Fanamby Ranon-tsira, Mandingana Sakafo sy #DignityStrike: Maneho Firaisankina Amin'ireo Gadra Mitokona Tsy Hisakafo Ny Palestiniana

Sary: pejy fanentanana Solidarity with Prisoners , Facebook.
Isan-taona isaky ny 17 Aprily, mankalaza ny Andron'ny Gadra Palestiniana ny Palestiniana ao anatin'i Palestina sy ny any am-pielezana mba hihazonana ny fankalazana sy ho fantatr'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fisarihana ny saina manoloana ny fijalian'ireo gadra Palestiniana sy mampiseho ny fandikan-dalàna mihatra amin'izy ireo ao anatin'ny fonja Israeliana .
Tamin'ity taona ity, miaraka amin'ny Andron'ny Gadra Palestiniana, gadra Palestiniana 1500 (nitombo 1580 ny isa taty aoriana) amin'ireo gadra 6500 no niara-niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Nanambara ny fitokonan'izy ireo ao amin'ny fonja Hadarim ireo voafonja avy amin'ny vondrona Palestiniana samihafa.
Vokatry ny tsy firaharahian'ny Sampan-draharahan'ny Fonja Israely (IPS) mandrakariva ny fitakian'ny gadra, izay tsy inona fa ny zo fototra voalazan'ny fifanarahana iraisampirenena, indrindra ny Fifanarahana tao Geneva no anton'ny fanambarana. Saingy mbola nanapa-kevitra hampitombo ny fepetra famoretana sy ny fanararaotana ny voafonja ny IPS, tsy manome ny zon'ny gadra sy manao tsindry ara-tsaina lehibe amin'izy ireo.
Nampahafantatra ny fitakiany ny mpitarika ny fitokonana tamin'ny Alahady 16 Aprily, iray andro mialoha ny fitokonana, mba ahafantaran'ny IPS fa tsy hifarana ny fitokonana raha tsy voavaly ireo fitakiana manaraka ireto:
1- Hatsahatra ny fanokanan-toerana
2- Hatsahatra ny fisamborana ara-panjakana
3- Hatsaraina ny fiveloman'ny gadra, ka anisan'izany ny:
– Finday iraisana isaky ny fonja sy toby mba ahafahan'ny fonja mifandray amin'ny fianakavian'izy ireo.
– Fantsona zanabolana 18 farafahakeliny araka izay ilain'ny gadra.
– Fitaovana fikopakopahana, fitaovana mampangatsiatsiaka sy manafana.
– Lakozia sy fanaova-mofo apetraka indray isaky ny fonja ary ny gadra misahana ny fiarovana no manara-maso azy, ary havela hividy zavatra eny amin'ny fivarotana entana madinika ny gadra.
4- Politikan'ny Fitsidihana:
– Averina ny famelàna ny fitsidihana faharoa. Satria natsahatra ankehitriny ny fitsidihana faharoa.
– Fahazoana mitsidika ara-potoana isaky ny tapa-bolana ary hamorain'ireo sampana rehetra, indrindra ho an'ny gadran'i Gaza.
– Tsy sakanana hitsidika ny fonja mihitsy ny havana akaiky.
– Hitarina 90 minitra ny fotoam-pitsidihana raha 45 minitra izany teo aloha.
– Avela haka sary miaraka amin'ny fianakavian'izy ireo isaky ny telo volana ny gadra.
– Manome fotodrafitrasa eo anoloan'ny vavahadin'ny fonja mba ho ampiasain'ireo fianakaviana hitsidika sy hiantohana fa mahatsiaro tsy voahelingelina izy ireo mandritra ny fotoam-pitsidihana.
– Manome alalana ny ankizy sy ny zafikely latsaky ny 16 taona hitsidika.
– Manome alalana ny mpitsidika mba hitondra boky, gazety, akanjo sy sakafo ary fananana manokan'ny gadra mandritra ny fitsidihana.
5- Politikan'ny Fitsaboana:
– Atsahatra ny fanaovana antsirambina ny fitsaboana .
– Fanakatonana ny Hopitalin'ny Fonja Ramle noho ny tsy fanomezana fitsaboana ilaina ho an'ny voafonja.
– Fizaham-pahasalamana ara-potoana ho an'ny gadra.
– Fepetra haingana amin'ny aretina atahorana sy fanatontosàna fandidiana ara-potoana.
– Avela hitsabo ny dokotera manam-pahaizana avy any ivelany.
– Famotsorana ireo gadra sembana sy manana aretina mitaiza.
– Iantohana ny fandaniana amin'ny fitsaboana ny gadra.
6- Fitaterana:
– Karakaraina amin'ny fomba manaja ny maha-olona ny gadra mandritra ny fitaterana azy ireo amin'ny fiara iombonana.
– Averina any am-ponja ny gadra rehefa avy eny amin'ny toeram-pitsaboana na fitsarana fa tsy tazonina any amin'ny toerana fanarahamaso.
– Arindra mba hanaja ny maha-olombelona ny toerana fanarahamaso ary manome sakafo.
– Mamaly ny filàna sy ny fangatahan'ny gadra vehivavy Palestiniana mba ho taterina amin'ny fiara manokana sy hifandray mivantana amin'ny mpitsidika mandritra ny oram-pitsidihana, ankoatra ny hafa.
7- Fampianarana:
– Afaka manohy ny fianarana any amin'ny Oniversite Hebreo Misokatra.
– Avela hiatrika fanadinana any amin'ny kolejy amin'ny fomba ofisialy na nalamina mialoha miaraka amin'ny fanjakana ny voafonja.
Tamin'ny endrika isan-karazany ny firaisankina tamin'ny gadra teo amin'ireo olom-pirenena Palestiniana. Manomboka amin'ny fametrahana tranolay tao afovoan-tanàna sy ny tanànan'ny governorà Palestiniana rehetra, hatramin'ny fanatontosàna fanentanana tao amin'ny sehatra media sosialy sy manome vaovao sy tatitra momba ny gadra, ary tao koa ny lanonana sy diabe ofisialy nataon'ny fiarahamonina.
Nalaza tao amin'ny sehatra media sosialy rehetra ny #DignityStrike, amin'ny fanasana sy lahatsoratra miantso firaisankina amin'ny gadra amin'ny fomba isan-karazany. Iray amin'izany ny Water and Salt Challenge (Fanamby Rano sy Sira), izay rano fisotron'ireo gadra mitokona mba hisorohana ny taovan'izy ireo tsy ho lò, indrindra fa mitombo ny filàna ara-tsakafo. Anisan'ny fomba hafa ihany koa ny fizarana lahatsary sy lahatsoratra fanohanana sy famoronana kisarisary maneho ny fitokonana sy ny tanjony, ankoatra ny hafa.
Nandritra ny dingana miavaka sy ny andrana vaovao maka tahaka ny zavatra iainan'ny gadra amin'ny fitokonana, natomboky ny vondrona tanora mpikatroka Palestiniana ny hetsika Firaisankina amin'ny Gadra ho fanohanana ny fiorenan'ireo gadra amin'ny tolon'izy ireo.
Nisafidy hampiasa ny fomba “fakan-tahaka” ho fanehoana firaisankina amin'ireo voafonja ny mpikatroka, amin'ny alalan'ny fandinganana sakafo iray na mihoatra isan'andro, ary avy eo mihantsy olona iray hafa mba hanao toy izany koa ary tahaka izany foana. Tokony hanampy hampiely ny hetsika firaisankina hiparitaka araka izay azo atao ao an-toerana sy manerantany izany.
Natomboka tamin'ny Alakamisy 27 Aprily ny fanentanana, miaraka amin'ny fanambaran'i Mohammed Alyan, rain'ilay maritiora Bahaa Alyan, fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny tontolo andro tamin'ny alalan'ny lahatsary noraketiny manokana ho an'ny hetsika.
Maro ireo olo-malaza Palestiniana sy Arabo naneho ny firaisankinany miaraka amin'ny voafonja, anisan'izany ireo mpiandraikitra ny gadra toa an'i Ahmed Qa'bour,, Karim Yunis, Zahi Wahbi sy Ahmad al-Dari. Antenaina hiparitaka sy hihitatra ny fanentanana, hiteraka fifamaliana asa amin'ny antso ho an'ny fakan-tahaka hitokona tsy hihinan-kanina.
Afaka manatevin-daharana ny fanentanana ianao mba hampitombo ny isan'ny mpikatroka firaisankina, miara mandray dingana tsikelikely ho fanoherana ny hamafy loha sy ny avonavon'i Israely mba hamarana izao andiana fanitsakitsahana ny zon'ny gadra izao
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...