Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Aogositra, 2015
Ny “Alice Any An-tanin'ny Fahagagana” Araka Ny isainan'ilay Libaney-Frantsay Mpitsoka Trompetra Azy Rehefa Atao Gadona Hip-Hop Opera
Lava-bitro mendrika hidinana ve? Naverin'i Ibrahim Maalouf nasiana fanavozana ny hira klasikan'i Lewis Carroll, tamin'ny fametrahana azy io ho ao anatin'ny tontolo maoderin'i Frantsa, miaraka aminà gadona Maliana iray.
Omen'ny Hetsika “Maimbo ianareo” 72 Ora Hamaliana Ny Fangatahany Ny Governemanta
Nanome fe-potoana 72 ora ho an'ny governemanta ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana mba hamaliana ny fitakian-dry zareo na hiatrika hetsi-panoherana goavana kokoa amin'ny Talata
LAHATSARY: Herisetran'ny Polisy Libaney Tamin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo (You Stink)”
Niely manerana ny media sosialy ireo lahatsary mampiseho ny herisetran'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Libanona. Tokony hahazo daroka sy baomba mandatsa-dranomaso ve ny fihetsiketsehana manohitra ny fivangonan'ny fako sy ny kolikolin'ny governemanta?
Fahaiza-mamorona Nentin'ny Libaney Nanohitra Ny Olan'ny Fako
Mampiseho fahaiza-mamorona sy mivazivazy ry zareo Libaney amin'ny fomba fanaovany hetsi-panoherana. Mihoatra ny 20.000 ny olona nidina an'arabe tao Beirut tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny nilanja takelaka isankarazany
GV Face: Ny Zavatra Ilainao Fantarina Momba Ny Hetsi-panoherana Goavana “Maimbo Ianareo” Ao Libanona
Ao anatin'ity fizaràn'ny GV Face ity i Faten Bushehri dia niresaka tamin'i Joey Ayoub, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ao Beirut izay niara-niasa akaiky tamin'ny kaomity mpikarakara ny 'Maimbo ianareo' na طلعت ريحتكم.
Nampitandrina ny fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo ny Libaney mpikatroka
Nivadika ho fitakiana fialan'ny mpitondra fanjakana ao amin'ny parlemanta sy ny governemanta ny fitakiana voalohany hamahana ny olan'ny fako rehefa diso tafahoatra ny herisetra nianjady tamin'ny mpikatroka tamin'ny andro voalohany nihetsiketsehana.
Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona
Setriny ankerisetra no niandry ny mpanao fihetsiketsehana milamina #YouStink izay nahavoriana olona tao Beirota tamin'ny asabotsy 22 aogositra mitaky ny hamahana ny olan'ny fanariam-pako ao Libanona.
Afaka Miresaka Ny Fiovàn'ny Politika Momba Ny Fako Ao Libanona Ve?
Misy hetsika ara-politika miforona miaraka manodidina ny tsy fankasitrahan'ireo olom-pirenena Libane ny fomba fanao tsy mendrika ataon'ny governemantany amin'ny fanariana ny fako.