· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Haisoratra tamin'ny Janoary, 2018

Ireo Mpanoratra Any Goatemala

  25 Janoary 2018

Ao Goatemala, mahita ny ankamaroan'ireo mpanoratra fa tena sarotra ny mamoaka boky, ary mbola sarotra kokoa aza ny manao izany hahazoana tombony. Miasa ho mpanao gazety, mpandalina, injeniera izy ireo matetika. Vitsy amin'izy ireo no tena manokana ny tontolo androny amin'ny fanoratana, ary ny ankamaroany dia tsy fantatra ao an-toerana.

Lahatsary : Ireo Famakiamboky Entina Mandehandeha Misy Manerantany

  01 Janoary 2018

Amin'ny ankamaroan'ny rafitry ny famakiam-boky, nanjary tena ilaina ny famakiamboky mandehandeha, mitondra boky ho an'ireo tsy afaka miditra any amin'ny trano famakiamboky. Fa na izany aza, any amin'ny toerana maro, noho ny faharatsian'ny làlana na tsy fahampian'ny fitaovana dia tsy azo atao intsony ilay rafitra mahazatra, fitondràna izany amin'ny fiarabe fitaterana na kamiao. Noho izany dia nipoitra ho toy ny safidy mety hitondràna boky ho an'ireny vondrom-piarahamonina irenyny famakiamboky amin'ny saretin'omby, ny famakiamboky entin'ny ampondra ary ny famakiamboky entin'ny môtô.