Mitady tomponandraikitra vaovao ny Lingua Frantsay mpandika ho amin'ny teny frantsay ny Global Voices

Ny vondrom-piarahamonina Global Voices Lingua to amin'ny Fihaonambe tany Colombo, Srilanka.

Amin'ny ankapobeny dia avy amin'ny teny anglisy ireo lahatsoratry ny Global Voices no adikan'ireo tarika mpandika ao anatin'ny Lingua , avy eo mivadika ho amina fiteny efa ho efapolo mahery. Misy tomponandraikitra mitarika ny asa fandikàna azy ireny. Samy mamoaka ny asa fandikàna vitany ho ao anaty tranonkala iray natokana ho amin'izany, izay ampahany ihany ato anatin'ny Global Voices, ireo tarika tsirairay.

Ankoatra ny asa fandikana ho amin'ny teny frantsay mianga avy amin'ireo fiteny hafa, lahatsoratra tonga dia nivoaka avy hatrany tamin'ny teny frantsay ny sasantsasany, ary avy eo vao nadika ho amin'ny teny anglisy. Araka izany, mba hitantana io fitosahan'ny asa io, miaraka miasa akaiky amin'ny sampanasa fanoratana ilay tomponandraikitry ny asa fandikàna ho amin'ny teny frantsay.

Ho iraka tontosain'ilay tomponandraikitra ny asa fandikàna ho amin'ny teny frantsay : 

  • ny manao ny asan'ny mpanentana vondrona no sady tomponandraikitra amin'ny fitosahan'ny asan'ny tarika Lingua frantsay ;
  • ny mampiditra sy manofana ireo vao hiditra ho mpandika ;
  • ny miaraka miasa amin'ireo mpandika hifantina izay lahatsoratra ho adika ;
  • ny mampiroborobo sy mampahafantatra ireo lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Global Voices teny frantsay ary mandrisika ny firotsahan-dry zareo eny anaty tambajotra sosialy ;
  • ny manaraka ireo antontanisan'ny fitsidihana ilay tranonkala aterineto sy ny media sosialy ary manao tatitra mikasika izany isambolana ho an'ny talen'ny tetikasa Lingua ;
  • ny miaraka misalahy amin'ny mpitantana ny tetikasa Lingua momba izay fomba mety ho azo atao hampitomboana ny fivezivezena sy ny sain'ny olona ho any amin'ireo votoatin'ny tranonkala ;
  • ny mikarakara tsy tapaka ireo fihaonan'ny tarika ;
  • ny miasa miaraka amin'ny sampana fanoratana momba ny fitosahan'ny asa ho an'ireo lahatsoratra tonga dia avoaka amin'ny teny frantsay avy hatrany;
  • ny mampivelatra fiarahamiasa ho famerenana mamoaka lahatsoratra amin'ny votoaty teny frantsay, amin'ny alàlan'ny fifanomezan-tànana amin'ny sampanasa fanoratana ;
  • ny miaraka miasa akaiky amin'ny sampanasa fanoratana mba hampahafantarana amin'ny teny frantsay ny tantaran'ireo mpiteny sy mpampiasa ny teny frantsay ;
  • ny mampanaraka ny toetrandro ny tranonkala aterineton'ny Global Voices frantsay

Ireo mpisoratra voafantina dia tsy mantsy manana ireto fahaizamanao sy fahafehezana lazaina manaraka ireto :

  • tenindreniny ny teny frantsay ;
  • mahafehy tsara ny teny anglisy ;
  • afaka manao tombana sy mikira ireo asa fandikàna ho amin'ny teny frantsay nalaina avy amin'ny teny anglisy (tombony ny fiteny hafa) ;
  • traikefa sy fahaizamanao amin'ny resaka fitantanana vondrom-piarahamonina;
  • traikefa sy fahaizamanao amin'ny fitantanana asam-bondrona;
  • fahafahana miaraka miasa amin'ny hafa ao anaty firindràna, anaty tontolon'ny asa virtoaly sy tsy dia misy rafitra loatra.

Amporisihanay hirotsaka amin'izany ireo mpiaramiasa ao amin'ny Global Voices frantsay.

Raha hisoratra

Mandefasa ny mombamomba anao (CV), ampiarahana amin'ny taratasy filazana fahavononana manasongadina ny asanao no sady manazava ireo antony mahatonga anao ho ilay kandidà tonga lafatra, alefa amin'ny adiresy  gohary@globalvoices.org alohan'ny 20 Novambra 2019 23:59 UTC. Azafady, apetraho ery amin'ny anton'ny imailaka alefanao ny anaranao miaraka amin'ny fanamarihana hoe “French Translation Manager”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.