Tantara mikasika ny Angola
Niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy ny mariazy mipoapoaka nataon'ny fianakavian'ny mpanao politika any Angola
Mariazin'i Lizandra Dias dos Santos, zanakavavin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ao Angola, sy i Fernando Coelho da Cruz, zanak'anadahin'ny vadin'ny filohan'ny repoblika no natao teto.
Sambany hiditra ao amin'ny NBA ny Angoley iray mpilalao basikety
Hanatevina laharana ny ekipa Philadelphia 76ers i Bruno Fernando, 21 taona.
Nofoanan'i Angola ny antso fitadiavan-tolotra iray rehefa nahiana ny fisian'ny kolikoly
Tamin'ny janoary 2018 no natsangana ny Telstar, manana renivola 550 euros, ary ahitana ny jeneraly Manuel João Carneiro (90%) sy ny mpandraharaha António Cardoso Mateus (10%) ho manana ny petrabola ao aminy
Niteraka hatezerana ho an'ny vahoaka ny filazan'ny filohan'i Angola tao anatin'ny antsafa fa tsy misy mosary ao amin'ny firenena
"Misy fanampiana ara-tsakafo any Angola ankehitriny, ary tsy misy afaka milaza fa misy hanoanana [goavana] any Angola fa resaka tsy fahampian-tsakafo no misy" hoy ny fanamarihan'ny filohan'i Angola.
Niteraka fihetsiketsehana teo amin'ireo Angoley ny fisondrotan'ny saran'ny fangatahana pasipaoro
Niakatra 97 dolara Amerikana ny saran'ny pasipaoro ao Angola raha 8 dolara Amerikana izany teo aloha.
Nipoitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Portiogaly taorian'ny nivoahan'ny lahatsary iray nampiseho ny herisetra nataon'ny polisy
Fanehoan-kevitra maro no hita tao amin'ny tambajotra sosialy, nanohana ny mpifindra monina ny sasany ary ny hafa indray nihevitra fa mety ny fomba nandaminan'ny polisy ny raharaha.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Ny fanarahamaso niomerika ao Angôla sy ireo firenena hafa afrikàna “tsy dia manao ahoana loatra”
Toa lasa nitafy fahalinana goavana ho an'ireo mpikaroka ny fahitàna any amin'ireo firenena lehibe ao Afrika ireny rindrambaiko ratsy fanahy sy teknolojia hafa "mora vidy" natao ho fanarahamaso ireny. Saingy ahoana ny amin'ireo firenena izay, raha jerena amin'ny fihevitr'ireo tandrefana, dia heverina ho "tsy dia manao ahoana loatra"?
‘Atsaharo ny famonoana anay vehivavy’ — fanentanana vaovao manohitra ny herisetra an-tokantrano ao Angola
Tena misy ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, tena misy tokoa. Tsy zavatra ao an-dohan'ireo mpiaro vehivavy izany, tsy zava-poronina na kabary tsy misy dikany: TENA MISY IZANY!
Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà
Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisaià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin'ireo faritanin'i Kasaï afovoany sy Kwango ao amin'ny Repoblika demokratika an'i Kongo