Masedoanina: Làlana Vaovao Mety hanimba ny Lovan-kolontsaina
Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny lova ara-kolotsainan'ny firenena ny Lalàna vaovao ao Masedoniana. Vasilka Dimitrovska, mpanoratra ny bilaogy malaza Archaeological Diary, no nanohitra tamin'ny fametrahana lalàna ankamehana avy amin'ny hevitry ny matihanina iray:
Nanao ny Volavolan-dalàna momba ny “fikarakarana zavatra tsy niorina ara-dalàna”, fantatra amin'ny anarana hoe Lalàna ho fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna, izay hitondra ny paika farany amin'ny lova ara-kolontsaina ny any amin'ny Repoblika Masedoniana (RM). Fantatra tsara fa ny ankamaroan'ny toerana arkeôlôjika dia eny amin'ny faritra ambanivohitra, saingy misy maro ihany koa anefa eny amin'ny tontolo andrenivohitra – afovoan'ny tànandehibe. Ahitana tranobe namboarina tsy nahazoana alalana ihany koa ao amin'ny ankamaroan'ireny toerana ireny, izay manimba hatrany ny tànandehibe tranainy iorenany. Araka ny Archaeological Map an'ny RM ( laharana faha-2, navoakan'ny Akademia Masedoanina momba ny Siansa sy ny Zavakanto tamin'ny taona 1995), ao amin'ny faritany tokana ao amin'ny tànanan'i Skopje, nahitana toerana arkeolojika maherin'ny 150. Io faritra io dia misandrahaka amin'nytoerana fantatry ny be sy ny maro amin'ny fanorenana tsy ara-dalàna [tànana kely/ ambanivohitran'i] Volkovo, Zlokukjani, Pripor…
Ohatra, naka amin'ny tany 40 hektara izay mandrakotra ny sisa tavelan'ny tanàna romana taloha an'i Scupi ny tranomihaja an'ireo mpanakarena tsara indrindra ao Zlokukjani, namotika tanteraka ny tantaran'i Masedoniana sy izao tontolo izao .
Te-hanoratra lavalava kokoa aho sy hanolotra tahiry momba izany tranga izany, kanefa fandaniam-potoana tsy amin'ny antony izany. Raha hatao ho ara-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna manodidina sy ny anatin'ny faritry ny toerana arkeolojika, dia ho very ny ampahany lehibe amin'ny lova ara-kolotsaina Masedoniana. Tafiditra amin'izany ny sasany amin'ireo tànana fahagola lehibe indrindra, tahaka an'i, Heraclea, Lychnidos, sns. Nampiasana vola goavana ny fitantanana ny fikarohana arkeolojika, kanefa tsy nahavita namokatra na dia boky iray [izay ankasitrahan'ny fikambanana siantifika] na dia taorian'izay taona maro izay aza. Hanimba ny vokatr'ireo fampiasana vola tamin'ny arkeolojia io lalàna vaovao mikasika ny fampanarahan-dalàna ny fananganana tsy ara-dalàna io.

Vatom-pasana sy vatampaty romana an'i Scupi eo anoloan'ny Tranombakoka ao an-tanànan'i Skopje. Sary: Filip Stojanovski,
Amin'ny maha arkeology azy, Ramatoa Dimitrovska nanambara fa voatery hijery akaiky ny lova ara-kolontsaina izy, fa tsy mijery ny vanim-potoana ara-tantara momba ny fananganana trano. Ny voalohany tokony atao, araka ny heviny, dia ny amoahana indray sy hanatanterahana ny Lalàna maty momba ny Lova Ara-kolontsaina.
Mpamaky iray, Aleksandar, nilaza ny heviny :
Mazava ho azy fa tsy naka ny hevitry ny olona ireo izay nanoratra ny Lalàna – olana hatrizay fantatra tsara ao Masedoanina. Somary voafetra ny hevitry ny Kabinetra… Mampalahelo ny milaza izany, fa tsy miraharaha zavatra maro ny vahoaka izay miantraika mivantana eo amin'ny fiainany, araka izany, hijanona ho tsy mihetsika izy ireo amin'izany. Ary dia hiverina indray amin'ny olana mikasika ny fampianarana isika, sns., sns…
Vao haingana ny Global Voices no nitatitra ireo fitarainana nataon'ny bilaogera hafa, izay nanohitra ny fananganana tranom-panjakana vaovao amin'izay ho mety toerana arkeolojika ao afovoan'ny renivohitra Masedoaniana.
Amin'ny lalàna vaovao, ireo mponina ao amin'ny toerana izay misy ny fananganana tsy ara-dalàna dia nasaina handoa 1€/m² ho zon'ny fananan-tany mba haha-ara-dalàna azy ireo. Araka ny mahazatra, nanao fanentanana dokambarotra lafovidy ny governemanta mba hahatonga ny lalàna ho tiam-bahoaka, izay ahitana horonantsary alefan'ireo fahitalavitra mankasitraka ny fitondrana. Izany andrana mba hamenoana ny banga noho ny fandaniam-bolam-panjakana izany dia naseho ho toy ny fomban'ireo sokajin’ olona andrenivohitra sy ambanivohitra, izay nampiasa vola tamin'ny fananganana trano tsy nahazoana alalana na tsy nahazo ireo alalana rehetra ilaina, mba hahazo ny tena zo amin'ny fananan-tany amin'ny vidiny mora. Lalàna ilaina koa izany ho an'ireo Andriamborivory (potentat) izay nanorina trano fonenana amin'ny faritra voaaro, tahaka ny valan-javaboarim-pirenena (parcs nationaux) .

Vatom-pasana Vitalis, officier taloha tamin'ny mpitaingi-tsoavaly romana, naseho eo anoloan'ny Tranombakoka ao an-tanànan'i Skopje. Sary: Filip Stojanovski, CC-BY.
Mba hampitomboina ny tombotsoa ara-kolotsaina, indreto vaovao fanampiny momba ny toerana arkeolojika an'i Masedoanina voalaza ao amin'ny lahatsoratra, miaraka amin'ny lahatsoratra Wikipedia :
- Scupi no mpialoha làlana romana ny renivohitra ankehitriny Skopje. Toby miaramila naorina ny 168 talohan'i JC, nanjary tanàna mandroso izany, izay rava tamin'ny horohorontany tamin'ny 518 taorian'i JC. Nifindra tamin'ny kilometatra maromaro eny amin'ny renirano ny vahoaka ary nampiasa hazo kely taloha mba hanamboarana ny “tanana fahiny” ankehitriny, izany hoe mandan'i Kale, fampisehoana ny loza vao haingana. Sasany amin'ireo vatom-pasana an'ireo fasana no afaka jerena ao amin'ny ivon-toerana Skopje akaikin'ny Tranombakoka ao an-tanàna, kanefa ny toerana tena izy dia eo akaikin'ny làlana mankany Kosovo, mikatona ho an'ny mpitsidika.
- Heraclea Lyncestis dia eo akaikin'i Bitola, tanàna lehibe faharoa an'ny Repoblika Masedoanina. Namboarin'i Le Roi Phillip II de Macédoine tamin'ny taonjato fahaIV talohan'i JC, io “Toerana ‘Héraclès ao amin'ny tanànan'i Lynx” io dia mitondra foana ny sisa tavela romana sy byzantins, amin'izany ny mozaika malaza sy ny teatra. Taona maro izay, nandravaka ny làlana amin'ny sarisokitra maromaro romana amin'ny toerana ny governemanta.
- Lychnidos no anarana grika taloha Ohrid. Io faritra madio sy stratejika lehibe io dia nipetrahana tsy an-kijanona nandritra ny taona maromaro, ary koa fantatra tsara amin'ny hairafitrano (architecture), ny sy ikônina mbamin'ny tahiry voarakitra tamin'ny andro antenantenany sy ny vanim-potoanan'ny ottomane. Ny fikarohana vaovao tambanin'io tongoa (couche) io nandritra ny taompolo roa farany no nahitana ny Asakanton'ny (artefacts) andro fahagola, nahitana amphithéâtre iray, izay mbola ampiasaina hanaovana fampisehoana rindra-kira hatramin'izao; sy fasan'ny mpiady sy jeneraly Masedoniana fahiny (sarontava sy fitaovam-piadiana vita amin'ny volamena) ary fitaovana sarobidy fanaom-behivavy mihaja.
Hiresaka koa
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Fantaro i Andriamifidisoa Ny Haja Zo, hitantana ny kaonty Twitter...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
1 hevitra