallery.

Eny tokoa, navela hanana ny taniny ireo Jiosy An-tendrombohitra tafiditra tao amin’ny Fanjakana Rosiana tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, ary nampandroso ny indostrian’izy ireo teo an-toerana tamin’ny fanaovana landy sy karipetra, ary ny paraky sy ny divay koa. Mifantoka amin'ny fanamboarana karipetra izay asa ataon’ny ankamaroan’ny vehivavy ny fampirantiana ary aseho ao amin'ny trano fampirantiana amin'ny alàlan'ny fampisehoana karipetra, sary ary hosodoko.

Mankalaza ireo vehivavy manenona ny karipetra eto ny karipetra, ampahany manan-danja amin'ny reharehan'ny fianakaviana sy ny haingon-trano rehetra:

Natao ho toy ny karipetra tena izy eto ny sary hosodokon'ny vehivavy mpanao karipetra. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ity sary tranainy tamin'ny taona 1937 ity dia mampiseho andiana vehivavy mpanenona karipetra avy any Qırmızı Qəsəbə:

Sary tamin'ny taona 1937 mampiseho vondrona vehivavy mpanenona karipetra avy any Qırmızı Qəsəbə. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Vehivavy mpanenona karipetra iray hafa mijoro eo anoloan'ny karipetrany:

Sary arisivan'ny fianakaviana Frida Yusufova. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Ity misy sary hosodokon'ny synagoga fahiny Qırmızı Qəsəbə nataon'i Rami Meir:

Hosodoko nataon'i Rami Meir maneho ny synagoga fahiny tao Qırmızı Qəsəbə. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.