Espaina : miteraka resabe ilay didim-pitondrana hamongarana ny taolambalon'ilay filoha jadona, Francisco Franco

Sary fanaingoana an'ny Revue Contexto, nampiasàna ny lisansa Creative Commons Attribution non commerciale 4.0 International (CC BY-NC 4.0).

Ny 28 Septambra lasa teo ny Fitsarana Antampony Espaniola no nandany tsy nisy nitsipaka io didim-pitondràna io,, nankatoavina tamin'ny Mai 2017 tao amin'ny Parlemanta, hanomezana alàlana ny famongarana ny taolambalon'ilay mpanao jadona, Francisco Franco, ao amin'ny bazilikan'i Valle de los Caídos (Lohasahan'ireo lavo) [fr]. Tolokevitry ny governemanta ny hamindràna azy ho ao amin'ny tanimpasana ao Pardo, izay toerana ananan'ny fianakaviany lasapely iray misy lavabato nandevenana an'i Carmen Polo, vadin'ity mpanao jadona ity.

Ilay mozole goavana be ao Valle de los Caídos

Ao amin'ny  lohasahan'i Cuelgamuros, akaikin'i Madrid no misy ilay bazilika goavana, izay mitatao misy tanambokovoko manana haavo 150 metatra. Taorian'ny ady an-trano tao Espaina no nanorenana azy, ary  naharitra 18 taona ny asa. Ao amin'ireo lavabato nolavahana ao aminy no milevina ireo 33.872 mpikatroka avy amin'ny andaniny sy ny ankilany, mahatonga ity basilika ity ho ny fasana itambarambe lehibe indrindra ao amin'ny firenena.

Famindràna ny taolambalon'ireo mpikatroka maty nandritry ny ady an-trano. Pikantsary avy amin'ny  lahantsary  an'ny EiTB tao amin'ny YouTube.

20 000 ireo politisiana nifofotra ho amin'ny fananganana azy — an-tsitrapo ny an'ny sasany mba hanamaivanany ny alahelony  — tao anaty fepetra tsy manaja ny maha-olona, niaritra fitsipika toy ny any amin'ny toby fanibohana faobe. Ireo taolana mipetraka any anatin'ireo colombariums misy ao aminy dia mazàna no nafindra tsy nieràna tamin'ny fianakaviana, izay an-taona marobe vao mahatsikaritra hoe tsy ao amin'ny toerana noheveriny ho nisy azy hatrizay intsony ny havany.

Vondrom-piarahamonina moanina “bénédictins” no mikarakara ilay bazilika, moanina izay mipetraka ao amin'ny monasitera ao anatin'ilay faritra ihany.

Ireo sàkana amin'ilay famongàrana

Ny 20 Novambra 1975 no maty i Franco. Na tsy naneho velively ny faniriany hilevina any Cuelgamuros aza ilay mpitondra mpanao jadona, ireo manampahefana no nanapaka hevitra handevina azy any, herinandro roa monja taorian'ny nahafatesany, nanery ireo famaranana ilay asa fanorenana ho tsy maintsy vita tao anatin'ny fotoana faran'izay fohy.

Saingy Franco tsy naniry ny hilevina ao Valle de los Caídos — io tsangambato io rahateo noforonina ho toeram-pitsaharana ho an'ireo olona lavo nandritra ny ady an-trano —, fa ao amin'ny tanimpasana ao Pardo. Tamin'i  Francisco Franco Salgado-Araújo, mpirahalahy tsy omby kibo taminy (cousin) no nilazany izany hetahetany izany, izay nitatitra izany tao anatin'ny boky nosoratany: “Franco au jour le jour” (ny isanandron'i Franco).

Nandà hatrany an'ilay famongàrana azy ireo zafikeliny, tamin'ny filazàna fa malalaka ny fianakaviana handevina ny havany any amin'izay toerana tiany hanaovana izany, ary nandrahona mihitsy ny hamindra ny raiben-dry zareo ho any amin'ny fasam-pianakaviana ao amin'ny cathédrale de la Almudena, ao afovoan'i Madrid, toerana ilevenan'ny zanany vavy sy ny vinantolahiny. Nantsoin'ny governemanta espaniola ny fiangonana katolika, izay, na tsy mankasitraka ilay hevitra aza, dia nanambara ho angady tsy mahatapaka ahitra handrara io famongàrana io, an'olontsotra tsinona ilay toerana .

Fahasarotana fanampiny, ilay mpanonona ranom-bavaka ao amin'ny vondrom-piarahamonina “bénédictine”, izay fantatra loatra fa manana fironana mpifikitra fatratra amin'ny nentin-drazana, dia nanohitra ny fitsabatsabahana rehetra tahaka izany. Ny mpitsara, José Yusty, aza dia nanandrana ny hampiato ilay dingana tamin'ny filazana ny mety hisian'ny rahomitatao, lazaina fa “noho ny fangatahan'ny olona iray”.

Ilay didy mamaha ny toedraharaha

Valle de Cuelgamuros, miaraka amin'ilay bazilika sy ilay tanambokovoko goavana be ao amin'ny Valle de los Caídos.  Sary: Wikimedia Commons, nampiasàna ny lisansa Creative Commons Partage sous les mêmes conditions 3.0 non transposée (CC BY-SA 3.0).

Nofafàn'ny Fitsarana Antampony, izay nanaovan'ireo mpandova azy antso, daholo ireny sakana ireny, tsy nihambahamba. Tao anatin'ny didy navoakany, nolavin'ny fitsaràna ny zon'ny fianakaviana handevina ilay mpitondra jadona ao anatin'ny katedraly ao Madrid, tamin'ny fanindriana ny mety hivadihan'ilay fasana ho lasa  “mariky ny fitroaran'ny tafika, ny ady an-trano sy ny famoretana nataon'ny fitondràna jadona”. Etsy ankilany, nohamafisiny ny fanapahankevitry ny governemanta handevina an'i Franco ao amin'ny tanimpasana ao Pardo satria “efa tapitra ny fetrandro nomena ireo zafikeliny mba hisafidy toerana iray hafa”. Notsipihany fa ry zareo mpitaraina “tsy nanome izay antony momba ny fandavan-dry zareo ny hitondrana ireo taolambalon'ny raibeny hilevina eo anilan'ireo an'ny renibeny”.

Amafisin'ilay didy fa, na kely aza; ny famongarana dia “tsy misy antony manohitra ny ara-pivavahana mihitsy  manosika azy fa kosa ny endrika miala amin'ny ara-pinoana ananan'ilay tsangambato”, mamafa araka izany ny fanoheran'ilay mpanonona ranom-bavaka ao amin'ny monastera. Tohanany ihany koa ny hoe tsy asa goavana akory ireo asa ka tsy ilainy ny fakàna fahazoandalana avy amin'ny fiadidiana ny tanàna, manilika araka izany ny fanakànana nataon'ilay mpitsara, Yusty.

Ireo fanehoankevitra

Ireo antoko avy amin'ny ankavanana, ny Parti populaire (PP) sy ny Ciudadanos, dia miray feo manambara fa tsy hanome na tamingana Euro iray aza ho an'io famongarana io, mizotra tsy ankiteniteny ny zavamisy, dia ny hoe isantaona ny fikolokoloana ilay mozole dia andaniana 1,8 tapitrisa euros avy amin'ny volam-bahoaka. Ireo antoko avy amin'ny ankavia kosa dia miarahaba tena noho ny fivahàn'ity fifandirana ity izay efa naharitra an-taona maro, raha ny avy amin'ny farany havanana indrindra indray naneho ny hasosorany lalina.

Eduardo Moreno, nisora-tena ho mpitondra tenin'ny antoko farany havanana «Movimiento por España» (Hetsika ho an'i Espaina) aza dia tonga hatrany amin'ny fitenenana hoe «mitovy ny fepotoana ilain'i Franco handaozany ny Valle de los Caídos, sy ny andro sisa hiainan'izay hakà azy hiala tao”. Ny fikambanan'ny avy amin'ny farany havanana ADÑ dia niantso hetsika goavana ho fanoherana.

Nandritra ny fotoana fanaovana fanamarinana tao amin'ny Antenimieran'i Madrid, ramatoa filohan'ireo andrim-panjakana io, Díaz Ayuso, mpikambana avy amin'ny PP, tonga ao anatin'ny governemanta madrilena noho ny vato avy amin'ny antoko farany havanana Vox [fr],  no namaly ny fanontanian'i Rocío Monasterio, mpitondra tenin'io antoko io voalaza io :

¿Y qué será lo siguiente? ¿La cruz del Valle? ¿Todo el Valle? ¿Las parroquias del barrio arderán como en el 36?

Dia inona no ho tohiny avy eo ? Ny tanambokovokon'ny  Vallon ve ? Sa ny Vallon iray manontolo ? Hirehitra toy ny tamin'ny taona 36 ve ireo paroasy rehetra ao am-bohitra ?

Nankalaza ilay fanapahankevitry ny Fitsarana Antampony kosa ireo mpomba ny mpifanandrina tery ampita,tamin'ny alàlan'ireo sary hatsikana maro sy ireo hanihany tao amin'ny Twitter :

Hangataka anao ilay mpanonona ranom-bavaka sao mila gony ianao hamoahana an'i Franco avy ao amin'ny Valle de los Caídos.

Tsindrian-daona ve ?

Ankatoavin'ny governemanta ilay didim-pitondràna hamongarana ilay mpitondra jadona Francisco Franco hiala ny ao Valle de los Caídos.

Nambaran'ny fianakaviana ny fikasàny hanao fampakarana ilay didy ho eny amin'ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana, ary eritreretiny mihitsy aza ny hangataka ny Fitsaràna Eoropeàna miandraikitra ny zon'olombelona mba hiditra amin'izao raharaha izao. Mety mbola hampitarazoka ilay famongarana ireo dingana ireo, famongarana izay kasain'ny governemanta hotontosaina mialoha ny fampielezankevitra ho an'ireo fifidianana solombavambahoaka hatao ny 10 Novambra ho avy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.