· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Desambra, 2018

Ejipta: Ny Kianjan'i Tahrir, Nofinofy Kely Iray

Iray amin'ireo endriky ny revolisiôna niseho tao Ejipta ny fiainana andavanandron'ireo mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja Tahrir. Nandritra ny roa ambinifolo andro, teo an-kianja izy ireo no nonina. Manaraka ny onjany manokana ankehitriny ny fiainana eo an-kianja Tahrir, ary ny fanantenana manjaka ao anatiny dia ny nofinofy kely iray.

Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana

  13 Desambra 2018

Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.

Bilaogera an-jatony no nanohana ireo mpianatra nogadraina tany Iran

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanomboka hetsika mba hahatsiarovana sy hisarihana ny saina momba ireo mpianatry ny oniversite marobe nosamborina nandritra ny volana vitsivitsy, anisan'izany ireo mpianatra miisa telo izay mbola any am-ponja ireo vondrona bilaogera Iraniana. Ny hanomezana anarana vaovao ny bilaogy maro...

Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary

Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.