Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny WordPress .
Tonga soa ato amin’ny ianyan magazine, ny famoahana miahy tena Armenianinao voalohany. Voalohany indindra, Ianyan dia nanomboka toy ny hevitra izay toa natoritory tao ao an'eritreritra sy ny ati-fanahinareo nandritry ny taona maro. Sahala amin'ireo zavatra tsara rehetra , dia tanteraka ihany ity hevitra ity. Ny tanjonay eto amin’ny ianyan dia ny hanome anareo izay tsy vitan’ireo famoahana Armenianina hafa: vaovao tsy mitanila, ireo toetoetra sy ireo tantara izay ankafizinao. Tsy ny gazety “medzbaba”-nao izy ity. Tsy misy fampielezan-kevitra eto. Tsy ny mitady ny marina sy ny milaza izany ihany no ataonay, fa manome ny vaovao Armenianina maneran-tany koa, ho an'ny tanora sy ny antitra ary koa ireo namanao tsy Armenianina.
Ny resadresaka feno [amin'ny fiteny vahiny] dia azo henoina eto ambany.
Podcast: Jerena naty fàfana iray vaovao
| Alaina ho an'ny tena