Etona mandatsa-dranomaso, tafondron-drano ary bala tena izy, izany no setriny mahery setra niandry ireo mpanao fihetsiketsehana milamina tamin'ny hetsika #YouStink [masiso ianareo] izay nivory tao amin'ny Riad El Solh tao Beirota tamin'ny asabotsy [22 Aogositra] mitaky ny hamahana ny olan'ny fako ao Libanona.
Oloa tombanana ho eo amin'ny 10.000 no tonga tao amin'ny hita maso ho antso ao anatin'ny fisainana tsara hitadiavana “vahaolana maharitra amin'ny olan'ny fanariana ao Libanona.” Tamin'ny 17 jolay, nikatona ny fanatobiam-pako lehibe indrindra tao amin'ny firenena ary nanomboka niavosa nanerana an'i Beirota ny fako raha mbola ratsy fitantana ny olan'ny fako ny manampahefana. Tsy tsara miara-dalana ny fako sy ny vaninandro mafana ary mihamiavosa manaraka ny lalan'i Beirota ny harom-pako ary manapoizina ny rivotra ny fofona mahery ka mampangidihidy ny oron'ny Libaney.
Maro tamin'ireo nizotra ho any amin'ny fihetsiketsehana no nitafy akanjo mihaja ary ny sasany aza nitondra ankizy kely niaraka taminy. Nampihomehy aloha tamin'ny voalohany ny fepetram-piarovana faratampony noraisain'ny tafika sy ny polisy misahana ny rotaka saingy nivadika nihahenjana tampoka ny raharaha rehefa namaly tamin-kerisetra tafahoatra ny mpitandro ny filaminana, nisambotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety sahisahy.
The boys in swim gear #YouStink #طلعت_ريحتكم pic.twitter.com/NckLuiNdL7
— Rampurple (@rampurple) August 22, 2015
Zatovolahy manao fitafiana enti-milomano
It's not a demo. It's a festival of HOPE. Join us. #طلعت_ريحتكم #YouStink pic.twitter.com/XJd9g8f4Fj
— Ralph Aoun (@ralphaoun) August 22, 2015
Tsy fampisehoan-kery fa fetiben'ny fanantenana. Miaraha aminay
Haha! Seems that Lebanese parliament security is also preparing for #YouStink event. Look at those new fences! 😏😏😏 pic.twitter.com/gecltXUMBC
— Sara Assaf (@SaraAssaf) August 22, 2015
Tahaka ny efa niomana amin'ny hetsika [maimbo ianareo] ihany koa ny mpiambina ny parlemanta libaney a. Jereo anie izao fefy vaovao izao e!
Mpaka sary Karim Mostafa nizara sary Twitter tamin'ilay lasa fifanandrinana maherisetra nateraky ny kotrakotrana nataon'ny polisy misahana ny rotaka:
The moment when the peaceful demo escalated into teargas, water cannons and rubber bullets #YouStink #Lebanon #Beirut pic.twitter.com/uxOqvUmv0K
— Karim Mostafa (@thekarimphoto) August 22, 2015
Ny fotoana nivadihan'ny fanehoan-kery milamina nivadika ho etona mandatsa-dranomaso, tafondron-drano ary bala fingotra.
And when there was water! From the demo in #Beirut this afternoon. #Lebanon #YouStink #Trash pic.twitter.com/l0l9jcw6An
— Karim Mostafa (@thekarimphoto) August 22, 2015
Ary rehefa tonga ny rano! avy amin'ny fihetsiketsehana tao Beirota tamin'ity folakandro ity.
A protester gets help at #YouStink demo in #Beirut pic.twitter.com/MIGhKwLRCI
— Karim Mostafa (@thekarimphoto) August 22, 2015
Mpanao fihetsiketsehana iray nahazo vonjy tamin'ny fihetsiketsehana [masiso ianareo] tao Beirota
A wounded and lonely police start crying but gets help from the people in the demonstration. #YouStink #Beirut pic.twitter.com/84KYTdcAtA
— Karim Mostafa (@thekarimphoto) August 22, 2015
Polisy naratra sy nanirery nanomboka nitomany saingy nahazo vonjy tamin'ireo olona nanao fihetsiketsehana.
Ny herivaikan'ny herisetra tonga hatramin'io ambaratonga io no mampisongadina ny zavamisy nikimpian'ny maro. Ho setriny dia nanomana sit-in nanoloana ny parlemanta ny mpanao fihetsiketsehana mandra-pialan'ny mpikamban'ny parlemanta sy hanatontosana fifidianana vaovao. Efa herintaona mahery izay i Libanona, izay efa miaritra fotodrafitrasa ratsy sy ny fahatapatapahan'ny herinjiro, no tsy manana filoha. Tamin'ny 2009 ny parlemanta no nanitatra ny fe-potoana fiasany ho hatramin'ny 2017, tsy misy fifidianana, ary milaza ny fikorontanana ho anton'izany. Ankehitriny ny mpanao fihetsiketsehana mitaky fiovana amin'izany rehetra izany. Efa tsy resaka olana fako intsony izany.
Nancy Fakhoury mizara lahatsary iray mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana nihiaka tamin'ny 23 Aogositra, andro faharoan'ny sit-in.
#طلعت_ريحتكم #lebanon pic.twitter.com/DFn2854z5I
— Nancy Fakhoury (@EL_nan) August 23, 2015