(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny febroary 2014)
Androany alakamisy maraina, nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mpisera aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka “walkie-talkie”. Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo. Nitatitra ny Zello fa maherin'ny 15.000 ireo fitrohana azy teo an-toerana tao anatin'ny andro iray tamin'ny herinandro lasa teo. Niseho ny fanakanana andro iray taorian'ny fanambaran'ny filoha Maduro fa nosakanan'ny governemanta ny fifandraisana nalefa tamin'ny fampiasa Zello mba hanarahamaso ny mpanao fihetsiketsehana.
Tao amin'ny Twitter, nilaza i Andrés Azpurua hoe:
Aparentemente se ha bloqueado Zello. es inaccesible de desde CANTV/movilnet, estamos investigando #BlackoutVE #freeinternetVE
— Andres E. Azpurua (@andresAzp) febrero 21, 2014
Toa nosakanana ny Zello. Tsy azo idirana avy amin'ny CANTV/Movilnet, manao fikarohana izahay izao.
Nangataka tamin'ireo mpiserasera ny orinasa mba hanao tatitra amin'ny fampiasana fitaovana ara-teknika ho famantarana ny olana:
If you are in Venezuela and familiar with network diagnostics tools, please respond, we need your help to understand the block applied.
— Zello Inc (@Zello) febrero 21, 2014
Raha ao Venezoela ianao ary zatra ny fitaovam-pikarohana tambajotra, dia valio azafady, mila ny fanampianao izahay mba hahafantarana ny nampiharana ny fanakanana
Nitsongo dia i Loris Santamaria, mpanolo-tsaina ao amin'ny tolotra fotodrafitrasan'ny tambajotra ary nitatitra hoe:*
Some traces, first two done using ADSL provider Cantv. Last one is via mobile provider Movistar @Zello pic.twitter.com/CS8NehIUmb
— Loris Santamaria (@lorissantamaria) febrero 21, 2014
Marika vitsivitsy, ny roa voalohany natao tamin'ny fampiasana ny Cantv mpamatsy ADSL. Ny iray farany tamin'ny mpamatsy finday, Movistar
Zello is not blocked on Movistar 3G network, however because that is a metered service most were using zello via Cantv, thru wi-fi @Zello
— Loris Santamaria (@lorissantamaria) febrero 21, 2014
Tsy voasakana ao amin'ny tambajotra 3G Movistar ny Zello, na izany aza, satria tolotra voarefy izany, nampiasa Zello tamin'ny alalan'ny Cantv, amin'ny alalan'ny wi-fi ny ankamaroan'ny mpiserasera
Tamin'ny alakamisy alina, nanambara tamin'ny Associated Press ny orinasa fa ny fiandohan'ny fanakatonana dia ny orinasan'ny fifandraisandavitra tantanin'ny fanjakana ao Venezoela, ny CANTV, izay mandrakotra ny 80% ny tsenan'ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena. Taty aoriana, dia namolavola endrika vaovao izy ireo, nanantena fa mety hanampy amin'ny fialàna amin'ny fanakanana izany:
Android users in Venezuela, who cannot access the app. Please try this version and report back results http://t.co/e5XZKYusOw
— Zello Inc (@Zello) febrero 22, 2014
Ho an'ireo mpampiasa Android ao Venezoela tsy afaka miditra amin'ny fampiharana. Andramo ity endrika vaovao ity ary tatero aminay ny valiny.
Mandritra izany, nisioka tamin'ny Zello mikasika ny fomba fiasan'izy ireo ny TunnelBear, orinasa VPN, izay mpamatsy tolotra maimaim-poana tsy voafetra ho an'ny Venezoeliana nandritra ny andro maromaro:
@fbajak @Zello TunnelBear should unblock Zello for iPhone and Android. We are currently providing free service to #Venezuela #censura
— TunnelBear (@theTunnelBear) febrero 21, 2014
Tokony sokafan'ny TunnelBear ny Zello amin'ny iPhone sy Android. Manome tolotra maimaim-poana ao Venezoela izahay amin'izao fotoana izao
Olana hatrany hatrany ho an'ireo mpiserasera amin'ny finday sy ny aterineto ao Venezoela ny fanarahamaso sy ny sivana. Namoaka fanambarana ny Vaomiera Inter-Amerikana misahana ny zon'olombelona omaly, manosika ny maha zava-dehibe ny fidirana malalaka amin'ny vaovao:
La Comisión Interamericana reitera a las autoridades venezolanas que es indispensable que en una sociedad democrática existan garantías suficientes para asegurar que la población tenga acceso al pluralismo y la diversidad informativa, especialmente en relación con temas de interés público y el acontecer nacional.
Manamafy amin'ny manampahefana Venezoelana ny Vaomiera Inter-Amerikana misahana ny zon'olombelona fa tena ilaina ao amin'ny fiarahamonina demaokratika ny manome antoka fa afaka miditra amin'ireo vaovao marobe sy isan-karazany ny vahoaka, indrindra fa ny vaovao mikasika ny resaka tombontsoam-bahoaka sy ny firenena.