Tantara mikasika ny Libanona tamin'ny Mey, 2017
Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka
Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.
Libaney Mpandihy, Mihamitombo Ny Fankasitrahan'ny Olona ny Asan-dry Zareo
Miaraka amin'ny fitomboan'ny lazan'ny fampisehoana dihy ao Libanona, nolazain'ireo mpandihy fa nanatri-maso seho iray toy ny "fanafahana ny vatana" ry zareo, izay manome vintana faharoa ho an'ilay taokanto
Libanona, Araka Ny Fomba Fijerin'ny Bilaogeran-tsary Iraniana Iray
Mpaka sary matihanina Iraniana sady bilaogeran-tsary nipetraka sy niasa tao Libanona nanomboka tamin'ny taona 2009 i Mohmmad Reza Hassani . Lasa loharanom-baovao nahitana raharaha mifandray amin'i Iran ao Libanona ny bilaogin-tsariny taorian'ny fitsidihan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad ny fampirantiana sy ny fampisehoana mozika Iraniana
Mpikatroka ao Beiroty Manomboka Andro Hijerena Ny Lovantsika Mba Hiarovana Ireo Toerana Manantantara Nefa Tandindonin-doza
Ny gaboraraka fanomezana ho an'ny tsy miankina sy ny fihazakazaky ny fanitarana tanàndehibe ao amin'ny renivohitr'i Libanona no nanimba be ny lovan'ilay firenena. Vonona hampitsahatra izany ireo mpikatroka.
Tonga Any Libanona Ny Hetsi-panoherana Ao Venezoela
"Fahasahiana izany. Tokony hiantoka ny Zon'olombelon'ireo Venezoeliana i Tarek WILLIAM Saab kanefa tsy nanao izany izy fa nandeha sy niresaka momba ny Zon'Olombelona tao #Libanona."
Mandaitra ny Fampihomehezan'ny Mpanjakan'ny Hatsikana ao Libanona Izao Tontolo Izao Amin'ny Alalanà Hatsikana Iray
Rehefa nilaza tamin'ny rainy Arabo i Nemr About Nassar fa ho lasa mpanao hatsikana, dia izao no valinteniny, "Te ho lasa clown ialahy?"
Breziliana Mpanao Graffiti sy Tanora Syriana Miara-Mandoko Ny Rindrin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana
Miara miasa mandoko ny "rindrin'ny sekoly ao amin'ny Tobin'ny mpitsoa-ponenana" ao amin'ny Lemaka Beqaa ao Libanona sy ny rindrin'ny fanantenana maromaro ao Syria ny Breziliana iray sy ny Syriana vitsivitsy.