Tantara mikasika ny Haisoratra tamin'ny Oktobra, 2018
‘Manampy’ Amin'ny Fanavotana ny Fiteny Zanatany Andeana ireo Mpanoratra ao Amerika Latina
Ankehitriny, efa hita amin'ny teny Quechua (fiteny zanatany Andeana) ny asa soratr'ireo mpanoratra ao Amerika Latina, isan'izany i Mario Vargas Llosa sy Gabriel García Márquez, tamin'ny alàlan'ny hetsiky ny governemanta tao Cusco.
Venezoelà: Ilay Poeta Nankafy ireo Zavatra Tsotra teo amin'ny Fiainana
Niaina tanaty fahatsorana hatrany i Nazoa. Naneho ny hakanton'ny andavanandro sy ny fanahy mahatsikaiky misy ao anatin'ny Venezoeliana rehetra izy no sady niaro ny Zon'Olombelona nandritra ny taompolo 60 tao Venezoelà. Manome voninahitra ity poeta ity, izay nanana fitiavana miavaka ireo zavatra tsotra teo amin'ny fiainana, ireo bilaogera Venezoeliana.
Gonu no Lazan'i Koety !
(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.
Koety: Tsaroana i Shaikh Saad
Mbola mitomany ny fahafatesan' i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra azy teo aloha foana ireo Koetiana. Mitondra amintsika ny fanehoankevitr'ireo blaogera Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Holandy: Namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 taonany i Miep Gies, Vehivavy nanampy an'i Anne Frank
Araka ny tatitry ny BBC, namoy ny ainy teo amin'ny faha-100 atona i Miep Gies, ilay hany mpikambana sisa velona tao amin'ny tarika izay nanampy an'i Anne Frank sy ny fianakaviany Jiosy handositra ny fisamborana tao Holandy nandritra ny Ady Lehibe Faha-2.
Koety: Fitetezana, Fitsangatsanganana ary Maro Kokoa
Manohy mitoraka blaogy mikasika ny zavatra ataony foana ao anatiny sy ivelan'ny fireneny ireo blaogera Koetiana. Mampahafantatra antsika ny vaovao mikasika ny zavatra niainan'izy ireo i Abdullatif AlOmar.
Herinandro iray tao Koety
Sasantsasany amin'ireo lohahevitra mampiala voly ireo blaogera koetiana ny toetrandro tsy nampoizina, ny tolotra fifandrfaisandavitra ratsy kalitao ary ny hafainganan'ny fiakaran'ny tsenambola.
Manampy amin'ny fiarovana ny teny Bali ao Indonezia ity wiki ity

Manome rakibolana, tranom-boky miaraka amin'ny loharanom-baovao momba ny kolontsaina Balinezy, lalaon-teny, fitaovana fandikan-teny, ary endrika amin'ny teny Balinezy ao amin'ny pejy fandraisan'ny Google ny wiki. Azo ampiasaina amin'ny fampiharana Android ihany koa ny wiki.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.