Maneho ny heviny amin'ny lalàna vaovao momba ny teny ao Kyrgyzstan ireo diplaomaty Rosiana, mampahatsiahy ny fanjanahantany taloha

Teo am-pananganana ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan nandritra ny lanonana tao Bishkek renivohitra. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Bizon KGZ. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 17 Jolay, nanao sonia ny Lalàmpanorenana momba ny Tenimpirenena ny filohan'i Kyrgyzstan, Sadyr Japarov. Nankatoavin'ny parlemanta ny lalàna tamin'ny 31 Mey, izay niaraban'ny filohany ireo mpiara-miasa taminy noho ny “ny volavolan-dalàna manantantara”. Ny tanjona dia ny hampihatra ny Andininy faha-13 ao amin'ny lalàmpanorenana, izay milaza fa ny Kyrgyz no tenim-pirenena, ary voafaritry ny lalàmpanorenana ny fomba fampiasana azy. Nametraka foto-dalàna ny lalàna vaovao amin'ny fampiasana ny Kyrgyz, ny fampiharana ny politikan'ny tenim-pirenena, ary ny adidin'ny sampam-panjakana, ny andrim-panjakana, ny fikambanana sy ny sampan'ny governemanta eo an-toerana mba hananganana fepetra ho fampivelarana azy.

Raha ny marina, nampiditra fiovana lehibe tamin'ny fampiasana ny Kyrgyz izy io tamin'ny fanaovana azy io ho fiteny amin'ny asa ho an'ny manampahefanam-panjakana, ny sampan'ny governemanta eo an-toerana, ary ny orinasam-panjakana. Tsy maintsy mahafantatra ny tenim-pirenena ankehitriny ny mpiasam-panjakana, ny solombavambahoaka, ny mpampianatra, ny mpitsara, ny mpampanoa lalàna, ny mpisolovava, ny mpitsabo ary ny vondrona hafa. Tsy maintsy ampiasaina amin'ny anarana ara-jeografika, eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny siansa, ary koa rehefa manao sonia fifanarahana iraisampirenena ny teny Kyrgyz. Fanampin'izany, tsy maintsy amin'ny fiteny Kyrgy fara fahakeliny ny 60 isanjato amin'ny fandaharan'ireo orinasa fahitalavitra sy radio, anisan'izany ny onjam-peo tsy miankina.

Nivoaka lohateny lehibe noho ny antony tsy ara-piteny anefa ny lalàna vaovao. Tamin'ny 2 Jona,vantany vao lany, nanambara ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Rosiana, Maria Zakharova fa “amin'ny endriny ankehitriny, dia mahavita miteraka fahasarotana ho an'ny olom-pirenen'ny repoblika izay tsy miteny ny fiteny Kyrgyz izany.” Nampiany fa manantena i Rosia fa “hanaraka ny politikan'ny fiteny voalanjalanja mikendry ny fampandrosoana ny teny Kyrgyz sy ny fanohanana sy fampiroboroboana ny teny Rosiana i Kyrgyzstan.” Tsy nijanona teo ny fitsabahan'ny diplaomaty Rosiana.

Tamin'ny 24 Jolay, nanamarika ny Minisitry ny Raharahambahiny Rosiana, Sergei Lavrov fa nampitandrina ireo mpiara-miasa aminy Kyrgyz ny manampahefana Rosiana “fa tsy demaokratika loatra izany” rehefa niseho ny resaka voalohany tamin'ity lalàna ity. Ny hitany fa tsy demaokratika dia ny fitakiana ny mpiasam-panjakana sy ny sokajin'olom-pirenena hafa hahafantatra ny Kyrgyz. Nolavin'i Japarov haingana izany filazana izany, nilaza fa “toa tsy namaky ny lalàna” i Lavrov ary tsy “manavakavaka ny teny Rosiana” ny lalàna.

Marina ny voalazan'i Japarov tamin'ny fanombanany ny teny Rosiana voaaro amin'ny fanavakavahana ao Kyrgyzstan. Iray amin'ireo firenena vitsy manana lalàmpanorenana miantoka ny sata ofisialy Rosiana sy mamela ny fampiasana azy betsaka amin'ny fiainam-bahoaka sy ny rafi-panjakana— mariky ny fanjanahantany taloha sy ny lova Sovietika izy. Hatramin'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena tamin'ny taona 1991, taorian'ny firodanan'ny Firaisana Sovietika, niasa ho amin'ny fampandrosoana ny Kyrgyz ny firenena, namerina ny lazany, ary mandrisika ny fampiasana betsaka azy no sady mamela tanteraka ny teny Rosiana ho azoampiasaina.

Nanohintohina ny fivoarana sy ny lazan'ny Kyrgyz ny politikan'ny teny Sovietika tamin'ny namadihana azy ho fiteny “ambany” ampiasaina indrindra any an-tokantrano sy vako-drazana. Ho an'ny siansa, ny zavakanto, ny fitantanana ary ny haisoratra, nampiasa ny teny Rosiana “ambony” ireo sangany eo an-toerana. Tamin'ny taona 1989, tao amin'ny taona Perestroika, no nomena ny satan'ny tenim-pirenena ny Kyrgyz. Tamin'ny taona 1989, niteny Rosiana ny 80 isanjaton'ny mponina ao Kyrgyzstan; nihena ho 50 isanjato izany isa izany tamin’ny taona 2013. Hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, nanangana ny Vaomieram-pirenena momba ny Tenim-pirenena ny firenena ary nampihatra fandaharan'asa nasionaly telo ho fampandrosoana ny fiteny Kyrgyz.

Ampahany manan-danja amin'ny mariky nyfirenena ny fiteny Kyrgyz. Zava-dehibe amin'ny fahaveloman'ny vahoaka Kyrgyz amin'ny maha-vondrona foko misaraka azy sy Kyrgyzstan amin'ny maha-firenena azy. Ilaina ny fampandrosoana bebe kokoa azy mba hialana amin'ny fanjanahantany taloha teo amin'ny firenena, hankalaza ny lova ara-kolontsaina tsy manam-paharoa, ary hamerina azy amin'ny laoniny. Amin’io lafiny io, dia dingana iray mankany amin’ny tokony ho izy ny lalàna vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.