Mikasa hampiditra am-ponja an'ilay mpanao gazety Rafael Marques ny Fampanoavana

(Lahatsoratra tamin'ny mey 2015)

Jornalista Rafael Marques no Tribunal Provincial de Luanda. Foto: MakaAngola

Ilay mpanao gazety Rafael Marques tao amin'ny Fitsaram-paritany ao Luanda. Sary: MakaAngola

Rehefa fantatra ny fifanarahana tamin'ny fanafahana madiodio an'i Rafael Marques tamin'ny fanendrikendrehana azy ho nanao fanalam-baraka ireo Jeneraly Angoley dia mbola nitohy ny fahagagana nataon'ny ny fitsarana tao amin'io firenena io tamin'ny fanapahan-kevitry ny Mpampanoa Lalàna izay mangataka ny fitazonana am-ponja ireo mpanao gazety mandritra ny 30 andro indray, araka ny tatitra nataon'ny DW-Afrika :

Em Angola, o Ministério Público pediu 30 dias de prisão para Rafael Marques. A posição foi anunciada no dia em que foram proferidas, em Luanda, as alegações finais do julgamento que opõe o jornalista angolano a sete generais e duas empresas diamantíferas. Marques fala numa “cilada”.

A sentença deste caso deverá ser lida na quinta-feira (28.05), no Tribunal Provincial de Luanda.

Nangataka 30 andro an-tranomaizina ho an'i Rafael Marques ny mpampanoa lalàna tany Angola. Nambara tamin'ny andro fitsarana farany izay natrehan'ilay mpanao gazety Angoley niaraka tamin'ireo jeneraly miisa fito sy ny orinasan'ny diamondra roa tao Luanda ilay fanapahan-kevitra. Nanonona filazana fandrika i Marques.

Novakiana ny Alakamisy 28 May tao amin'ny Fitsaram-paritany tao Luanda ny didim-pitsarana tamin'ity raharaha ity.

Mino i Rafael Marques fa nofitahan'ny fitsarana ary tratran'ny “fandrika” izy:

“Fandrika no nisy. Fandrika no niseho”, hoy i Rafael Marques

Nanamafy ity vaovao ity ihany koa  ny Fahitalavi-panjakana Paortiogey (RTP):

(…) Cilada
De acordo com o advogado do arguido, David Mendes, os generais queixosos acederam então que não havia motivos para continuar com o processo de difamação e deixaram cair o pedido de indemnização.
O ativista prescindiu assim de apresentar as testemunhas e provas da sua defesa. No entanto, numa reviravolta, que Rafael Marques classificou de “cilada”, o Ministério Público angolano acabaria por pedir ao tribunal 30 dias de prisão. “É uma cilada. O que houve foi uma cilada. E o Estado angolano há de conhecer-me de uma forma muito mais dura”, prometeu Rafael Marques (…)

Araka ny filazan'ny mpisolovava an'ilay voampanga, David Mendes, nanaiky ireo jeneraly izay nitory fa tsy misy antony tokony hanohizana ny dingana amin'ny fitoriana ny fanalam-baraka ary nanala ny fitoriana izy ireo.
Tsy nanolotra vavolombelona sy porofo tamin'ny fiarovana azy noho izany ilay mpikatroka. Nivadika anefa ny zava-niseho izay nantsoin'i Rafael Marques ho “fandrika” satria nangataka 30 andro an-tranomaizina tamin'ny fitsarana ny mpampanoa lalàna Angoley. “Fandrika no nisy. Fandrika no niseho. Ary hahafantatra ahy amin'ny fomba henjana kokoa ny fanjakana Angoley”, hoy i Rafael Marques (…)

Niverina tany amin'ny Fitsaram-paritany tany Luanda mba hamantatra ny didim-pitsarana navoaka ny Alakamisy 28 Mey i Marques raha nihevitra fa “ho afahan'ny fitsarana” izy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.