Nipoitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Portiogaly taorian'ny nivoahan'ny lahatsary iray nampiseho ny herisetra nataon'ny polisy

Praça do Comércio ao Lisbonne. Saripikan'i Vanusia Lombardi, nahazoana alalana.

Niteraka adihevitra nanerana ny firenena tao Portiogaly ny fanavakavaham-bolokoditra sy ny herisetran'ny polisy taorian'ny nanafihan'ny mpitandro ny filaminana ny mponina tao amin'ny faritry ny kely fidiram-bola ao an-drenivohitr'i  Lisbonne, tao Jamaica izay mainty hoditra sy mpifindra monina.ny ankamaroan'ny vondrom-piarahamonina ao aminy.

Araka ny Deutsche Welle Portiogey, nantsoina ho any amin'ny faritra ny polisy ny marainan'ny 20 Janoary taorian'ny fifandirana tao amin'ny fety fankalazana ny andro nahaterahan'ny olona iray.

Nampiseho ny mpitandro ny filaminana nikasi-tanana ireo olona ny lahatsary iray izay niparitaka be. Vehivavy roa no naratra, hoy ny tatitra nataon'ny Deutsche Welle.

Tao anatin'ny roa andro taoriana, manodidina ny olona an-jatony no nanao hetsi-panoherana manohitra ny herisetran'ny polisy sy ny fanavakavaham-bolokoditra tao amin'ny Arabe Liberdade, fihaonan-dalana lehibe iray any Lisbonne. Olona efatra no nosamborina ny andro faharoa taorian'ny fifandonana tamin'ny polisy, hoy ny tatitry ny RTP Portugal sy ny Fahitalavitra SIC .

Fanehoan-kevitra maro no hita tao amin'ny tambajotra sosialy, nanohana ny mpifindra monina ny sasany ary ny hafa indray nihevitra fa mety ny fomba nandaminan'ny polisy ny raharaha.

Tao amin'ny lahatsary niparitaka be izay nampiseho ny fihetsiketsehana tamin'ny 22 Janoary dia nisy vehivavy iray nidera ny polisy ary nanompa ny foko vitsy an'isa monina ao Portiogaly. Nisy fotoana izy niteny hoe: “Ny volonkoditra izay tsy mitovy amintsika Portiogey fotsy hoditra dia tsy maintsy miafara amin'ny fanakorontanana ny firenentsika foana .”

Raha naneho hevitra tamin'ity lahatsary ity dia nilaza i Edgar Barroso avy any Mozambika hoe:

Eu vivi em Portugal por 2 anos. Nunca havia testemunhado tanta barbaridade junta num video de uma duzia de minutos. Que vergonha!

Nipetraka tany Portiogaly nandritra ny 2 taona aho. Tsy mbola nahita olona ambany fisainana toy izany aho tao anatina lahatsary izay zara raha folo minitra. Mahamenatra!

Nilaza i Boa Monjane, Mozambikana mpianatra any Portiogaly fa mampiseho ny fanavakavaham-bolonkoditra izay tena lalim-paka ny fihetsiky ny polisy:

Não é que tivesse muitas dúvidas. Mas os últimos episódios em Portugal fazem transparecer ainda mais o racismo que caracteriza esta sociedade. Devo começar a valorizar mais os amigos que penso que não são racistas.

Not that I had a lot of doubts. But the latest episodes in Portugal make the racism that characterizes this society really come out. I should start to value those of my friends who I believe aren't racist.

Tsy hoe nanana fisalasalana be loatra aho. Saingy ity zava-nitranga farany tao Portiogaly ity dia nampiseho ny fanavakavaham-bolokoditra izay mamaritra ity vondrom-piarahamonina ity. Tokony hanomboko hanome lanja ireo namako izay inoako fa tsy manavakava-bolonkoditra aho.

Namoaka fanambarana izay milaza fa manara-maso ny raharaha ny Masoivoho Angoley any Lisbonne.

Namoaka lahatsary tao amin'ny Instagram manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra i Sílvio Nascimento, mpilalao sarimihetsika Angoley sady mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra any Portiogaly.

Ao anatin'ny fomba fijery hafa, nanontany ireo mponina any Jamaika izay mitaraina momba ny fanavakavaham-bolonkoditra i Lazáro Mabunda, mpiseran'ny tambajotra sosialy, avy any Mozambika:

Estou a acompanhar o que está a acontecer no Bairro de Jamaica, em Lisboa, em Portugal. Os manifestantes, população Preta, alega discriminação. Bem, eu tenho uma visão diferente, não em relação a discriminação, mas em relação a reivindicação. Se és discriminado numa terra que não te pertence deves tomar duas opções: 1) regressar à tua terra e 2) ignorar a discriminação e continuar a viver na terra deles. Muitos africanos fogem dos seus tiranos para o ocidente, onde as liberdades são respeitadas.

Manara-maso ny zava-mitranga any amin'ny manodidina an'i Jamaika, any Lisbonne, Portiogaly aho. Mitaraina momba ny fanavakavaham-bolonkoditra ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny vahoaka mainty hoditra. Kanefa hafa kosa ny fomba fijeriko izay tsy misy ifandraisany amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra, fa mifandraika amin'ny fitakiana. Raha toa ka iharan'ny fanavakavaham-bolonkoditra ianao any amin'ny firenena izay tsy anao dia manana safidy roa ianao: 1) na miverina any amin'ny firenenao na 2) tsy miraharaha ny fanavakavaham-bolonkoditra ary manohy ny fipetrahanao ao amin'ilay firenena. Afrikana maro no mandositra ny mpitondran'izy ireo mpanao didy jadona ary mankany amin'ny Tandrefana, izay ahitana ny fanajana ny fahalalahana.

Nilaza i Rubbem, mpikatroka sady mpandraharaha monina ao Luanda fa maro ireo Angoley no mifindra monina any Portiogaly noho ny tsy fahampian'ny varavarana misokatra any amin'ny fireneny:

racismo nunca vai acabar, os português maior parte deles detestam pretos e Nunca foram bem aceites. Prova do que falo, são os empregos onde os mesmos se encontram. [Por isso] muitos preferem imigrar e ser olhados como cães, do que cá sofrer.

Tsy hitsahatra mihitsy ny fanavakavaham-bolokoditra, tsy tia ny mainty hoditra ny vahoaka Portiogey, tsy nekena mihitsy izy ireo. Vavolombelon'izay nolazaiko ny karazana asa ataon'izy ireo. [Izany no mahatonga] ny olona maro nisafidy ny hifindra monina ary nisafidy atao ho toy ny alika, toy izay hijaly eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.