Mbola tsy nahazo fahafahana ireo mpikatroka Angoley, haharitra hafiriana ny nofy ratsy ?

(Lahatsoratra tamin'ny febroary 2016)

Julgamento dos 17 activistas presos em Angola. Foto: MakaAngola

Fitsarana an'ireo mpikatroka miisa 17 nosamborina tany Angola. Sary: MakaAngola

Toa tsy misy fiafarany ny tsy fanomezana fahafahana ireo mpikatroka Angoley. Ny hijanonan'izy ireo hatrany any amin'ny toerana ambenana no fanapaha-kevitry ny fitsaram-paritany tany Luanda farany. Mbola mandeha ny fitsarana an'ireo “15 + 2″ nanomboka tamin'ny volana Novambra 2015 ary ny “15” no nigadra nanomboka tamin'ny volana Jona tamin'io taona io ihany. Haharitra hafiriana ny nofy ratsy ?

Araka ny pejy Facebook -n'ny DW ho an'i Afrika:

A decisão do tribunal de manter em prisão domiciliária os ativistas, deixou triste os familiares e outros cidadãos que almejavam ver os ativistas a responderem no julgamento em liberdade. Neste caso se o recurso que a defesa vai entregar for negado, os jovens vão continuar privados de liberdade, presume-se até [à] sentença.

Nahatonga alahelo tamin'ireo fianakaviany sy ireo olom-pirenena hafa izay naniry ny hahita ireo mpikatroka niakatra fitsarana azo natrehana malalaka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana hitazona ireo mpikatroka any amin'ny fonenana voaambina. Noho izany, raha nolavina ny fampakarana ny raharaha nataon'ny mpiaro dia mbola tsy hahazo fahafahana mandra-pahatongan'ny fitsarana manaraka ireo tanora ireo.

Hoy i Adelaide Manuel Ade tao anatin'io lahatsoratra io ihany:

Parem com esse papinho de PRISÃO DOMICILIÁRIA, [deem] aos jovens a liberdade definitiva que Eles merecem e com Direito a uma indemnização, é o mínimo que podem fazer por todo esse Teatrinho que os jovens passaram.

Atsaharo ny adihevitra momba ity fitazonana ireo mpikatroka any amin'ny fonenana voaambina ity, omeo ny tanora ny fahafahana farany izay mendrika azy ireo sy ny zon'izy ireo hahazo onitra, izany no kely indrindra azon'izy ireo atao amin'ity tantara tsangana kely niainan'izy ireo ity.

Tsiahivina fa niampanga ireo mpikatroka Angoley miisa 15  ho nikasa hanongam-panjakana tamin'ny alàlan'ny fampiasana boky ny Governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.