Tantara mikasika ny Haisoratra
Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra
Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
‘Ilaina atonta ao anivon'ny fireneny ny literatiora gabône': Antsafa niarahana tamin'i LePresqueGrand Bounguili, pôeta sady mpikatroka ho an'ny literatiora
Mba hamantarana misimisy kokoa ny literatiora gabône, ny Global Voices dia nitafa tamin'i LePresqueGrand Bounguili, pôeta sady olon'ny anjerimanontolo gabône mipetraka any Kanadà, ary mpanentana anatina hetsika marobe miompana amin'ny tononkalon'ny fireneny.
Manome sehatra tantara mampientam-po ny #MeToo (Za koa) Malagasy nosoratan'i Hary Rabary
Nitafatafa tamin'ny mpanoratra Hary Rabary, izay mpampianatra sady dokotera ny Global Voices mba hiresaka momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiarahamonina malagasy: fanorisorenana ara-nofo sy fanolanana.
Asa fandikàna atao ho toy ny fitetezana ara-bakiteny: Tantaran'ny fivezivezena tany amin'ireo tany tibetàna
Comment traduire une auteure tibétaine qui écrit en chinois sur des réalités profondément tibétaines - en français? Interview de Global Voices avec les participant.es de ce projet. ..... Ahoana no handikana ny mpanoratra tibetaina izay manoratra amin'ny fiteny Sinoa mikasika ny zava-misy lalina Tibetàna - amin'ny fiteny frantsay ? Tafatafa an'ny Global Voices niaraka tamin'ny participant.es tamin'ity tetikasa ity.
Any Ozbekistana, sady tsangambato ho an'ny fanaingoana anatiny ihany koa ireo trano tranombakoky ny literatiora
Ao Ozbekistana, ny tranon'ireo mpanoratra malaza ihany koa dia tsangambaton'ny maritrano anatiny nentim-paharazana Ozbeky, izay azo tsidihana ary manainga fanahy ireo Ozbeky rehefa hanaingo ny tranon'izy ireo.
Ny nofinofin'ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona Loujain Al-Hathloul ao amin'ny bokin'ny ankizy
Ao amin'ny tantara, maniry ny hanidina miaraka amin'ny elany i Loujain kely, nefa ny ankizilahy ihany no nanana izany zo izany. Na dia teo aza ny zava-tsarotra, manohana ny nofinofiny ny fianakaviany, ka mahatonga azy ho maherifo manome aingam-panahy.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #05
Ato anatin'ny fizaràna ataonay “An'ny voambolana ny fitenenana- Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: "vieux père, voilà ton fils", "bled", ary fehezanteny safiotra iray rosiàna-frantsay malaza.
Maneho ny heviny amin'ny lalàna vaovao momba ny teny ao Kyrgyzstan ireo diplaomaty Rosiana, mampahatsiahy ny fanjanahantany taloha
Ampahany manan-danja amin'ny maha- mariky ny firenena ny fiteny Kyrgyz. Zava-dehibe amin'ny fahaveloman'ny vahoaka Kyrgyz amin'ny maha-vondrona foko misaraka azy sy Kyrgyzstan amin'ny maha-firenena azy izy.
Ny nahatonga ahy nanamavo ny fitenin-dreniko nony farany tao Okraina
Tamin'ny 2022, saika ireo olona rehetra ao Okraina no nahazo toky hoe manankarena, malefaka ary manaitaitra ny fiteny okrainiàna. Nahita ny toerany tao amin'ny fireneny ihany nony farany ilay fiteny notsinontsinoavina hatry ny ela