Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Marsa, 2012
Syria: Taona Iray aty Aoriana, Am-pitiavana Be Avy Ao Beirut
Ny 15 Martsa dia nahatratra ny taona voalohany nisiany ny Revolisiona Siriana, voamariky ny fahavononana toy ny tany amboalohany . Hetsi-panoherana tany amin'ny tanàna samihafa nanerana izao tontolo izao no naneho ny fanohanan-dry zareo ilay revolisiona raha nanana ny fombany manokana ho entina maneho ny firaisankinany kosa i Beirut. Ity lahatsoratra ity no manazava ny fomba nanehoan'ireo mafàna fo ny fitiavan-dry zareo ny revolisiona Siriana teny amin'ny rindrin'i Beirut.
Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid
Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.
Etiopia/Libanona : Hatezerana Noho Ny Fahafatesanà Mpanampy An-trano iray Nivadika Ho Fientanana
Namono tena i Alem Dechasa, ilay vehivavy hita tanaty lahatsary nalaina tamin'ny finday niparitaka tety anaty aterineto, nodarohana sy notaritarihana amin-kery hiditra anaty fiara iray teo anatrehan'ireo mpitazam-potsiny teo ivelan'ny Kaonsily Etiopiana ao Beirut, Libanona.. Niteraka hatezerana mafy teo amin'ireo Etiopiana mpiondana aterineto ilay lahatsary. Taorian'ny nahafatesany, ireo mpiondana aterineto dia nikarakara antso iray tety anaty aterineto mba hisian'ny rariny sy hisarihana ny saina amin'ny zava-manjo ireo vahivavy Etiopiana mpanampy an-trano iharan'ny fanaovana tsinontsinona any Afovoany Atsinanana..
MENA: Sarimihetsika Salafista Sahala Amin'Inona no Hojerenao?
“Ny zavakanto rehetra dia vokatry ny fotoana namoronana azy, ary mitaratra io fotoana io raha tiany ilay izy na tsia, eny fa na dia miezaka ny hitsoaka izany aza izy...