Niteraka fihetsiketsehana teo amin'ireo Angoley ny fisondrotan'ny saran'ny fangatahana pasipaoro

Tamin'ny fihetsiketsehana tao Luanda, hoy ny vakin'ny afisy “be loatra ny 30.500 Kwanzas”. Saripikan'i Fernando Gomes, nahazoana alalana.

Tezitra noho ny vidin'ny pasipaoro vaovao 30.500 kwanzas (manodidina ny 97 dolara Amerikana) nampidirin'ny governemanta  tamin'ny 21 Janoary ny Angoley. 2500 kwanzas (8 dolara amerikana) ny vidin'ny pasipaoro talohan'io.

Ankoatra izay, nametraka sarany vaovao ho an'ireo karazana fitsidihana (dia) rehetra ny governemanta. Milaza izy fa hampandoavin'ny manampahefana  45.250 kwanzas amin'ny (visa) fahazoan-dalana hijanona; 21.350 amin'ny visa mpizaha-tany; 36.500 amin'ny visa fizahan-tany nomena tany amin'ny sisintany; 38.125 amin'ny fanitarana ny visa _n'ny asa; 15.250 amin'ny visa ara-pitsaboana; ary 30.500 amin'ny karatra fonenana maharitra.

Nilaza tamin'i Angola Press i Valdemar José, mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Atitany fa rariny ny fisondrotan'ny vidin'ny pasipaoro tsotra noho ny fisondrotam-bidin'ny famokarana antontan-taratasy:

(…) O governo ajustou o valor real do passaporte e deixou de subvencioná-lo, dando, por exemplo, prioridade à questão da água, luz e dos produtos de primeira necessidade. As cédulas para a emissão dos passaportes têm um custo elevado, por causa dos elementos de segurança usados nos documentos e, que até então o Estado subvencionava os custos do mesmo.

(…) Novain'ny governemanta ny tena vidin'ny pasipaoro ary najanona ny fanampiana ara-bola amin'izany, nanome ohatra fa laharam-pahamehana kokoa ny olana momba ny rano, ny hazavana ary ireo akora fototra. Lafobe ny vidin'ireo fitaovana famokarana pasipaoro, noho ny fepetra fiarovana ao amin'ny antontan-taratasy, izay ny fanjakana hatramin'izay no nanome fanampiana ara-bola.

Mampahatsiahy ny zavatra niainan'ny Mozambikana tamin'ny faramparan'ny taona 2018 izany, raha nanapa-kevitra ny hampitombo 500 isanjato ny saran'ireo antontan-taratasy ara-pitsarana, ary koa ny fahazoan-dàlana mitondra fiara ny governemanta.

Niteraka adihevitra ilay fiakaram-bidy. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'ny tanora 100 teo ho eo tamin'ny 4 Febroary, ary nankalazain'ny vondron'olom-pirenena iray izay nahita ny fepetran'ny governemanta ho toy ny ezaka mazava hamerana ny zon'ny vahoaka tsy hivezivezy.

Ny Fihetsiketsehana

Fihetsiketsehana ao Luanda (4 Febroary). Sary avy amin'i Simão Rossi, nahazoana alalana. Protest in Luanda (4 February). Photo by Simão Rossi, used with permission.

Tamin'ny 4 Febroary, niresaka tamin'i Fernando Gomes, mpikatroka Angoley sy iray amin'ireo mpanentana ny fihetsiketsehana ny Global Voices mba hahafantatra bebe kokoa ny antsipirihany momba ny hetsika. Hoy izy taminay:

Essa forma encontrada para apelar a sensibilidade do executivo de João Lourenço, que esta não é a melhor fase para o aumento do preço, pois os cidadãos perderam o poder de compra de forma exponencial. (…) E que a tão aludida diversificação da economia angolana não pode passar exclusivamente pela elevação dos impostos direitos, visto que estes incidem apenas aos cidadãos, a classe política têm vários privilégios, que são custeados pelo cidadão de si já empobrecido”.

Ity [no] lalana hita mba hisarihana ny sain'ny  governemanta João Lourenço fa tsy fotoana hanondrona vidin-javatra izao, satria efa mihena aoka izany ny fahefa-mividin'ny olom-pirenena. (…) Ary tsy afaka hitranga fotsiny amin'ny alalan'ny fampiakarana ny hetra mivantana ny filazana ho “fanamaroana ny toekarena Angoley”, satria ny olom-pirenena ihany no tena voakasik'izany, fa ireo ao amin'ny saranga politika kosa manana tombontsoa isan-karazany, izay naloàn'ireo olom-pirenena efa nampahantraina.

Milaza ireo mpitsikera fa zava-dehibe ny mahatsiaro fa antontan-taratasy mombamomba ny olom-pirenena any ivelany ny pasipaoro, ka noho izany, ,  tena ilain'ny olom-pirenena marobe.

Vamos ficar todo mês de Fevereiro nas ruas da cidade capital, de forma intercalada, dia 4 de Fevereiro foi o arranque das manifestações, mas dia 7 voltaremos às ruas, e novamente estaremos no dia 11 e dia 13 faremos uma reunião de balanço, caso não haja recuo do executivo na aplicação do decreto presidencial.

Hidina ao an-dalamben'ny renivohitra izahay mandritra ny volana febroary, amin'ny andro mielanelana, ny 4 febroary no fiandohan'ny fihetsiketsehana, ary hiverina eny an-dalambe indray ny 7 febroary, ary ho tonga eny indray ny 11 ary hanao fivoriana tombatombana izahay ny 13 febroary raha tsy manafoana ny fampiharana ilay didim-panjakana ny governemanta.

Nanao hira sy lahatsary momba ity hetsi-panoherana ity ireo tanora roa mpiangaly rap,  Lilo Kwanza sy Adérito Gonçalves, izay mitondra ny lohateny hoe “Pasipaoro amin'ny vidiny 3 alina”, maneho hevitra am-piesoesoana amin'ny saran'ny antontan-taratasy ho an'ny olom-pirenena.

Andro vitsy talohan'ny fihetsiketsehana, nilaza ilay mpikatroka Angoley Pedrowski Teca fa ny pasipaoro no manan-danja kokoa noho ny kara-panondro, ka mangataka ny olona mba handray anjara amin'ny hetsika:

Manifestação Internacional contra a subida absurda do preço dos Actos Migratórios.

OBS: O Bilhete de Identidade (B.I) só identifica o angolano dentro do território nacional. Fora de Angola, o B.I é inútil, pois o único documento de identificação válido é o passaporte.

Nós, dentro do país, vamos protestar e incentivamos os nossos compatriotas na diáspora a seguirem o mesmo caminho, pois o passaporte é mais útil para eles.

Fihetsiketsana iraisam-pirenena manohitra ny fiakaram-bidy tsy amin'ny antony ao amin'ny Lalàna mifehy ny Fifindramonina.

OBS: Ahafantarana ny Angoley ao anatin'ny firenena misy azy ihany ny kara-panondro (B.I). Rehefa ivelan'i Angola, dia tsy misy ilàna azy ny kara-panondro, fa ny pasipaoro ihany no antontan-taratasy famantarana ekena.

Isika, ao anatin'ny firenena, dia hiaro sy hiantso ireo mpiray tanindrazana amintsika any am-pielezana mba hanara-dia antsika, satria ny pasipaoro no tena ilain'izy ireo kokoa.

Mba hanamafisana ny hafatra, nanoratra hafatra ho an'ny filoha Angoley João Lourenço tamin'ny andron'ny fihetsiketsehana ilay mpikatroka sady mpianatry ny oniversite, David Mendes:

Camarada presidente João Lourenço não foi pra isso que o povo angolano votou para o senhor em momento algum nas suas campanhas o senhor falou sobre a mudança de preços acerca dos documentos afinal de contas o quê que o senhor está pensar?

Onde é que fica a voz do povo? Já temos uma vida miserável com estás subidas de preçário o senhor tem noção da dificuldade que estás a criar neste povo? Sinceramente já não sabemos quem é o homem certo para governar a nossa Angola como é que fica o jovem que não tem um emprego de onde ele vai tirar o dinheiro para tratar os documentos?

Ry filoha namana João Lourenço, tsy noho izany no nifidianan'ny vahoaka Angoley anao, tsy nisy fotoana tamin'ny fampielezan-kevitrao nilazanao momba ny fiovan'ny saran'ny antontan-taratasy, na izany na tsy izany, inona no eritreretinao?

Aiza ny feon'ny vahoaka? Efa mafy ny fiainanay noho ireo fiakaram-bidim-piainana, mba manana hevitra momba ny olana aterakao amin'ny vahoaka ve ianao? Tsy fantatray marina hoe iza no lehilahy hitantana an'i Angola, ahoana no ahafahan'ny tanora tsy manana asa hitady vola hahazoany ireo antontan-taratasy?

Hatramin'izao, dia tsy mbola naneho hevitra ampahibemaso ny governemanta, na nanambara raha handinika ny fampihenana ny saran'ny pasipaorony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.