Luanda, renivohitr'i Angola, ilay tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany ho an'ny mpila ravinahitra

(Lahatsoratra nivoaka voalohany tamin'ny 2015)

Luanda, Angola. 4th December 2012 -- The slums surrounding the Quatro de Fevereiro airport in Luanda. -- You can't find a decent hotel room in Luanda for less than $400/night. A basic lunch in a decent restaurant (Just one course meal and a bottle of still water) will cost you about $75. The poor are finding harder and harder to manage to survive here.

Luanda, Favelas akaikin'ny seranam-piaramanidina Quatro de Fevereiro Sary: Ionut Sendroiu/Demotix

Mbola noheverina indray ho toy ny tanàna lafo fiainana indrindra i Luanda araka ny bilaogy Mozambikana “Macua Blog”:

Luanda est pour la troisième année consécutive la ville la plus chère du monde pour les expatriés, c'est le résultat d'une  enquête sur le coût de la vie réalisée par l'agence Mercer le 17 juin et diffusée à New York.

Cette étude analyse la situation de 207 villes sur cinq continents au regard de plus de 200 articles incluant le logement, le transport, l'alimentation, les vêtements, les meubles, les loisirs… Les villes les plus chères du monde sont : Luanda, hong Kong, Zurich, Singapour, Genève, Changhaï, Pékin, Séoul, Berne et N'Djaména.

A  Luanda, un appartement avec deux chambres offre un revenu mensuel moyen de  6800 dollars et s'il a trois chambres, de 15800 dollars, valeurs que l'on peut comparer avec les 6576 et 11 863 dollars de Hong Kong et les 3963 et 5892 dollars, de Zurich.

Telo taona misesy izao i Luanda no tanàndehibe lafo zavatra indrindra manerantany ho an'ny mpila ravinahitra, izany no vokatry ny fanadihadiana natao momba ny vidim-piainana nataon'ny orinasa Mercer tamin'ny 17 Jona 2015 ary naely tany New York.

Nandinihana ny zava-misy tamin'ny tanàndehibe miisa 207 amin'ny kaontinanta miisa dimy mikasika ny lohahevitra miisa 200 mahery ao anatin'izany ny trano, fitaterana, sakafo, akanjo, fanaka ary fialam-boly … ity fanadihadiana ity. Ireto ny tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany tamin'izany: Luanda, Hong Kong, Zurich, Singapaoro, Genève, Shanghai, Beijing, Séoul, Bern ary N'Djamena.

Any Luanda, 6.800 dolara isam-bolana eo ho eo ny hofan'ny trano iray misy efitrano roa, ary raha misy efitra fatoriana telo izany dia 15.800 dolara, izay azo ampitahaina amin'ny 6.576 sy 11.863 dolara raha any Hong Kong sy 3.963 ary 5.892. dolara raha any Zurich.

Ity tanàndehibe ity no renivohitr'i Angola, firenena afrikanina iray ao amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny kaontinanta afrikanina, mpikambana ao amin'ny vondron'ireo firenena miteny Paortiogey (CPLP). Ny paortiogey no fiteny ofisialy, saingy misy fiteny samihafa ampiasaina eo an-toerana.

Tao anatin'ity fandalinana ity no nahitana ihany koa ny momba an'i Paortiogaly izay misy ny tanànan'i Lisbon amin'izao fotoana izao any amin'ny laharana faha 145, nidina toerana 51 tamin'ny fisokajiana ireo tanàndehibe lafo vidim-piainana indrindra ho an'ny mpila ravinahitra raha oharina tamin'ny taona 2014.

Namoaka ity vaovao ity tao amin'ny Facebook ny Voice of America amin'ny fiteny Paortiogey (VOA) . Mpisera aterineto marobe no nanasongadina ireo tena olana eo amin'ity tanàndehibe ity. Hoy i André Kennedy :

Et dans les dix villes les pluq chères, Luanda est la plus sale, la ville qui a le plus de rues défoncées, aucune zone pour les loisirs, etc, c'est triste pour les angolais.

Ary ao amin'ireo tanàndehibe miisa folo lafo vidim-piainana indrindra dia i Luanda no tena voretra indrindra, tanàna betsaka arabe feno lavadavaka indrindra , tsy misy toerana fialam-boly, sns, mampalahelo ny Angoley.

Nitantara kosa i Garcia Miguel Bondo:

Oui, nous sommes vraiment particuliers car nous n'avons même pas le minimum basique à Luanda. Nous déplaçons les ordures jour et nuit et l'odeur est insupportable dans la basse ville car l'électricité et l'alimentation en eau y est intermittente, et partout, le jour ou la nuit on entend tourner les moteurs des groupes électrogènes, quelle tristesse !” Avec les grandes ressources naturelles et humaines que ce pays possède c'est une situation totalement injustifiée, un peu de sincérité, pas d'hypocrisie, l'Angola n'est même pas un pays du tiers monde mais bien du quart monde et plus, on y trouve de la misère du nord au sud, jusqu'aux étrangers qui s'en rendent compte, c'est le luxe dans la misère.

Eny, tena miavaka tokoa isika satria tsy manana akory ny kely indrindra ilaina ao Luanda. Mitatitra fako andro aman'alina isika ary tsy zaka ny fofona any ambany tanàna satria tapatapaka ny jiro sy rano ary re hatraiza hatraiza , na andro na alina ny milin'ny gropy mpamokatra herinaratra, mampalahelo ! ”Amin'ireo harena voajanahary sy ny olona izay ananan'ity firenena ity dia tena tsy fantatra marina ny toe-javatra misy, tokony mitsotra fa tsy mihatsaravelatsihy, tsy firenena andalam-pandrosoana akory anefa i Angola fa ilay tena mahantra indrindra manerantany na mihoatra izany mihitsy aza ary tsy vitan'izany fa tsikaritra ny fahantrana avy any avaratra ka hatrany atsimo, eny fa mahatsikaritra izany na dia ireo vahiny aza fa ao anatin'ny haitraitra ny fahantrana .

Aiza ireo tanàndehibe toa an'i Milan, Paris, Londra, São Paulo, Beijing, New York, sns?

Mampitaha ny harena sy ny fahantrana i Kavula Maka Capita Gaspar :

Luanda est la ville la plus chère du monde dont les habitants sont les plus pauvres du monde.

Luanda no tanàndehibe lafo fiainana indrindra eto amin'izao tontolo izao miaraka amin'ny vahoaka mahantra indrindra manerantany.

Nanasongadina ity fanamarihana ity ihany koa tao amin'ny Twitter ny vavahadin-tserasera “Brasil-África” :

Luanda est la ville la plus chère du monde pour les étrangers selon l'agence d'informations Mercer”: http://t.co/SJ5MM93gCV

— Portal BrazilAfrica (@_BrazilAfrica) 17 juin  2015

Luanda no tanàndehibe lafo vidim-piainana indrindra eran-tany ho an'ny vahiny araka ny filazan'ny masoivohom-baovao Mercer ”:

Naorin'ilay mpikaroka tany vaovao Paortiogey Paulo Dias de Novais, teo ambanin'ny anarana São Paulo da Assunção de Loanda  tamin'ny 25 Janoary 1576 i Luanda. Misy mponina manodidina ny 8,3 tapitrisa ity tanàndehibe ity, ka izy no tanàndehibe fahatelo miteny Paortiogey manerantany aorian'ny São Paulo sy Rio de Janeiro ao Brezila. Na izany aza, Luanda no renivohitra miteny Portiogey manerantany midadasika sy be mponina indrindra ary manaraka azy i Maputo, Brasilia ary Lisbon.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.