Tantara mikasika ny Haisoratra tamin'ny Jolay, 2010
Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana
Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.
Afovoany Atsinanana: Veloma mandrakizay ry Saramago
Misaona sy mitomany ny fahafatesan'ilay mpanoratra Portiogey Jose Saramago ireo mpitoraka blaogy any Moyen-Orient. Apariak'i Tarek Amr ny fihetseham-pon'izy ireny.