· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Jona, 2018

Taridàlana Asongadina: Fitaovana ho an'ny Fisoloana vava Ara-piarahamonina

Rising Voices  19 Jona 2018

Ho famaranana vao haingana ny Google Internet tao amin'ny fivorian'ny Liberty 2012, namoaka fitaovana ahitàna taridàlana 11 momba ny fisoloana vava eo amin'ny lafiny fiarahamonina sy pôlitika ny Socialbrite.org. Kendrena ho teboka fanombohana tsara ho an'ireo mpikatroka mafana fo, ireo mpiasa ho an'ny fanovàna sy ireo mpitolona ho an'ny fanavaozana ara-pôlitika ireo taridàlana ireo, ary hanampy azy ireo hianatra paikady ho anà hetsipanentanana mahomby.

Sakafo: Loharanon-kery ao Nablus

Rising Voices  19 Jona 2018

Liana amin'ny Sakafo Levantina sy Palestiniana? Mikarakara fampianarana sakafo ao aminà ivontoeram-behivavy ao an-toerana ny Bait al Karama, miasa ho toy ny orinasa misahana ny fiarahamonina ary mikendry ny hampiroborobo ny lova ara-tsakafo sy ara-kanton'i Palestina.

Okraina: Tantara Iray Mampalahelo Avy Amin'ny Fiainan'ireo Marary Manaraka Fitsaboana Fampienàna Fanaintainana

Rising Voices  15 Jona 2018

Vao haingana, blaogera Okraniana roa no nifantoka tamin'ireo olan'ny fampihenana vokadratsy. Ireo mpampiasa ny Livejournal, depo3p sy zpt_users, dia namerina nandefa tantara iray mikasika marary momba ny opiate replacement therapy (ORT) (fitsaboana fanolo ho an'ny rongony mahery) avy ao an-tanànan'i Shostka. Hita ho tena niaritra ny aretina ilay marary, ary na eo aza ny zavamisy hoe ny fitondrantenany no tena antony lehibe nahatonga an'io olana io, nanao izay azony natao ireo marary hafa hanampiana azy.