Fifandimbiasam-panentanana Twitter vaovao hifantoka amin'ny fomba fijerin'ny mpikatroky ny teny avy any Azia

Siokam-borona avy amin'i Id-iom ary nampiasaina araka ny lisansa Creative Commons CC BY-NC 2.0.

Manomboka anio talata 6 aogositra, hifandimby araka ny lisitra ireo mpikatroka ara-piteny manerana an'i Azia ho vahinin'ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline. Arindran'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation ary ny O Foundation izao fanentanana media sosialy izao izay maka toerana ao anatin'ny taona iraisampirenena ho an'ny fiteny indizeny 2019 ary hanome sehatra ireo feo maro isan-karazany ao amin'ny faritra hizara ny tantaran'ireo zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray ny fiteny sy ny fomba andraisan'ny aterineto anjara amin'izany.

Mandritra izao ambin'ny taona 2019 izao, hifandimby isan-kerinandro ao amin'ny @AsiaLangsOnline ny mpikatroka hizara ny fomba fijeriny amin'ny dikan'ny fitenin-dry zareo amin-dry zareo sy ny vondrom-piarahamonina misy an-dry zareo. Ireo mpikatroka rehetra ireo dia samy miasa amin'ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ny fampiasana ny fitenin-dry zareo any amin'ny sehatra vaovao tahaka ny aterineto, izay manolotra hirika sy fanamby be dia be. Fa misy ihany koa ireo singa tsy an-tserasera lehibe ao anatin'ny fikatrohan-dry zareo mifandraika amin'ny tantara lava sy ny tokotanin-tsehatra misy amin'izao fotoana izao izay miantraika amin'ny fahaveloman'ny fiteny aziatika.

Mifanahatahaka amin'ny fampiasana ny Twitter ho fitaovam-pampitan-kevitra mandeha amin'izao fotoana izao any Amerika Latina (@ActLenguas) sy aty Afrika (@DigiAfricanLang), any Canada sy Etazonia (@NativeLangsTech), ity tetikasa ity fa hifantoka kosa amin'ireo fiteny manerana an'i Azia.

Tena tsara dia tsara ny valin'antso ho fandraisana anjara amin'izany, satria efa feno sahady ny lisitra ao anatin'ny herinandro maromaro. Manalava tanana ihany koa izahay manasa ny hafa handray anjara. Raha manana tolokevitra amin'ny olona tsara atao ho vahiny amin'izany fifandimbiasana izany ianao dia miangavy anao hifandray aminay.

Ireo mpandray anjara

Hizara ny tantarany manokana mifandraika amin'ny asany famelomana aina indray ny fiteny ary mifantoka manokana amin'ny anjara toerana lehibe ananan'ny aterineto sy ny teknolojia ny mpandray anjara sasany. Raha hisolotena ny fikambanana misy azy ireo, ny fiaraha-mientana, na ny ezaka tsirairay ataony avy ny hafa mba hiantohana fa hitohy mankany amin'ny taranaka hoavy ny fitenin-dry zareo. Ny sasantsasany amin'ireo tetipanorona famelomana aina indray dia ahitana ny fandraisana ny fampanarahana ny teknolojia nomerika hifandraika amin'ny filan-dry zareo.

Samy mazoto izy rehetra ireo hizara ny tantara amin'ny mpihaino betsaka kokoa izay mety ho kely dia kely ny fahalalàny ny fimaroam-piteny manerana an'i Azia, ary hizara ihany koa amin'ny vondrom-piarahamonina sy mpikatroka hafa izay hahita ny akon'ireny tantara ireo amin'ny zava-niainany manokana.

Ao anatin'ireo mpandray anjara efa nanasonia ny fitantanana ny kaonty ireto olona manaraka ireto:

Santionan'ny olona ao anivon'izao fanentanana izao fotsiny ireo hizara ny tantaran'ny asa mifandraika amin'ny fiteny mitranga amin'izao fotoana izao manerana an'i Azia. Tsidiho ny pejy fanentanana ijerena ny fandaharam-potoana mandeha amin'izao fotoana izao ary aza miala hijery ireo lahatsoratra bilaogy fanontaniana sy valiny ahitanao ny horirantavan'ireo nasaina tsirairay avy.

Izao tetikasa media sosialy izao dia niainga avy amin'ny fisantarana andraikitra hafa toy ny @IndigenousX any Aostralia, izay nanoloran'ny mpanorina azy antsoina hoe Luke Pearson fitarihan-dalana amin'ny fandaminan-draharaha. Ny kaonty Instagram an'ny Global Voices ihany koa dia tantanin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina efa ao anaty lisitra ary fomba tsara dia tsara izany nahitana ny zavamisy iainan'ireo mpikambana maro sy ny toerana onenan'izy ireo avy.

Afa-manohana izao fanentanana izao ianao amin'ny fanjohiana ny kaonty @AsiaLangsOnline mandritra ny taona 2019, sy amin'ny fampitana ireo sioka hitanao fa mampisy aingam-panahy mahaliana. Mazoto hahita ny domberina ihany koa ireo vahiny ary hiezaka araka izay azony atao hamaliana anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.