Fantaro i Abhinash Das, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 15 ka hatramin'ny 21 Oktobra 2019

Ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fimaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hifandimby ireo mpikatroky ny teny sy mpanandrateny hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline isa-kerinandro hizara ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fitenin-drazany. Niarahan'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation niasa ny fanentanana.

Isa-kerinandro dia hamaly fanontaniana maromaro momba azy ny mpampiantrano tsirairay ary hanome fomba fijery fohy momba ny fiteniny. Miaraka amin'i Abhinash Das (@abhinashd) ny fanontaniana sy valiny etoana izay manolotra ny zavatra horesahiny mandritra ny herinandro amin'ny maha-mpampiantrano azy.

Sarin'i Abhinash Das

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

I am Abhinash Das from Karbi Anglong, Assam. I have recently completed my post-graduation and currently I am teaching. I love to volunteer for causes which empower people and make a positive impact on our society.

 

 

 

 

Izaho no Abhinash Das avy any Karbi Anglong, Assam. Vao tsy ela aho no nahavita ny fianarako ary mampianatra aho ankehitriny. Tiako ny manao asa an-tsitrapo ho an'ireo fotokevitra hanampiana ny olona sy mba hampisy fiantraikany tsara eo amin'ny fiarahamonintsika.

RV: Manao ahoana ny fiteninareo ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto?

My native language is Assamese. Assamese is the official language of the state Assam, India. In Assam, there is an act which ensures the prevalence of the language widely in schools, office and public places. In every school, it's mandatory to teach the language so to get a clear understanding of the language.

Ny Assamey no fitenin-drazako. Assamey no fiteny ofisialy any amin'ny fanjakana Assam, India. Ao Assam, misy ny lalàna manome antoka ny fanomezana vahana ny fiteny any an-tsekoly, ny birao ary ny toerana ho an'ny daholobe. Tsy maintsy atao ny mampianatra ilay fiteny any amin'ny sekoly tsirairay mba hahazoana mahatakatra tsara ilay fiteny.

RV: Lohahevitra manao ahoana avy no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

During the week I am planning to put emphasize on my native language, another language called Karbi and some other endangered languages of our state. Apart from this, I want to focus on the culture, rituals and ways to protect and sustain our cultural and linguistic identity.

Mandritra io herinandro io, hohasongadiko ny fitenin-drazako sy ny fiteny iray hafa antsoina hoe Karbi ary ireo fiteny sasany tandindonin-doza ao amin'ny fanjakanay. Ankoatra izay, hifantoka momba ny resaka kolontsaina, ny fombafomba ary ny fomba hiarovana sy hitazonana ny mari-panondroana ny kolotsainay sy ny fiteninay aho.

RV: Inona no tena antony manosika anao amin'ny fikatrohana antserasera amin'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy ny nofinofinao ho an'ny fiteninao?

I always wanted to promote and represent my own language online which is my real identity. Whenever I see something in my language is available online, it makes me really happy. During IYIL 2019 language challenge I wanted to learn Karbi and started searching online for study materials but sadly nothing much was available. So I always want to make sure that a language has enough resources online so that people could know about the language. There is a lack of available resources when it comes to learning Assamese or a dictionary or the grammar too. It would be amazing if we could work for that.

Naniry hatrany aho ny hampiroborobo sy haneho ny fiteniko manokana amin'ny Aterineto izay tena mari-panondroana ahy. Tena faly aho isaky ny mahita zavatra amin'ny fiteniko amin'ny Aterineto. Naniry ny hianatra ny fiteny Karbi aho nandritra ny fanambin'ny fiteny IYIL 2019 ary nanomboka nitady ny fitaovana fampianarana an-tserasera momba izany saingy nampalahelo fa tsy dia nisy zavatra betsaka hitako. Noho izany tiako hatrany ny maka antoka fa manana loharano ampy an-tserasera ny fiteny mba hahafahan'ny olona mahafantatra momba azy. Tsy ampy ny loharano misy rehefa hoe hianatra ny fiteny Assamey na ny rakibolana na ny fitsipi-pitenenana ihany koa. Tena mahafinaritra raha afaka miasa amin'izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.