Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Aogositra, 2019
Fantaro i Sanjib Chaudhary, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny herinandron'ny 13-19 Aogositra
Vakio ny resadresaka nifanaovana tamin'i Sanjib Chaudhary, ilay hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 13-19 Aogositra 2019. Hizara ny fomba fijeriny momba ny fiteny Tharu Tatsinanana izy.
Fantaro i Mazhun Idris, hampiantrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang ho an'ny herinandro 14-20 Aogositra
Fantaro misimisy kokoa i Mazhun Idris, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang ny 14-20 Aogositra 2019. Hizara ny vina sy ny fomba fijeriny ny fiteny Hausa izy.
Sonia manan-tantara nifanaovan'ny oniversite roa momba ny fanonerana ny fanandevozana any Karaiba
Izao fifanarahana izao no manamarika fa sambany nisy toeram-pianarana britanika niala tsiny tamin'ny tombombarotra azony tamin'ny fanandevozana ary mamatotra fa afaka anaovana fanonerana ny vola sy ny loharanomboka
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 7 – 13 Aogositra
Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, ilay hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny 7-13 Aogositra 2019. Hizara ny fomba fijeriny momba ny fiteny Malagasy izy.
Ao Alzeria, fandresen'ny avy eny an-dalmbe manoloana ny fitondràna ihany koa ny fahatongavana ho eny an-kianja iraisampirenena filalaovana baolina kitra
Tao Alzeria, natsofoka ho anatin'ny kabarim-panoherana ny fandresana tamin'ny fanatanjahantena.
Fifandimbiasam-panentanana Twitter vaovao hifantoka amin'ny fomba fijerin'ny mpikatroky ny teny avy any Azia
Hateveno ny laharan'i Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny O Foundation ao anatin'izao fankalazantsika ny fimaroam-piteny anaty fanentanana Twitter izao hampiharihary ny zavatra iainan'ny mpikatroka nomerika ara-piteny manerana an'i Azia.
Tatitry ny mpisera : Felahan'i Shina ireo orinasa mpanome tolotra aterineto, ny resaka vetaveta no lazainy fa antony
“’Raha tsy misy filaminana ao amin'ny aterineto, ahoana no hanananareo fahalalahana ao?” Ny taratasy fampahafantarana tamin'ity herinandro ity dia miresaka ireo kiana atao amn'ny Aterineto malalaka ao Shina, sy ny fanentanana iray feno famoronana entina hitakiana ny hisian'ny aterineto haingam-pandeha any Bolivia.
Netizen Report: Mampidi-doza ireo mpikatroka antserasera ao Nizeria sy Rosia ny lalàna miady amin'ny “fanevatevana antserasera”
Miatrika fiampangana ireo mpikatroka ao Nizeria sy Rosia noho ny "fanevatevana antserasera", mikendry ireo mpanao gazety "anti-Pakistan" ny fanentanana amin'ny Twitter ary miverina ankehitriny ny aterineto ao Maoritania.
Tantaran'ny mpampianatra iray ao Gaziantep, tanànan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana ao Tiorkia
Fanadihadiana iray tao Gaziantep, tanana iray any amin'ny sisintany siriàna : ny andavanandro sarotra, tantaraina amin'ny alalàn'ny mason'ny vehivavy italiana iray mpampianatra, mpirotsaka an-tsitrapo amin'ny ONG iray ao an.toerana.
Lasa fanevatevàna ao Bolgaria ny teny hoe “karazana”
Zavatra mahazatra ao Bolgaria ny fankahalàna ny pelaka sy ireo nanova fananahana, firenena iray izay vao haingana ny governemanta ao aminy no nikisaka nanatona ny hery farany ankavanana.