Mozambika: Mostra fahatelo amin'ny sarimihetsika Afrikana, nasongadina ny sarimihetsika Angoley 

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Aprily 2015)

Reprodução autorizada

Nahazoana alàlana

Natao ny 13 Aprily ka hatramin'ny 10 May 2015 tany Mozambika tao an-tanàdehiben'i Maputo, Inhambane ary Nampula ny andiany fahatelo amin'ny Herinandron'ny Sarimihetsika Afrikanina. Nampiasaina tao amin'ny tambajotra sosialy ireto tenirohy manaraka ireto: ‪#‎CCBM, #Mozambique , #‎Moçambique.

Kinendrin'ny lanonana ny hanangana fifanakalozana traikefa avy amin'ny fandraisana anjara maromaro amin'ny fetibe sy Mostra-n'ny sarimihetsika manerana an'izao tontolo izao, amin'ny mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika Mozambikana vitsivitsy. Nitarika izao famoronana hetsika izao ny tsy fisian'ny toerana ahafahana mijery ireo famokarana ireo any Mozambika ary hikendrena hampiroborobo sy hamakafaka ny famokarana sarimihetsika aty amin'ny kaontinanta afrikanina.

Ho an'ity andiany fahatelo ity dia nomem-boninahitra niaraka tamin'ny O Grande Kilapy i Angola, sarimihetsika fanokafana ny fetibe izay notontosain'ilay Angoley Zezé Gamboa:

Le Grand Kilapy, c'est l'histoire d'un filou angolais bienveillant à la fin de la période coloniale (dans les années 1960 à 1970),  librement inspirée de faits réels. Joãozinho (Petit Jean), un escroc doué d'un sens profond de l'amitié, bon vivant, une personne simple qui conjugue en elle des envies de “paraître” et une indifférence aux contingences de la vie dans une colonie portugaise de cette époque : couleur de la peau et préjugés sociaux. Du fait des circonstances, Joãozinho finit pas devenir un personnage gênant et politiquement subversif aux yeux du régime colonial Portugais.

Tantaran'ny Angoley iray havanana amin'ny fisolokiana tsara fanahy tany amin'ny faran'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany (tamin'ny taompolo 1960 ka hatramin'ny 1970) tany ny O Grande Kilapy, nalaina avy amin'ny zava-nisy marina. Mpisoloky tia namana, tia fahafinaretana, olona tsotra tia “sehoseho” ary tsy miraharaha ny fiovaovana tampoka amin'ny fiainana nandritra ny fanjanahantany paortiogey tamin'izany fotoana izany toy ny volon-koditra sy ny hevi-draikitra ara-piarahamonina i Joãozinho (Jaona kely). Noho ny toe-java-nisy, lasa olona manelingelina sy mampatahotra ara-politika i Joãozinho teo imason'ny fitondran'ny mpanjanaka paortiogey.

Teny avy amin'ny fiteny Kimbundu any Angola ny hoe #‎KILAPY izay midika hoe: mamely, mikonokonona, mivazivazy na mindrana nefa tsy mamerina…

Ity ny iray tamin'ireo sarimihetsika izay natolotry ny herinandron'ny sarimihetsika afrikana ho anao: “Soleil

Nisolo tena an'i Brezila nandritra ity Mostra ity ihany koa ilay mpilalao sarimihetsika Lázaro Ramos miantsehatra ao amin'ny horonantsary fanokafana.

Nizara fotoana nahafinaritra ho an'ny kolontsaina iraisana i Mozambika sy Brezila. Fankasitrahana ho an'ity firenena ity nandritra ny Karnavalin'i Brezila, nahitana ny fanatrehan'ireo mpanakanto Mozambikana nandritra ny hetsika ara-kolontsaina tany Brezila, ohatra i Regina Casé, mpilalao sarimihetsika sady mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra any Brezila.

Alefa !!!! Nanombokaaa! Androany i ESQUENTA hampianatra anao ny fomba handihizana ny Marrabenta avy any Mozambika!!!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.