Jereo ny takelaka manokana momba ny Tolona politika eto Madagasikara.
Raha kely indrindra dia 25 no voatifitra maty teto an-drenivohitr'i Madagasikara Antananarivo nandritra ny diabe politika niantsoan'i Andry Rajoelina Ben'ny tanàna, izay efa nanandra-tena ho filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita, ny mpanaraka azy ho eny Ambohitsorohitra. Nandritra ny herinandro vitsivitsy moa dia efa nivadika ho herisetra sy fandrobana ny fifanandrianam-pahefana nisy teo amin'ny Ben'ny tanàna sy ny filoha Marc Ravalomanana.
Nandritra ny mitataovovonana teo afovoan-tanànan'Antananarivo (Analakely) moa no nisian'ny famoriam-bahoaka. Nilaza ny fijoroan'ny governemanta tetezamita moa Rajoelina, ka izy no mitarika izany, na dia mbola eo amin'ny toerany soa aman-tsara aza ny governemanta miasa ankehitriny. Niangavy ny mpanaraka azy izy mba handeha eny amin'ny lapan'Ambohitsorohitra ry zareo.
Rehefa tonga teny anoloan'ny lapa moa ny vahoaka, dia nisy solontena nisitra ny lapa tamin'ny 14:46 ora teto an-toerana. Teo indrindra no nanomboka ny tifitra. Nitatitra amin'izay ny tontolon'ny twitter sy ny mpamaham-bolongana hafa:
Ny tatitra voalohany no nanamarika fa vatana ampolony no mivalampatra eny an'arabe. Voalaza moa fa nisy mpaka sarin'ny RTA TV voatifitra (miandry fanamarinana ofisialy).
Raha mbola tsy nitsahatra ny tifitra tamin'ny 15:40 ora teto an-toerana dia niangavy ny EMMONAT i Andry Rajoelina mba hiditra an-tsehatra sy hiaro ny vahoaka.
Ny vaovao hita moa (Reuters, Al Jazeera) no milaza fa 25 no maty raha mbola mandeha amin'ny televiziona eto an-toerana ny sary. fa ny BBC sy ny AFP kosa tsy nahasahy nilaza nihoatra ny 5. Mbola azo jerena amin'ny teny frantsay eto moa ny fitantarana mivantana.
Indro moa ny fikarohana avy amin'ny Twitter ho amin'ny #madagascar ampiasaina ho teny famantarana nandritra ny herinandro nisian'ny fifanandrinana ara-politika nisiana herisetra teto an-toerana.

dimanche 8 février 2009 00:00:02

samedi 7 février 2009 23:59:30

samedi 7 février 2009 23:58:03

samedi 7 février 2009 23:30:17

samedi 7 février 2009 23:10:03

samedi 7 février 2009 22:28:36

samedi 7 février 2009 22:24:24

samedi 7 février 2009 22:18:36

samedi 7 février 2009 22:14:28

samedi 7 février 2009 21:58:53

samedi 7 février 2009 21:54:39

samedi 7 février 2009 21:54:11

samedi 7 février 2009 21:54:09

samedi 7 février 2009 21:37:24

samedi 7 février 2009 21:36:49

samedi 7 février 2009 21:33:53

samedi 7 février 2009 21:25:49

samedi 7 février 2009 21:20:08

samedi 7 février 2009 21:15:25
Widget by TweetGrid – Add one to your site
1 hevitra
ambositra:nisy renfort miaramila tonga (FIP?) dia naato ny meeting t@ 07.02;milamina ny tanàna.