Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Septambra, 2018
Miandry fa… Syriana mpifindramonina ao Libanona
Dimy volana niandrasana, nahazo antso ihany i Abu Adel: "Miala tsiny amin'ny fahatarana, fa tsy nanaiky ny dosienao i Frantsa." Efa ho herintaona aty aoriana, mbola eo am-piheverana izay famindra-ponenana azy any amin'ny firenen-kafa ny fianakaviana.
Sioka avy any Beirota: Andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo
Nanomboka tamin'ny famelabelarana momba ny Herdict Web ny andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo, tranonkala iray izay mampiasa ny crowdsourcing mba hanangonana ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto avy amin'ireo mpisera manerantany.
Libanona: Lasibatry ny fiara voasesika baomba ny kapiteny iray miady amin'ny fampihorohoroana
Mbola nisy indray ny fanafihan'ny mpampihorohoro iray hafa (28/01/2008) nikendry an'i Libanona izay nahafatesan'olona sy nahasimban-javatra. Namono ny manampahefanan'ny polisy iray mafana fo amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana ao Libanona ny fiara iray voasesika baomba, tavela tao ny kapiteny Wissam Eid sy ny olona telo hafa.
Libanona: Lahatsoratra Noraisina Tsy Ankifidy Nandritra Ny Fialantsasatra
Nifanandrify ny andro telo tsy fiasana. Ny taona 2007 no iray amin'ireo taona vitsy ifanandrifian'ny fanisanandro litorjika ho an'ireo kristianina ortodoksa sy ny kristianina katolika. Noho io antony, niara-nankalaza ny fetin'ny Paska avokoa ireo vondrom-piarahamonina kristianina libaney rehetra
Nahita antony iverenana amin'ny hetsi-panoherana ‘Maimbo Ianao’ ny tao Libanona telo taona taty aoriana
Tamin'ny taona 2015, nanetsika olona an'arivony ny "Maimbo Ianao" ary lasa fihetsiketsehana an-dalambe lehibe indrindra tsy manohana antoko tao Libanona hatramin'ny nifaranan'ny ady an-trano Libaney tamin'ny taona 1991.