Amin’ny fetin’ny mpifankatia: Ampianaro mitoraka biloagy (na mamahana bolongana) ny olon-tianao.

Teach Someone You Love to Blog

Ny andron’ny mpifankatia (ny 14 febroary) izay andro natokana ho an’ny fitiavana, fisakaizana ary fifaneraserana. Inona ary no fomba tsara indrindra mba ahafahana manamarika ny fahafahana hanararaotra hampianatra ny olon-tianao hitoraka bilaogy na hamahana bolongana kelikely ( micro-blog?)

Raha toa ka mpandray anjara amin’ny Global Voices na mpamaky ianao dia mahafantatra tsara fa ny bilaogy dia mitondra fahafinaretana, hafaliana ary mitondra namana vaovao ho an’ny olona miisa an-tapitrisany. Ny mpitoraka bilaogy eto amin’ny vondrona misy antsika dia efa nanome toky fa hampianatra ny namany ary ny mitia azy, ary ho soratana ao amin’ny bilaogin’izy ireo ihany amin’ny andron’ny mpifankatia. Ary afaka ny miditra ao koa ianao…

Mba te hanasa anareo hiaraka aminay ihany koa izahay ao amin’ity rojom-bolongana! ity

Mba sain-tsaino kely mandritra ny minitra vitsy ny olona manodidina anao. Zarao ity fanomezana ity ho an’olona ao amin’ny fianakavianao, ny namanao, ny mpamaky ary ireo olo-maminao ary teneno ho anay hoe nanao ahoana ny fandehany avy eo!

Ny fitiavana dia fifandraisana (na fifaneraserana) ihany koa

Ireto misy dingana efatra tsotra ahafahanao manara-dianay mandritra ny andron’ny mpifankatia.
Dingana 1: Tsy mba irery ianoa rehefa mitoraka bilaogy. Teneno ny mpamakinao hoe ahoana no itiavanao azy ireo, ary inona no tokony itiavanizy ireo anao.
Dingana 2: Ampianaro ny olon-tianao hitoraka bilaogy (na micro-blog!).
Dingana 3: Midira any amin’ny bilaogy voalohan’izy ireo, ary tohano sy amporisiho ny mpamaky mba hitsidikazy. Ampiasao ity marika ity: #SMK [social media kisses]
Dingana 4: Asio marika ny bilaogy ny namanao mba handray anjara amin’ity meme ity.**
Ireto misy karazana sary kely ahafahanao manaingo ny bilaoginao:Small | Medium | Large
Zarao ny fitiavana.
Global Voices Loves (Global Voices fitiavana) dia mizara fitiavana ho anareo.

Global Voices Loves You

Tena matotra ny fitiavanay anareo. Ato amin’ny Global Voices dia manamafy ny teny avy amin’ny mpitoraka bilaogy rehetra avy any amin’ny vazan-tany rehetra. Ny ilainao dia ny mitsofoka ato amin’ny pejin’ ity trano-kala ity, mba ijery ireo olon-tsotra mampiseho ny fahasamihafany ary manisy fomba fijery voaova ho an’ity fety iraisam-pirenena ity indrindra indrindra amin’ny alalan’ny fanoratana ny heritreritrizy ireo. Na amin’ny fandikana ny resaka ho an’ny hafa.

Eo amin’ny fampandrosoana ny izao tontolo izao dia manampy ara-bola ny ireo karazan’asa vaovao mahakasika ny bilaogy sy ny resaka tetikasa amin’ny alalan’ny Rising Voices. Tsy ho ela dia hampahafantatra zavatra maro hafa ho anareo izahay, miaraka amin’izany dia dingana lehibe ny fampirisihana mba ho maro ireo mpitoraka bilaogy mahakasika ny HIV/AIDS. Izahay ato amin’ny Global Voices Advocacy, izay mandrohy sy miara-miasa amin’ireo mpitoraka bilaogy izay afaka mandresy ny sivana ary mamonomana sehatra fiampitana vaovao miaraka amin’ny hafa ao amin’ny ivo-kalam-pifandraisana izay miady ho amin’ny fahalalahana hiteny na ny fahalalahana haneho hevitra.

Isika rehetra dia afaka ny hanampy ny olona rehetra handrava ny sakatsakana (na ara-tekinika na zavatra hafa ihany koa) izay mety hamihemotra azy ireo tsy handray anjara amin’ity serasera isan’andro mivoatra ity. Fanampiana avy amin’ny alalan’ny fitaovana hafa kely izay any amin’ny sehatra na vondrona manokana misy anareo.


Toro-hevitra momba ny bilaogy na micro-blogging

Ampahafantaro ny Citizen Media (na fampitam-baovaon'olo_tsotra) fa mila fanampiana ianao, azavao hoeIntroduction to Citizen Media karazana bilaogy inona ilay izy, na inona no tokony ahasarika ny olona, alaovy ao amin’ ny fampahafantarana any amin’ny Citizen Mdia avy amin’ny Rising Voices.

Rehefa avy nanaitra azy ireo ianoa ka sarika tany aminaoizy ireo, dia maninona moa raha mitsidika ny Global Voices Advocacy guide (torolalam-piarovana avy amin'ny Global Voices, Blog inona no antony. Misy ahafahanao manampy ve avy amin’ity ve ao?
Ireo lahatsary (videos) ireo dia afaka ny manampy ianao manazava hoe ahoana ny fiasan’izy ity.

Ahoana izany mitoraka biaogy (midira eto)

Ahoana izany mamahana bolongana kelikely “Twitter” (midira eto)

MANAOVA FETIN'NY MPIFANKATIA SAMBATRA >TIANAY IANAREO>ZARAO NY FITIAVANA>ATAOVY MALAZA TSARA>>>>>****SOCIAL MEDIA KISSES #SMK #SMK #SMK

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.