Ao Alzeria, fandresen'ny avy eny an-dalmbe manoloana ny fitondràna ihany koa ny fahatongavana ho eny an-kianja iraisampirenena filalaovana baolina kitra

Sabotsy 20 Jolay 2019, ny fandraisana tao Alger ny tarika mpilalao baolina kitra alzeriàna taorian'ny fandreseny manan-tantara tamin'ny CAN 2019. Sary nopihan'i Amina Grine ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.
Tamin'ny nahazoany fandresena tamin'ny CAN 2019 natao tany Ejipta rehefa nandavo ny Senegaly tamin'ny isa 1-0, niverina naka ny toerana maha-tompondakan'ny baolina kitra afrikàna azy i Alzeria, raha efa 29 taona lasa no tapaka izany. Saingy nivoaka tanteraka ny faritry ny maha-fanatanjahantena azy io fandresena io ary naka endrika politika satria ao anaty olana mihitsy izao ilay firenena noho ireo andiana hetsipanoherana nanomboka tamin'ny 22 Febroary 2019 itakiana ny fialàn'ny fitondrana amperinasa.
Zoma feno ny fihetsehampo rehetra
Ny Zoma19 Jolay 2019 dia nanamarika andro iray manan-tantara satria sady andro zoma faha-22 nihetsehana nisesy hatramin'ny nanombohan'ny hirak (teny arabo midika « hetsika » sady mitondra ihany koa mankany amin'ny hoe hetsipanoherana); no andro ihany koa nanaovana ny famaranana ny lalao afrikàna nifanandrinan'i Alzeria sy Senegaly.
Tamin'ny 9 ora alina tamin'io andro io, nitodika tany amin'ny kianja iraisampirenena tao Kairo daholo ny maso rehetra, toerana nanaovana ny lalao famaranana. Vao tamin'ny minitra voalohan'ny lalao dia efa nanokatra ny isa ilay mpilalao Baghdad Bounedjah, ary nitazona io tombony io hatramin'ny faran'ny lalao. Nivadika ho fipoahana hafaliana tsy hay refesina ny kiririoka farany namarana ny lalao, ary an-tapitrisa ireo Alzeriàna nivoaka teny an'arabe mba hankalaza io anaram-boninahitra nandrasana fatratra io.
Madjid Zerrouky, mpanao gazety ao amin'ny Le Monde dia namoaka lahatsary iray nalaina tany anatin'ireny fankalazana fandreseana tao Alger ireny :
Et c'est parti pour une longue nuit de folie #Alger pic.twitter.com/8I7wsBs8k7
— Madjid Zerrouky (@madjze) July 19, 2019
Dia lasa izao, ho alina lava hiravoravoana
Naneho fahavononana niavaka ny ekipam-pirenena, nomena anarana hoe les Fennecs: tsy resy mihitsy na indray mandeha aza tamin'ny lalao natrehany, nahafaty baolina 13 ary nidirana baolina 2 monja, porofon'ny tombony lehibe ananany raha resaka fanafihana sy fiarovana .
Fa avy aiza io fahavononana io?
Io haromotana hitady fandresena eny ambony kianja filalaovana baolina kitra io dia hazavaina ihany koa amin'izay mitranga eny an'arabe sy ireo hetsipanoherana iainan'ny firenena efa ho volana dimy mahery izao. Fihetsiketsehana foana no manamarika ny andro Zoma nanomboka tamin'ny 22 Febroary 2019, andro nivoahan'ireo Alzeriàna an'aliny maro teny an'arabe nanerana ny firenena mba hanohitra ny fepotoana fitondrana fanindiminy misesy itondran'ny filoha Abdelaziz Bouteflika.
Raha nametraka fialàna ny 2 Aprily 2019 i M. Bouteflika nony farany, ry zareo Alzeriàna kosa nanohy nanao fihetsiketsehana tao Alzeria, sy tany amin'ireo firenena ahitàna teratany Alzeriàna betsaka, toa an'i Frantsa sy Kanadà. Takian-dry zareo ny hisian'ny fiovàna hatrany ifotony sy ny tena tetezamita marina manilika ireo olon'ny fitondrana teo aloha niaraka tamin’ Atoa. Bouteflika.
Ny gazety alzeriàna ety an-tambajotra, AtlasTimes, dia nandefa momba izay, indrindra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ilay Alzeriàna mpilalao Adlane Guedioura izay ilazàny hoe :
#Algerie: La Victoire de l’équipe nationale est due au Mouvement de révolte populaire le #Hirak annonce @AdleneGUEDIOURA pic.twitter.com/ZoFNVTpNhQ
— AtlasTimesأطلس تايمز (@Atlas_Times) July 20, 2019
Ny fandresen'ny ekipam-pirenena dia noho ny Hetsika fitroaran'ny vahoaka, ny #Hirak hoy i @AdleneGUEDIOURA
Naverin'ilay mpanao gazety Hamdi Baala noraisina io lohahevitra io, izay namoaka sary avy amin'ireo fihetsiketsehana tamin'io Zoma niavaka io, narahany an'ireto fanehoankevitra ireto:
On s'habitue au bruit de l'hélicoptère mais pas à la révolution qu'il surveille. Le 22e vendredi de manifestations a commencé à Alger et il est spécial : l'Algérie va aussi jouer la finale de la CAN ce soir. Et ça inspire. pic.twitter.com/Rcs5d11Ee3
— Hamdi (@HamdiBaala) July 19, 2019
Efa mihazatra amin'ny feonà angidimby fa tsy ilay an'ny revolisiona arahany maso. Tao Alger ny Zoma faha-22 nanaovana hetsipanoherana no nanomboka ary tena miavaka : Hilalao ny famaranana ihany koa i Alzeria anio alina any amin'ny CAN. Ary tena manainga fanahy izany.
“Lavina ny jadona, ekena ny amboaran'i Afrika” hoy ihany koa ny nosaratan'ny tovovavy alzeriàna iray:
Et “oui” pour la coupe d'Afrique 😌✌🏼#Algerie #حراك_19_جويلية https://t.co/BTIyFr6wjL
— Houda Henniche (@HoudaHenniche) July 17, 2019
Ary dia “Eny” ho an'ny amboaran'i Afrika
“La casa del mouradia”, “la liberté” sy ireo hira hafan'ireo hetsipanoherana no noventesina tamin'ny 19 Jolay nandritra ireo hetsipanoherana, avy eo ny alina indray, mba hankalazana ny fandresen'ny Fennecs.
Vehivavy egiptiàna iray mpampiasa aterineto nanatrika ny lalao famaranana nifanandrinana tamin'i Senegaly, no namoaka ihany koa lahatsary iray ahitàna ireo alzeriàna mpanohana mihira ny “la casa del mouradia” nandritra ilay lalao famaranana :
Since I’ve been away, allow me to share some of my favorite moments from #AFCON2019 final, the top one being Algeria’s fans singing La Casa Del Mouradia pic.twitter.com/OI68kWYA08
— Mena (@menaaaly) July 24, 2019
Satria tsy teo aho, dia mamelà ahy ianareo hizara sasantsasany amin'ireo fotoana nankafiziko indrindra nandritra ny lalao famaranana ny #AFCON2019 , ny manandanja indrindra dia ireo alzeriàna mpankafy nihira ny La Casa Del Mouradia.
Tetezana an'habakabaka hanodinana ny sain'ireo Alzeriàna tsy ho any amin'ireo hetsipanoherana
Nandraman'ny fitondràna alzeriàna ny niloka tamin'io lalao io mba hampitoniana ireo fanoherana ao anatin'ny firenena. Araka izany, ireo manampahefana alzeriàna dia nanetsika fiaramanidina 28 mba hitaterana ireo mpanohana niisa 4.800 ho afaka hanatrika ny lalao famaranana ny CAN. Saingy tonga saina reo Alzeriàna hoe ezaka hanodinkodinana ny saina io ary tsy adala ry zareo, araka ny fanamarihan'ity mpampiasa aterineto ity :
L'Algérie est championne d'Afrique 🇩🇿🏆, mais le combat continue ✊ pour la liberté !
> Le chants des supporteurs le jour de la finale : « Dites-leur, vous ne nous entuberez pas avec le ballon. Dites-leur : on arrachera la liberté quoi qu’il en coûte ». #Hirak #Algerie #CAN2019 pic.twitter.com/1OqGjt9eAV— Bellahsene Nabil (@BellahseneNabil) July 22, 2019
Tompondakan'i Afrika i Alzeria, saingy mitohy ny tolona hisian'ny fahalalahana! > Ny hiran'ireo mpanohana tamin'ny andron'ny lalao famaranana: « Lazao azy ireo, tsy ny baolina akory no handrebirebenareo anay. Lazao azy ireo: tsy maintsy alainay ny fahalalahana na inon-kidona, na inon-kihatra ». #Hirak #Algerie #CAN2019
Yazid Ouahib, lehibe mpitantana ny sampana Fanatanjahantena ao amin'ny gazety mpiseho isanandro El Watan manazava hoe : “Manisa tombombarotra ny fitondrana , saingy manampin-tsofina aminì'ireo fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana, endriky ny kolikoly izany, izay tsy hisy fiantraikany amin'ny hetsi-bahoaka, satria hatramin'ny 22 Febroary, nasehon'ny vahoaka fa tsy azo lalaovina izy”.
Ny 19 Jolay, nosoratan'ny iray tamin'ireo mpanao fihetseketseha tamin'ny takelaka notazoniny ny hoe : « Hasambarana vonjimaika ny fandreseana azo tamin'ny CAN. Fa ny famerenana ny firenena dia manome hasambarana mandrakizay ».
Ny fandresen'ny vahoaka
Toy ny maripankasitrahana iray mitondra aingampanahy ho anà firenena iray manontolo mba hiroso hatrany sy hanavao ny firenena iray manontolo no fahitan'ny ankamaroan'ireo Alzeriàna ity fandresena tamin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika ity.
Une deuxième étoile en attendant la deuxième république. #Hirak #Harak #Algérie #TOTALAFCON2019
— Azeddine SALMI (@zsalmi) July 20, 2019
Kintana iray faharoa aloha mandra-piandry ny repoblika faharoa #Hirak #Harak #Algérie #TOTALAFCON2019
#HIRAK #SON #EXCELLENCE LE #PEUPLE #ALGÉRIEN #UNI#Merci #LesVerts #Merci Pour #CAN2019
Sans #Oublié que le Peuple est plus que jamais déterminés à faire aboutir sa révolte jusqu’à #Satisfaction des #Revendications. #VOUSDÉGAGEZTOUS#NousNeSommesPasDupes pic.twitter.com/R787WD3EvX— KARIM (@kingman20142019) July 23, 2019
#HIRAK ry mpitondra #HAJAINA Ny #VAHOAKA #ALZERIANA #MITAMBATRA #Misaotra #NyMaitso #Misaotra noho ny #CAN2019
Fa tsy #Manadino hoe ny Vahoaka dia faran'izay vonona hitondra ny fitroarany hatrany amin'ny #Fahatanterahan'ireo #Fitakiana. #MIALADAHOLOIANAREOREHETRA #TsyAdalaAkoryIzahay
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...