Tantara mikasika ny Angola tamin'ny Desambra, 2019
Noafahan'ny fitsarana angoley ilay mpanora-gazety Rafael Marques
Navotsotry ny fitsarana taorian'ny fifanarahana nataony tamin'ireo mpitory ilay Angoley mpanora-gazety sady mpikatroka Rafael Marques izay voampanga ho nanao fanalam-baraka.
Luanda, renivohitr'i Angola, ilay tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany ho an'ny mpila ravinahitra
En dépit de la pauvreté et des infrastructures déplorables, Luanda continue à être classée comme la ville la plus chère au monde. Mbola voasokajy ho toy ny tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany i Luanda na dia eo aza ny fahantrana sy ny fotodrafitrasa mampahonena.
Mozambika: Mostra fahatelo amin'ny sarimihetsika Afrikana, nasongadina ny sarimihetsika Angoley
Natao ny 13 Aprily ka hatramin'ny 10 May 2015 tany Mozambika tao an-tanàdehiben'i Maputo, Inhambane sy Nampula ny andiany fahatelo amin'ny Herinandron'ny Sarimihetsika Afrikanina.
Rafael Marques voasazy higadra enim-bolana an-tranomaizina tany Angola
Taorian'ny nahavitana ny fifanarahana izay nanala azy tamin'ny fiampangana rehetra dia nosazian'ny fitsaram-paritra any Luanda higadra enim-bolana i Rafael Marques taorian'ny fampiakarana napetraky ny mpampanoa lalàna.
Mikasa hampiditra am-ponja an'ilay mpanao gazety Rafael Marques ny Fampanoavana
Nanasokajy ny toe-draharaha ho toy ny “fandrika” i Rafael Marques. Nikasa ny hanagadra ity mpanao gazety ity an-tranomaizina mandritra ny 30 andro ny mpampanoa lalàna Angoley. Tsy faly tamin'ny fitsimbadihan'ny raharaha ilay mpanao gazety.
Mbola tsy nahazo fahafahana ireo mpikatroka Angoley, haharitra hafiriana ny nofy ratsy ?
Ny hitanana ireo mpikatroka miisa 15 any amin'ny toerana ambenana no fanapaha-kevitra farany noraisin'ny Fitsaram-paritra ao Luanda. Mbola mandeha ny fitsarana nanomboka ny volana Novambra 2015 saingy efa hatramin'ny volana Jona tamin'io taona io ihany no efa nisamborana ireo tanora ireo. Haharitra hafiriana izany ?