· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Venezoela tamin'ny Avrily, 2019

Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela

GV Mpisolovava  17 Avrily 2019

Androany alakamisy maraina,  nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.

Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

GV Mpisolovava  16 Avrily 2019

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Filoha Chávez sy ny “ady anaty akatan-tserasera”

GV Mpisolovava  08 Avrily 2019

Nanangana ny programa antsoina hoe "Communicational Thunder" [kotroka ara-tserasera] ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez, mba "hiatrika ny lainga sy ny vaovao diso aelin'ny haino aman-jery tsy miankina". "Tsy maintsy atao isan'andro ny tolon'ny fampitam-baovao", hoy izy.

Venezoela: Misalasala ny amin'ny antony nahafatesan'i Bolivar

  04 Avrily 2019

Isaky ny 17 Desambra, Mankalaza ny fitsingerenan'ny nahafatesany ny firenena rehetra izay mihevitra an'i Símon Bolívar ho toy ny maheron'ny fireneny. Saingy tamin'ny volana Desambra 2007 lasa teo, takona ny fahatsiarovana ny tsingerintaona raha nanomboka nanahy ny tamin'ny nahafatesan'i Bolívar ny filoha Hugo Chávez, izay noheveriny fa voan'ny raboka .

Sary Avy Any Venezoela: Teny Amin'ny Araben'i Bolívar

  02 Avrily 2019

Hafahafa, na olona 7 000 aza no nisoratra anarana, toa latsaky ny 1 500 no tonga sy hita amin'ny sary. Na tanàna misokatra ara-tsaina aza i Caracas, tena saro-kenatra izahay, mpifikitra amin'ny nentin-drazana raha resaka fiboridandridànana imasom-bahoaka. Mety ho vokatry ny fikatsahana tsy misy farany hanana vatana tonga lafatra ve ka nampihemotra ny maro?