Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Lalàna 140: Fitsikilovana an'i Libanona

GV Mpisolovava

Manome antoka ny zo hanana tsiambaratelo amin'ny fampiasàna ireo fitaovana fifandraisana elektronika rehetra ny lalàna Libaney -- indrisy, matetika mandika izany lalàna izany ireo manampahefana.

Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana

Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?

Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.

26 Avrily 2019

Hanonta hajia fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana i Libanona

Hanamboatra hajia ho fahatsiarovana ny fandripahana ny Armeniana ny paositra Libaney. Nanasongadina ny maha zava-dehibe ny marika amin' izany hajia izany ny fanambaran'ny minisitry ny fifandraisan-davitra, Nicolas Sehnaoui tao amin'ny Twitter.

23 Avrily 2019

Libanona: Fitsidihan'i Norman Finkelstein

Miarahaba an'i Norman Finkelstein, izay nitsidika an'i Libanona vao haingana ilay bilaogera Libaney Ali Hammoud.

13 Avrily 2019

Kihon-dalana lehibe, nilaza ny tribonaly miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana

Namoaka didy ny fitsarana miaramila Libaney fa tsy heloka bevava ny fahapelahana ary nandà tsy hanenjika ireo olona efatra voampanga tamin'ilay 'heloka'. Saingy nitondra ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony indray ny tafika mba hiampanga azy ireo