Ho fahatsiarovana ny Andron'ny Nakba, namoaka ny fitantarana an-tsary nohavaoziny farany indrindra ny ekipan'ny ‘Visualizing Palestine’ (manomba-maso an'i Palestina) mitondra ny lohateny hoe “Famindra-monina mbola mitohy” izay “mametraka an'isa ny habe sy velaran'ny famindra-monina sy fahaverezan'ny tany Palestiniana.”
Ao amin'ny pejy Facebook no anoratan-dry zareo :
Ny 15 Mey no manamarika ny faha-65 taonan'ny Nakba – fotoana namindrana monina Palestiniana 750.000 hiala amin'ny sisintany izay lasa Isiraely. Tamin'ny 1948, mihoatra ny 50%n'ny Palestiniana manontolo no voadio ara-poko.
Ho fahatsiarovana ny Nakba, sy ny famindra-monina izay mitohy mandraka ankehitriny, dia mamoaka ny ‘Famindra-monina Mbola Mitohy’ izahay. Mametraka an-tsary ny sakany sy ny lavany ary ny halalin'ny famindra-monina sy ny fahaverezan'ny tany Palestiniana ity sary vaovao ity.
www.visualizingpalestine.org/disappearing-palestine
Ity sary manaraka ity ihany koa dia hita ao amin'ny tranonkalany (tsindrio raha te-hahita ny sary lehibe kokoa)
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...