Sambany hiditra ao amin'ny NBA ny Angoley iray mpilalao basikety

Captura de tela YouTube Bruno Fernando [A bola TV]

Pikasary YouTube avy tamin'i Bruno Fernando, A Bola TV/Youtube

Bruno Fernando, ilay Angoley 21 taona mpilalao basikety no voalohany indrindra avy tao amin'ny fireneny hanatevin-daharana ny ekipa NBA iray, ligy mpilalao basikety matihanina ao Etazonia.

Ny marainan'ny 20 Jona, voafidy ho amin'ny toerana faha-34 amin'ireo Philadelphia 76ers ilay mpilalao tamin'ny alalan'ilay rafitra fisafidianana mpilalao antsoina hoe “vakiraoka” any Etazonia.

Araka ny gazetim-panatanjahantena Portiogey “A Bola” (Ny Baolina), nanomboka nilalao basikety tao amin'ny klioba Angoley, Primeiro de Agosto, i Bruno Fernando ary avy eo nisidina nankany Etazonia tamin'ny faha-16 taonany.

Teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2019 no nahazoany ny fahombiazany tena ambony indrindra, tamin'ny nilalaovany ho an'ny Oniversiten'i Maryland rehefa azony ny isa 13.6, fievotra (rebonds) 10.6, ary sakana 1.9.

Araka ny gazety Portiogey Diário de Notícias, ny basikety kely no nanombohan'i Bruno ary avy eo nikisaka tany amin'ny ekipan'ny vao manomboka, taty aoriana tany amin'ny salantsalany, tanora ary tany amin'ny ekipan'ny zandry, samy niaraka tamin'ny klioba Primeiro de Agosto tany Loandà  avokoa izany rehetra ireny.

Tao amin'ny tranonkalan'ny NBA Afrika aloha no nivoahan'ilay fanambarana ofisialy, ary avy eo narahin'ny fizaràna sy fampisehoana fireharehana maro tao an-tambajotra noho ny fankatoavana an'i Bruno Fernando:

Miditra ao anatin'ny tantara toy ny mpilalao Angoley voalohany indrindra tafiditra tao anatin'ny NBA i Bruno Fernando ! #NBADrafthttps://t.co/I3tRipxcU4 pic.twitter.com/WP6hBQtXuZ

Tao anatin'ny tafatafa an-gazety niarahany tamin'ny “A Bola”, nilaza i Bruno Fernando hoe “Midika zavatra be ho ahy ity fotoana ity ary manantena aho fa ankehitriny dia mivoha ho an'ny Angoley maro ny varavarana”. Eto ambany ilay lahatsarin'ny tafatafa:

Tao amin'ny Twitter, naneho ny fisaorany tamin'ity teny ity ilay mpilalao

Nilaza i Nsoki, ilay Angoley malaza amin'ny fiangaliana mozika Kizomba (karazana hira)  ao Angola, fa mariky ny fireharehana ho an'ireo Angoley izany fahombiazana izany, fa ambonin'ny zavatra rehetra kosa, andraikitra lehibe ho an'ilay mpilalao:

“Tsy misy na inona na inona afaka mandresy izay nosafidian'Andriamanitra handresy…” Ny reharehanay, ny mahery fonay @BrunoFernandoMV . Ny Angoley voalohany indrindra ao amin'ny NBA, hitondra firenena iray manontolo, andraikitra ary herimpo lehibe toy izany. Tena mirehareha izahay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.