Tantara mikasika ny Haisoratra tamin'ny Mey, 2016
Mpanoratra Angoley Ondjaki Nahazo Voalohany Tamin'ny Lokan'ny Literatiora Tany Frantsa
Nahazo ny loka literatiora tany Frantsa, tamin'ny boky "Os transparentes" [Ny Mangarahara] nivoaka tamin'ny 2012 izay efa nahazo ny Lokan'ny mpanoratra literatiora José Saramago, herintaona taorian'ny namoahana azy (2013) ihany koa ny mpanoratra Angoley Ondjaki.
Tsy Iray Monja, Fa Roa Ny Fitetezam-paritra Natokan'i Però Ho An'ny Anaran'i Mario Vargas Llosa, Ilay Nahazo Ny Loka Nobel
Natokana ho an'i Vargas LIosa ireo fitetezam-paritra ao Miraflores sy Arequipa, izay ahitàna ny tantara "Resadresaka Tao Amin'ny Katedraly" sy "Nenitoa Julia" ary "Ilay Mpanoratra Tantara" ny asany.
Ny Fomba Nitazonana Ny Hiran-drazana Hmong Ho Velona Any Andrefan'i Amerika
Tany atsimon'i Shina sy Azia Atsimo-Atsinanana no niavian'ny Kwv txhiaj, ary efa an-jato taona maro niainana sy voatahiry ho velona tamin'ny alàlan'ireo mpihira azy. Iray amin'izy ireny ilay ao andrefan'i Etazonia.
Miteny “Gineana” Va ianao ? Na Ireo Teny 10 Voalohany Tsy Mitovy Dika Ao Ginea Sy Any An-kafa
Ilay bilaogera Gineana, Alimou Sow, nahazo ny loka 2013 avy amin'ny daholobe , tao anatin'ny sokajy Bilaogy Tsara indrindra amin'ny fiteny Frantsay tamin'ny 2013, ho an'ny bilaoginy Ma Guinée plurielle, no manolotra ao anatin'ny lahatsorany farany "Miteny "Gineana" Va ianao ? ireo teny sy fomba fiteny 10 voalohany amin'ny teny frantsay manaraka ny loko ao an-toerana, izay ireto ny sasantsasany aminy
Ahoana No Nahavitan'ny Mpampiana-Tena Iray Ho Mpandika Lahatsoratra Sanganasa Ara-Literatiora Iray Amin'ny Voambolana Iray Anatin'ny Fotoana Iray
Vao enintaona monja izay no nianaran'i Deborah Smith teny Koreana. Vao nahazo ny loka iraisampirenena Man Booker eo amin'ny tantara foronina ny dikandahatsoratry ny bokin'i Han Kang mitondra ny lohateny hoe "Ilay Vezetariana".
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ny Nanjavona
Mitondra anao any Ekoadaoro, Oganda, Bangladesh, Okraina ary Pakistan izahay.
Afaka Miteny Aymara i ‘Printsy Kelin’ i Saint-Exupéry Ankehitriny
Sambany ireo mpiteny Aymara no ho afaka hianoka amin'ny fitenin-dry zareo ilay bokin'i Antoine de Saint-Exupéry "Ilay Printsy Kely", tantaran'ny zazalahy kely iray feno misitery sy ny mpanamory iray
Arahaba Feno 50 Taona i Rana, Masud Rana, Ilay James Bond-n'i Bangladesh
Ho an'ny zanaky ny taompolo 90s [ao Bangladesh] tahaka ahy, dia tantara mandia laza izany Rana sy Kazi Anwar Hussain izany. Manana adidy aminy aho satria nampiseho izao tontolo izao tamiko tamin'ny alalan'ny boky izy ireo.