Fahaiza-mamorona Nentin'ny Libaney Nanohitra Ny Olan'ny Fako

Some trash should not be recycled. This is a modified version of a sign held up in a protest in Lebanon shared on Twitter by @Beirutspring

Misy fako sasany tsy tokony hahodina ho ampiasaina indray. Ity dia dika nasiana fanovàna avy amin'ilay takelaka nolanjaina taminà hetsi-panoherana iray tao Libanona, nozaran'i @Beirutspring tao amin'ny Twitter. Mampiseho ireo Libaney mpanao politika avy amin'ny sehatra samihafa izy ity

Vitan'ilay hetsika niainga avy any ifotony Tol3et Re7atkom (Maimbo ianareo) ny namory vahoaka hatramin'ny 20.000 ary nitondra azy ireny hivoaka an'arabe hanao hetsi-panoherana, tsy ho an'ny olan'ny fako ao Libanona monja, fa koa hitakiana ny fametraham-pialàn'ny governemanta noho ny tsy fitsaharan'ny fanaovany kolikoly.

Ny 22 sy 23 Aogositra, nahita maso ny hetsi-panoherana goavana indrindra teo amin'ny tantarany i Beirut, niaraka tamin'ireo vahoaka nisy ny sokajin-taona sy ny saranga rehetra nifamory hilaza amin'ny governemanta fa tena maimbo izy ireo! Nanomboka ny olan'ny fako tao Libanona tamin'ny 17 Jolay rehefa injay nakaton'ireo mponina ao amin'ny faritr'i Naameh ilay toerana midadasika fanariana fako tao amin'ny firenena. Io toerana fanariana fako io no niantoka ireo faritra tao Beirut sy ny Tendrombohitra Libanona — efa ho ny antsasaky ny mponina eo amin'ny firenena. Niafara tamin'ny fisian'ireo fako nisavovona toy ny tendrombohitra kely teny an'arabe ny tsy fahavitàn'ny governemanta mamaha ny olan'ny fako, nanery ireo vahoaka  mandehandeha eny an'arabe hitampina orona ara-bakiteny.

Ireto sary eto ambany ireto dia nalaina avy ao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny hetsika “Maimbo ianareo”:

Mountains of trash in Beirut. Photograph from the the official Facebook page of "You Stink" movement

Fako misavovona ao Beirut. Saripika avy amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny hetsika “Maimbo ianareo”

Lebanon's garbage disposed in a hazardous manner, which harms the environment. Photograph from the official page of the You Stink movement

Harona feno fako atsipitsipy eny rehetra eny amin'ny fomba mampidi-doza, manimba ny tontolo iainana. Sary avy amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny hetsika  ” Maimbo ianareo”

Menaka natondraka ny afon'ireo olana politika efa nisy tao amin'ny firenena fotsiny ihany ity olana ity. Libanona izay efa miaritra ny fisianà fotodrafitrasa tsizarizary sy fahatapahan'ny herinaratra isanandro, dia tsy manana filoham-pirenena efa ho taona iray mahery. Tamin'ny 2009, nanalava ny fe-potoam-piasàny ho hatramin'ny 2017 ny parlemantany, tsy misy fifidianana, tamin'ny fitanisàna ny korontana ho antony.

Fanampin'ny filanjàn'ny olona takelaka miresaka politika, ny sasany indray tonga miaraka aminà fomba famoronana hafa kely hisarihana ny saina ho amin'ilay tolona.

Ahmed Al Omran, Saodiana mpanao gazety, nibitsika saripika iray nahitàna tovolahy naniry ny mba hahitàna taratra eo amin'ny fiainam-pitiavany ny toetra mampiavaka ny governemanta:

Ny takelaka tsara indrindra tao Libanona hatreto ve?

Nizara saripika roa noheveriny fa ny nahatsikaiky indrindra sy “mampiavaka ny Libaney” i Rana Harbi. Nanao fitafy miavaka ireo lehilahy nandeha teny amin'ny hetsi-panoherana mba ho ezaka fampitàny ny hafatra:

Sary vitsivitsy mahatsikaiky avy amin'ny hetsi-panoherana androany. Mampiavaka ny Libaney

Tena tian'ity lehilahy ity aseho fa mahery be ny fofon'ireo fako misavovona, miely manerana an'i Beirut, ka dia izao no fomba nanehoany azy:

Sary vitsivitsy mahatsikaiky avy amin'ny hetsi-panoherana androany. Mampiavaka ny Libaney

Fampitahàna feno fahasahiana ihany no nataon'ity mpanao hetsi-panoherana ity teo amin'ireo Libaney mpanao politika sy i Mia Khalifa, Libaney kintan'ny vetaveta, tamin'ny filazàna fa mbola manana voninahitra kokoa aza ity ikàla ity raha oharina amin'ireo mpanao politka.

Mbola manana voninahitra kokoa i Mia Khalifa raha oharina amin'ireo mpanao politika eto amintsika. Renao ve izany ry @miakhalifa ?

Ao amin'ny sehatry ny media sosialy, nifanakalo saripika misy saina tia mamorona kokoa ny olona, tahaka ireto :

"Either you leave, or we won't give birth. #YouStink"

“Na ianareo miala, na tsy hiteraka izahay. #YouStink” (Maimbo ianareo) (Source: tsy fantatra)

Yasmine Ballout mizara sarinà takelaka iray heveriny ho nisy saina tia famoronana. Mivaky toy izao ilay takelaka: “Manana mofo nosesehana akoho sy tongologasy izahay, ho avelanareo hiditra ve izahay?”

HAHAHAHAHAHA tena ambarako marina tokoa fa tiako ilay saina tia mamorona ananan'ny vahoakanay!

Rehefa milaza ry zareo hoe ny olona rehefa no tonga nanatevina ilay hetsi-panoherana, dia tena ny rehetra mihitsy tokoa no tian-dry zareo hambara, tafiditra hatramin'ireo mpisehatra malaza amin'ny sarimihetsika:

Nisy fotoana niaraka taminay i Batman

Aza miala raha te-hahafantatra vaovao misimisy kokoa momba ny fandrakofana ny vaovao avy ao Libanona, satria mbola mivonona ny hanao hetsi-panoherana bebe kokoa zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.