Venezoela: Nakatona ny Sary amin'ny Twitter, mbola mitohy ny fihetsiketsehana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2014)

Omaly, roa andro taorian'ny hetsi-panoherana goavana nanerana ny firenena, nitatitra olana maromaro amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala sasantsasany ny mpiserasera Venezoeliana. Voalaza fa nosakanana ireo tranonkala maromaro, ary tsy afaka nijery sary sy lahatsary ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy ny mpisera Twitter, izay tena nilaina tamin'ny fifandraisana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Gabriel Bastidas, mpanao gazety Venezoeliana, nilaza tao amin'ny Twitter hoe:

10:08 alina, [toa] nakaton'izy ireo ny arofenitra media marolafy amin'ny Twitter ao Venezoela. Milaza ireo mpiserasera fa tsy afaka mahita sary

Mpanao gazety Jesús Torrivilla nilaza hoe:

Voasakana ny webclient-ko ho an'ny Twitter. Mampiasa ABA aho. Saingy afaka miditra mampiasa Tor

Mpanao gazety Laura Solórzano nitatitra hoe:

Ny olana amin'ny sary ao amin'ny Twitter dia noho ny fanakanana ny arofenitra Twitter. Nataon'ny governemanta.

Ireo olona manana fifandraisana CANTV ihany no iharan'ny olana amin'ny sary ao amin'ny Twitter. Mandeha tsara ny Inter sy ny satelital.

Nanao fanarahamaso ny lohamilin-tsary amin'ny Twitter ireo mpiserasera hafa ary nitatitra fa nosakanan'ny CANTV, mpamatsy tolotra aterineto an'ny governemanta izay saika manao ampihimamba amin'ireo mpamatsy tolotra fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena ny fifandraisana. Loris Santamaría, mpanolotsaina ao amin'ny sampan-draharaha momba ny fotodrafitrasan'ny tambajotra, nisioka hoe:

Eny, nahita marika aho, Cantv no manakana antsika

Ny mpiserasera hafa indray nanana olana tamin'ny fidirana tamin'ireo tranonkala samihafa nandritra ny tontolo andro. Naky Soto, bilaogera sady mpikatroka venezoeliana, nitatitra ny olana tamin'ny fidirana tao amin'ny tranokalan'ny gazety Nasionaly El Nacional ary nanome rohy pikantsary:

Ho an'ny olona marobe, manome ity fahadisoana ity ny rohy avy amin'ny El Nacional

Tamin'ny Alakamisy, nanambara i William Castillo, Filohan'ny Vaomieran'ny Fifandraisandavitra Venezoeliana, CONATEL fa mety hiteraka fandikan-dalàna momba ny andraikitra ara-tsosialy amin'ny Radio, Televiziona ary ny media Elektronika ny fitantaran'ny haino aman-jery ny hetsi-panoherana. Nanakana tranonkala ny governemanta Venezoeliana nandritra ny taona maro, noho ny antony maro samihafa, ary fanakanana marobe no nipongatra tamin'ny volana novambra lasa teo, raha nanambara ny filoha Maduro fa misy ny fepetra raisina ho an'ireo tranonkala mitatitra momba ny vidiny tsy ofisialy amin'ny vola vahiny. Tamin'ny Asabotsy lasa teo, nilaza i Castillo fa nanakatona tranonkala miisa 384 ny governemanta noho io antony io:

Nandidy ireo mpamatsy tolotra aterineto Venezoeliana ny CONATEL mba hanakana ny urls an'ireo tranonkala miisa 384 izay mizara vaovao diso momba ny dolara tsy ara-dalàna.

Ny zoma, nitohy ny tatitra momba ireo olana amin'ny fidirana amin'ireo tranonkala hafa, tahaka ny Pastebin.com, Facebook sy Twitter. Namoaka fanambarana ny CANTV ny zoma tolakandro, izay mandà akintsirano ny fifandraisany tamin'ny fanakanana sary tao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.