Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden.
Mety hoe vao volana May izao fa maro ny zava-nitranga nandritra ny volana vitsivitsy tamin'ny tontolo Arabo. Taorian'ny vaovao omaly momba ny namonoan'ny Amerikana an'i Osama Bin Laden tany Pakistana, Saodiana atidoha nikotrika ny fampihorohoroana , mandinika ny taona nodiavina ireo mpandefa tweets.
Mananihany ilay Ejiptiana Wael Ghonim :
2011 dia taona ho voamarika anatin'ny tantara. Vao volana May izao dia efa mitranga daholo izao rehetra izao! #Tunisia #Egypt #Libya #Yemen #Syria and now #OBL
Hanan Yousef, avy any Ejipta ihany koa, dia miantso:
Mba ento mora ny fandeha re ry 2011 ah! Tsy afa-miaina intsony izahay
Manamarika Ibn Omar avy any Libia :
miaraka amin'ny fahafatesan'i BinLadin… taonan'ny #lohataona arabo ve ity sa ny #fahalavoan'ny devoly arabo?
Ary manampy i Ahmed Shihab-Eldin :
Mety hoe fahatsapàna ihany, fa tsapako fa rehefa hanao jery todika amin'ny 2011 dia ho taona niovàn'izao tontolo izao ny taona 2011. #Obama #Binladen #OBL
Farany nefa tsy kely indrindra, Ali Al Saeed, avy any Bahrain dia manamarika:
Tsy nitsahatra ny nitombo ny tranga nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Mankaiza izao tontolo izao? Indraindray toa anaty tafio-drivotra izany.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden.