Lasa fanevatevàna ao Bolgaria ny teny hoe “karazana”

Gazety Bolgara mampiasa ny teny hoe “karazana (lahy sy vavy)” (джендър) amin'ny fomba samihafa : ny dikany amin'ilay teny, avy amin'ny gazety mpisary adala Telegraf ary amin'ny fomba manesoeso nataon'ny Pras Pres. Sary an'ny Global Voices, CC-BY.
“Manabe ny zanany toy ny karazana (джендър) i Charlize Theron,” hoy ny lohateny lehibe amin'ny dika an-tsoratr'ilay gazety bolgara mpisary adala Telegraf tamin'ny 20 Aprily, naseho etsy ambony. “Misy karazana iray mahatonga ireo atleta hisafoaka,” hoy ny lohatenin’ny lahatsoratra iray ao amin'ny Classa.bg momba ilay mpibata fonjamby nanova taovam-pananahana izay hita etsy ambony ihany koa.
Ao Bolgaria, toy izany izao no ampiasàna ny teny anglisy hoe “gender” (karazana) amin'ny fandikàna azy mivantana ho (джендър) : ho entina manao tsinontsinona ireo vitsy an'isa sy ireo olona izay tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy ny karazany. Matetika ampiasaina ihany koa io teny io mba hampihenàna ny lanjan'ireo feminista sy mpiaro zon'olombelona.
Когато слушаш нещо българско и някой спомене думата “джендър” по оня начин и ти седиш и се чудиш дали е сериозно или саркастично.
— Mi. (главно мрънкало) (@mirelatheadult) May 4, 2019
Raha mandre olona miteny ny fiteny Bolgara ianareo ka misy olona iray eo mampiasa fotsiny eo ny teny hoe “lenta na karazana” ka manontany tena ianao hoe tena matotra ve sa vazivazy.
Misy lahatsoratra nivoaka tamin'ny fanontàna tamin'ny 17 Aprily tao amin'ilay gazetiboky mpisary adala ao an-toerana Pras Pres, nosoratan'i Emil L.Georgiev ary nitondra ny lohateny hoe “Tsy milavo lefona ny karazana (ary) mitohy ny tolona” (Джендърът не се предава но борбата продължава), miresaka ny fampiasana vao haingana io teny io.
Do you fear “the gender,” that dangerously naughty, multi-sexual, anti-constitutional boogeyman with Western European origins, born in Istanbul? He was sent to our country with a subversive mission to sneak into the beds of healthy Bulgarian families at night, and to destroy them in the most abnormal manner. It is horrible, but the healthy forces, represented by the presidency, Bulgarian Orthodox Church, Bulgarian Socialist Party, larger part of the Constitutional Court, and tens of patriotic and religious organizations and foundations, so far has managed to restrain it – to a degree. Because “the gender” doesn't give up so easily.
Atahoranareo ve ny teny hoe “kazarana,” io kalo masiaka io, ilay manana taova maro sy mifanohitra amin'ny lalàm-panorenana niandohana tao eoropa andrefana, teraka tao Istanbul ? Nalefa aty amin'ny firenentsika ilay izy ary misy iraka miafina ampanaovina azy, ny hisovoka any am-pandrian'ireo ankohonana bolgara marintoerana, rehefa alina ny andro, mba hamotehana azy ireny sy hanovàna azy tsy ho araka ny tokony ho izy. Mampahatahotra izy saingy hatreto – raha tombanana – dia mbola voafehin'ireo hery mahay mandanjalanja, soloin'ny filoham-pirenena tena, ny eglizy ortodoksa ary ny antoko sosialista bolgara sy ampahany betsaka amin'ny Fitsaràna ny lalàm-panorenana ary fikambanana ampolony maro sy ireo orina tia tanindrazana sy ara-pinoana . Satria tsy hilavo lefona mora fotsiny amin'izao “ny karazana”.
Tany amin'ny andian-tanoa 1990 tany, nitoloman'ireo Bolgara mpiaro ny vehivavy ny mba hampiasana ny fomba fiantso bolgara amin'izao fotoana izao hoe “karazana” (род) ho solon'ilay amin'ny teny anglisy, saingy toa ity farany, miaraka amin'izay sarintsarin-teny manambany miaraka aminy, no nifàka lalina teny anaty fampahalalambaovao sy ny fitambaramben'ny fiarahamonina. Ilay fiteny aza toa hita mihitsy any anaty fampidirana momba ny “karazana” ao amin'ilay pejy Wikipédia amin'y fiteny bolgara.
Eny tokoa, ny fampiasàna ilay voambolana amin'izay lalankevitra izay dia manome taratra fankahalàna ireo mpifankatia mitovy taovam-pananahana sy ireo tsy lahy tsy vavy mihamitombo be ao Bolgaria, toy ny fitontoganana be amin'ny toedraharaha raha resaka fomba fitondra ireo olona LGBTQ+ sy indrindra fa ho fanajàna ireo zo maha-olona any amin'ireo firenena – izay toerana niavian'ireo hetsika nasiônalista nanjohy ny fiarahamitantana teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2017. Nanmboka teo, ny Praiminisitra Boyko Borissov [fr] avy amin'ny antoko afovoany-havanana GERB dia nifanome tànana taminà antoko telo nasiônalista avy amin'ny farany havanana izay mitonona ho Tia Tanindrazana Mitambatra [fr]. Afangaron'ny fandaharanasan-dry zareo ny fifikirana amin'ny nentindrazana sosialy sy ny nasiônaly, ny “populisme” an'ny elatra faran'ny havanana, ny “euroscepticisme”, ny fanoherana ny fanatontoloana, ny fankahalàna silamo ary ny fankafizana ny rosiàna.
Araka ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny Pras Pres, betsaka ireo sariitatra mankahàla pelaka navoaka nandritra ny fampirantiana nasiônaly faha-44 ho an'ireo sariitatra izay nanomboka tamin'ny 1 Aprily tao Sofia renivohitra. Mbola io volana io ihany, nisy manampahefana avy amin'ny antoko sosialista bolgara sy ny antokon'ny hery ankavanana VMRO BND (mpikambana ao anatin'ny Tia Tanindrazana Mitambatra) nanandrana ny hampandràra ny fampirantiana sary nomena lohateny hoe “Balkan Pride” [Reharehan'i Balkàna] tao an-tanànan'i Plovdiv, izay miaraka mandray amin'i Matera any Italia ny andiany 2019 amin'ny renivohitra ara-kolontsaina eoropeàna. Nangatahan-dry zareo ny filankevitry ny tanàna mba handroaka an'i Svetlana Kuyumdjieva, tale misahana ny zavakanto ao amin'ny orina najoron'ny fanjakana hiatrehana ilay fetibe, saingy tsy tanteraka. Ny 8 Aprily, nambarany nandritra ny antsafa iray tamin'ny fahitalavitra fa hisy soa amantsara araka ny efa nandaminana azy ilay fampirantiana.
Nefa ny mety haneho tsara ny fankahalàna pelaka tsy mitsahatra mitombo ao Bolgaria dia ny fandàvan'io firenena io ny hanoratra ao anatin'ny lalàny ny momba ireo fotokevitra napetraky ny fifanarahana tao Istambul. Ny Fifanarahana Istanbul [fr] dia ny “Fifanarahan'ny Filankevitr'i Eorôpa momba ny fisorohana sy ny ady atao amin'ny herisetra manjo ireo vehivavy ary ny herisetra an-tokantrano” ary tamin'ny 2011 izy io no nosoniavin'ireo firenena eorôpeàna niisa 46, anisan'izany i Bolgaria. Tao anaty didim-panjakana navoaka tamin'ny 2018, ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana bolgara dia nanapaka hevitra tamin'ny isa 8 nandàny raha 4 kosa nitsipaka fa ireo fotokevitra avy amin'ny Fifanarahana dia tsy araka ny lalàm-panorenana noho ny famaritany ny teny hoe ‘karazana’ ho toy ny zavatra noforonin'ny fiarahamonina manafosafo fotsiny ny sisintany manasaraka ireo karazana roa efa misy – lahy sy vavy – efa voapetraka ara-biolojika.”
Ao anatin'ny tatitra navoakany ho an'ny taona 2018, ny Komity Helsinki bolgara, fikambanana tranainy indrindra mpiaro ny zo maha-olona ao amin'ny firenena, no manasongadina ireo dona ara-piarahamonina ateraky ny fanapahankevitry ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana :
Една от целите на мащабната кампания против Истанбулската конвенция бе изключването на защитата както от домашно насилие, така и от основано на пола насилие, която ратификацията на конвенцията би дала на нехетеросексуалните и трансджендър жените и мъжете. Страничен и неочакван ефект на това бе и произнасянето на Конституционния съд, че евентуален бъдещ закон, въвеждащ процедура за промяна на пола в личните документи на трансджендър лица, би бил противоконституционен – извод, който няма опора в Конституцията.
Iray amin'ireo tanjon'ny fanentanana lehibe hanoherana iay Fifanarahan'i Istambul ny fanilihana ny fiarovana an'ireo olona tsy manambady ny hafa karazana aminy sy ny nanova fananahana amin'ny herisetra an-tokantrano sy mifototra amin'ny fironana ara-pananahana izay iantohan'ny fanamafisana ilay Fifanarahana. Niseho tamin'ny endrika hafahafa sy tsy nampoizina izany tamin'ilay didin'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana nilaza ny tsy maha-araka ny lalàm-panorenana ny mety hisian'ny lalàna iray amin'ny hoavy hametrahana amin'ny toerany ny fepetra iray hanovàna ny karazana any anatin'ireo antontan-taratasy famantarana ireo olona nanaova fananahana, didy iray tsy mahazo ny fanohanan'ny Lalàm-panorenana.

Fanolorana ilay tatitra ho an'ny taona 2018 nataon'ny Komity Helsinki ao Bolgaria, tao Sofia tamin'ny 23 Aprily 2019. Sary an'ny BHC, CC-BY.
Tsipihan'ilay tatitra ihany koa ny hoe, nandritra ny tapany faharoa tamin'ny taona 2018, marobe ireo fanovàna natsofoka tao anatin'ny lalàna no niteraka fanohintohinana ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahafahana manao fivoriana sy ny fahalalahana ara-pinoana, ny fiarovana ny vehivavy, ny zon'ireo olona LGBT+, ireo Roms, ireo mpialokaloka ary hatramin'ireo olona nahiboka any anaty toeram-pitsaboana aretin-tsaina sy toerana hafa famonjàna.
Raha aravona, ny filaza hoe ‘karazana’ amin'ny fanekena ilay heviny manambany dia tsy manao afatsy ny manjohy ireo lisitra midadasika misy ireo teny fankahalàna ampiasaina hamelezana ireo mpiaro zon'olombelona sy ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonina sivily.
Hita any anatin'ireny fiteny ireny ihany koa ny “liberasti” (либерасти), fanambatambarana ireo dika bolgara ho an'ny teny hoe “liberaly” sy “pédé”, na ihany koa “Sorosoidi” (Соросоиди), teny iray fanambaniana (angamba nipoitra avy any Makedonia Avaratra) apetaka amin'izay rehetra mikolokolo fifandraisana amin'i George Soros, ilay amerikàna mpitia ny mpiara-belona ary manana fiaviana Hongroà .
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...