Taorian'ny vinavina nataon'ny orinasa Renaca Concon SA hanangana trano goavana eo anivon'ny torapasik'i Concon [es] dia nisedra ny hatezeran'ny mponina any an-toerana ity orinasa ity, mponina izay tapa-kevitra fa hiaro ny tontolo iainana any Chili. Kanefa tamin'ny 27 desambra 2011 dia nitranga ny nofy ratsy : voahodidina fefy ny toerana arovana, efa vonona hatomboka ny asa…
Kanefa tsy miady irery ry zareo; miombom-peo amin'izany tolona izany koa ny internôty any Chili ka tsy manaiky ny hanorenana trano be ho an'ny mpanan-karena miisa 20 [es] eo amin'ny faritra, fa miombom-peo amin'ireo mponina tsy manaiky [es] izany fanorenana izany.
@Perro_del_Lucho [es] nandefa antso tao amin'ny twitter:
Amigos, que sea TT por favor #noalcierredunar GUAU. Empresa Reconsa está cerrando el Campo Dunar en estos momentos. Guau
Ry namana, aelezo azafady : #noalcierredunar ! Efa fefen'ny orinasa ny torapasika ! Mila mihetsika haingana isika ! Guau
Javier Sanfeliu (@sanfeliu) [es] namaly:
No deja de asombrarme la falta de criterio, etica y moral de ciertas empresas. Pónganse al día, pulpos. #noalcierredunar
Tsy ampy fieritreretana ny olona sasany, tsy mendrika sady tsy manan-tsaina. Tena mahatezitra mihitsy. Aoka isika ho vonona hiady ! #noalcierredunar
Pablo Andres Roldan Lopez nandefa tao amin'ny Facebook [es]:
Hoy es un día triste para Concón mi ciudad hermosa, es un día triste para Chile, es un día triste para el alma, es un día de realidad dura y pura, el dinero manda sobre todo, el dinero todo lo puede, el dinero es lo importante, lo que mueve al mundo, lo que enciende los corazones… hoy es un día triste, se cierran las hermosas Dunas de concon [sic] para ser hundidas bajo costosos edificios, edificios de lujo que solo habitarán aquellos que viven en el mismo círculo de aquellos que construyen en las dunas… y al pueblo, a los niños le quitarán los atardeceres sobre las duna [sic] mirando el sol… menos mal que la estrella está lejos y no se puede comprar.
Andro mampalahelo anio. Indrindra ho an'ny faritra tsara tarehy any Concon, ho an'i Chili… ho an'ny fanahy. Tena mahatsiravina ny zava-misy, tena voaporofo izao fa ny vola no manjaka, na inona na inona mitranga, miteraka kolikoly sy mamitaka ny vola, tena mahery indrindra ny vola. Tsy hisy intsony ny torapasik'i Concon fa hosoloana trano be, izay olom-bitsy manan-karena ihany no afaka hipetraka aminy. Tsy afaka hijery ny masoandro mody avy eo amin'ny torapasika intsony ny ankizy sy ny mpifankatia. Kanefa isaorana Andriamanitra fa tsy azo amidy ny masoandro…
Mpiserasera sasany no namoaka ny anaran'ireo mpanao pôlitika mandray anjara mivantana na ankolaka amin'izao tetikasa izao : ny kaonty twitter an'ny programa politika Difamadores (Mpanala baraka) [es] (@difamadores) manonona ny anaran'ny ministra taloha:
¿Quién está detras [sic] del cierre de las Dunas de Concón? RE: 1 de ellos es el (DC) Edmundo Pérez Yoma #noalcierredunar
Fanakatonana ny torapasik'i Concon, iza no diso? VALINY: anankiray amin'ireny ilay politisiana avy amin'ny DC (Antoko Kristianina Demokratika) Edmundo Perez Yoma #noalcierredunar
Ilay balaogera @donliebre [es] namoaka ny rahalahin'ny filoha Sebastian Piñera's :
y quien era el abogado de la inmobiliaria y representante de los socios de RECONSA?: Herman Chadwick http://tiny.cc/q01tc [es] #noalcierredunar
Fa iza àry no miafina ao ambadiky ny mpisolovava sy ny solontenan'ny orinasa RECONSA ?: Hernan Chadwick http://tiny.cc/q01tc #noalcierredunar
Nahavita nampiato ny fandrosoan'ny asa ireo mpanao fihetsiketsehana, kanefa nandritra fotoana voafetra ihany izany. Azo antoka fa napoakany ny fefy sasany, kanefa tsy izany no zavatra tadiaviny. Tsotra ihany : na ny filoha miala tsy hitrandraka ny 19 hektara na izy manao fanambarana fa anisan'ny toerana arovana ity toerana ity es]. Mety hisy olana anefa ity vahaolana faharoa ity, araka ny fanazavana nomen'i Elda Arteaga ao amin'ny lahatsorany ao amin'ny gazety Nuestro.cl [es]:
Como esto es de privados la única solución es que la Municipalidad les de unos terrenos a cambio, con una plusvalía equivalente.
An'olon-tsotra ny faritra. Ny vahaolana tokana ho an'ny kaominina dia ny manolo ny toerana amina toerana mitovy vidy aminy.
Etsy ankilany koa, manohana tanteraka ny fananganana trano eo amin'ny torapasika ny talen'ny Reconsa araka ny namoahan'ny gazety El Mercurio de Valparaíso [es] azy:
[…] quedará “rodeado por una avenida con un muro y/o reja perimetral que, por una parte, permitirán la contemplación del santuario, y por la otra, su protección, imposibilitando su acceso libre desde dicha avenida”. […] ha sido minuciosamente estudiado por los profesionales contratados por la empresa, de tal forma que el santuario se transforme en un valor para la comuna y la Región”.
[…]”hisy lalam-be voafefy amin'ny rindrina sy/na fefy vy ny tanàna. Amin'izay, tsy vitan'ny hoe afaka hianoka ny hatsaran'ny toerana fotsiny ireo olona hipetraka ao fa ho voaaro tanteraka koa izy ireo (tsy afaka hiditra ao ny avy aty ivelany)”. Efa nandinika tanteraka ny toerana hanaovana fanorenana ny manam-pahaizana nantsoina, ary afaka hanova ireto tranobe ireto ho tombony ho an'ny faritra.
Ny fikambanana tsy miankina Red Duna Libre [Free Dune Network], namoaka ity sarimihetsika ity Andeha havotana ny torapasiky Concon [es] miaraka amin'ny tanjona hampihenana araka izay tratra ny fitomboan'ny tanàn-dehibe manazava ny maha-zava-dehibe ny tontolo iainana, sy ny anjara asany manoloana ny fanorenana trano izay loza mitatao isan'andro ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, tahaka ny nahazao ny toerana masina [es] izay 55 hektara taloha nanjary 19.5 sisa.
Fanampiny, Red Duna Libre (@dunalibre) [es] nahangona sonia 50.000 hanoherana ity fikasana hanangana trano ity ao amin'ity rohy ity. Araho ny tenifototra #noalcierredunar na #dunaslibres [#freedunes] raha haneho hevitra.