· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Oktobra, 2019

Minya: Manana tantara maro hafa ireo mpandray anjara amin'ny atrikasa

Rising Voices  21 Oktobra 2019

Tantaran-tsedra no mipoitra anatin'ilay tetikasa Women of Minya Day by Day, saingy teo koa ny faharetana nandresena ireo fanamby ireo. Manome fahafahana ireo vehivavy haneho ny heviny momba ireo olana mahakasika ny tenany ireo atrikasa omen'ny New Woman Foundation, indrindra momba ireo lohahevitra mikasika ny fahasalamana sy ny zony ara-dalàna.

Minya: Feon'ambanivohitra maro hafa avy ao Dawadeyya

Rising Voices  21 Oktobra 2019

Amin'ny maha isan'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices ny Women of Minya Day by Day, manohy mizara ny heviny momba ireo fiovàna farany niseho tao amin'ny fiarahamonina Egyptiana ireo vehivavy monina ao ambanivohitr'i Dawadeyya (Minya, Egypta), no sady manoratra momba ny fiainany manokana any an-tranony.

Maninona i Bahamas no mila fiantràna ankehitriny

  16 Oktobra 2019

Nampihorohoro ny vanim-potoanan'ireo rivodoza 2019 ho an'i Atlantika, ary manamafy ny tahotr'ireo Nosy madinika ny krizy ara-toetrandro. Azontsika resena amin'ny alalan'ny fanomezana faampiana ireny tahotra ireny.

Manohy manafay ny vaovao antserasera ny governemanta Zimbaboe mba hifehezana ny fisantaran'andraikitry ny olom-pirenena

GV Mpisolovava  16 Oktobra 2019

Nipoitra tamin'ny politika fanjanahana tamin'ny taonjato faha-20 ny fifehezana ny fampitam-baovao any Zimbaboe, izay feno fisolelahana tafahoatra tamin'ny fahefana politika. Nosokajian'ny governemanta Rhodeziana notarihan'i Ian Smith ho toy ny "fitaovam-piadiana nosafidiana ny propagandy sy ny fifehezana ny vaovao, mba tsy hanohanana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ihany fa mba hanasavoritahana vaovao diso momba ny ady.

Bilaogera Asongadina: Ahmed Awadalla

Rising Voices  15 Oktobra 2019

Iray amin'ireo nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices ny tetikasa “Exploring Taboos (Firesahana ny Fady)” nokarakarain'ny ekipa Nazra tao Kairo. Ny tanjon'ny tetikasa dia ny hanome toerana azo antoka ho an'ny vehivavy sy ny lehilahy ao Ejypta mba hiresaka momba ny olana tsy firesaka firy.