Okraina: Tantara Iray Mampalahelo Avy Amin'ny Fiainan'ireo Marary Manaraka Fitsaboana Fampienàna Fanaintainana

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Febroary 2012)

Vao haingana, blaogera Okraniana roa no nifantoka tamin'ireo olan‘ny fampihenana vokadratsy. Ireo mpampiasa ny Livejournal, depo3p sy zpt_users, dia namerina nandefa tantara iray mikasika marary momba ny opiate replacement therapy (ORT) (fitsaboana fanolo ho an'ny rongony mahery) avy ao an-tanànan'i Shostka. Hita ho tena niaritra ny aretina ilay marary, ary na eo aza ny zavamisy hoe ny fitondrantenany no tena antony lehibe nahatonga an'io olana io, nanao izay azony natao ireo marary hafa hanampiana azy.

Ny blaogera vovan9619 no namoaka voalohany ny tantara. Toy izao no nalefany:

День добрый Всем !!!  Хотелось бы поделиться некоторыми новостями,касаемо Сайта ЗПТ и его Участников..  Есть у нас (в Шостке) такой вот Лёша..На программе он вместе с Женой. Имеют маленькую …. Около года принимал препарат Он , чуть меньше-его жена.. Около двух недель назад,пропустив один день выдачи(по своим причинам..) он пришёл на сайт,через час после его закрытия.  Будучи пьяным,он не понимал-почему ему не выдают препарат.  Старшая медсестра-отказала в выдаче,..  Тогда он не отдавая себе отчёт в поступке-схватил её за горло и стал душить..,  На следующий день,его исключили из программы, мало того-ст.медсестра,написала заявление на него,обвинив в побоях(..??)

Mirary andro finaritra ho an'ny rehetra. Te-hizara fotsiny ny vaovao mikasika ny toeranm-pandraisanay ORT sy ireo marary aho. Misy zazalahy atao hoe Lesha eto an-tanànanay, miara-manatrika ny fandaharana izy sy ny vadiny. Manan-janaka vavikely izy ireo … Maka fanafody izy efa ho herintaona izao, ary ny vadiny vao fotoana vitsy monja. Roa herinandro lasa izao, tsy nahatratra ireo ora fisokafan'ny toeram-pandraisana izy (noho ireo antony azy manokana ) ary niverina tao amin'ny an-toerana indray ora iray taorian'ny nikatonany. Mamo izy ka tsy azony an-tsaina hoe nahoana izy no tsy mahazo mihinana fanafody. Nandà tsy nety nanome azy an'io ny lehiben'ny mpitsabo mpanampy. Nony avy eo nokendainy itsy farany, tsy fantany intsony izay nataony… ny andro manaraka voaroaka tao anaty fandaharanasa izy ary nanao tatitra ilay mpitsabo mpanampy niampanga azy ho namono azy.

Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nanomboka niahiahy momba ny amin'i Lesha sy ny vadiny ireo hafa marary ao amin'ny ORT ary nanapa-kevitra ny hitsidika azy. Hitan'izy ireo i Lesha tena efa marary mafy, mamo sy ao anatina soritr'aretina tena henjana. Nanapa-kevitra ny hanampy azy izy ireo. Nanoratra i Vovan9619 fa:

В-общем провели с ним беседу,где он клятвенно пообещал-прекратить Пить и извиниться перед медсестрой.  После чего было написано ходатайство глав.врачу, с просьбой восстановить его на Программе ЗПТ.. Глав.врач-подписал ходатайство,и спустя несколько дней,-Лёшу восстановили.  ….  В кругу Тех Людей,кто за него поручился-Лёша клятвенно пообещал не приходить на сайт-в нетрезвом состоянии,зная о том,-что может за ЭТО,получить “по ушам”-от Своих же,которых он может подвести…    А мораль сей Истории такова;- ЗПТ и Алкоголь(даже – пиво !!!..)- НЕСОВМЕСТИМО !!!!

Dia niresaka taminy izahay ary nianiana izy fa hijanona tsy hisotro intsony ary hiala tsiny amin'ilay mpitsabo mpanampy. Koa satria izahay nanaiky nametraka ilay fangatahany tany amin'ilay dokotera lehibe, niangavy azy mba hanavao indray ho ao anaty fandaharanasa ORT – dia nanaiky ilay dokotera ny hanao an'io ka andro vitsivitsy dia tafaverina tao anaty fandaharanasa i Lesha. …Nampanantena i Lesha fa tsy ho avy intsony anaty hamamoana indray ho any amin'ireo olona izay nitovy taminy. Ary fantany fa mety ho sazin'ireo olona ireo izy ary tsy ho afaka handavo an'ireo olona ireo. Ary ny anatra amin'ity tantara ity dia – tsy afa-miaraka ny ORT sy ny alikaola (na ny labiera aza) !!!

Andro vitsivitsy taty aoriana nandefa ny ampahany faharoa tamn'io tantara io ireo blaogera ary tsy tantara tsara fiafaràna izany. Nandefa ny Vovan9619 fa:

Участник ЗПТ “ЛЁША ВАЩЕНКОВ”, благодаря тому что его все участники ЗПТ взяли на поруки и человеческому отношению главврача Орищак Н.С. Был возвращён на программу ЗПТ. Но … его здоровье было на столько подорвано, что он первый день еле пришел, второй день его привела мать. Лёша реально бредил , по всему видно, что очень БОЛЬШИЕ проблемы со здоровьем. Это не могли не заметить “наши” врачи из сайта и поэтому в срочном порядке он был направлен ….на второй этаж (стационар наркологии). Его осмотрел врач-нарколог … и .. определил, что ему нужно срочное обследование ХИРУРГА! Через 10 мин он уже был у хирурга, (рядом 50 метров поликлиника №1) Хирург в СРОЧНОМ порядке направил Ващенкова Лёшу в приёмное отделение ЦРБ г. Шостка.
НО, КАК ТОЛЬКО УЗНАЛИ ,ЧТО ОН НАРКОМАН, ЕМУ ОТКАЗАЛИСЬ ДЕЛАТЬ ОПЕРАЦИЮ, О НЕОБХОДИМОСТИ КОТОРОЙ, САМИ ЖЕ И ГОВОРИЛИ!
Лёше становилось все хуже , да и мать начала плакать и умолять врачей о помощи… НО, на , что они решились под этим натиском-направить его почемуто в ТЕРАПЕВТИЧЕСКОЕ отделение. Где он в … УМЕР В ТЕЧЕНИИ ДВУХЧАСОВ!

Noho ireo ezaka nataon'ireo marary hafa sy ny toetra maha-olona nasehon'ny lehiben'ny mpitsabo, N. S. Orishchak, nohavaozina ho ao anaty fandaharanasa ORT indray ilay mararin'ny ORT ‘Lesha Vashchenkov’. Saingy niha-nmarefo ny fahasalamany ka ny andro voalohany, zara raha afaka namindra izy ary ny andro faharoa, nentin-dreniny tany amin'ny toeram-pitsaboana izy. Nirediredy izy ary azo lazaina fa tao anatin'ny aretina mafy. Tsikaritr'ireo mpitsabo tao amin'ny toeram-pitsaboanay izany ka nalefany tany amin'ny… rihana faharoa izy (hopitaly misahana ny mpidoroka). Nozahan'ny mpitsabo tao izy ary… nolazainy fa mila fandidiana maika. 10 minitra monja izy dia efa tao anaty efitrano fandidiana  (ny policlinic #1) izay eo amin'ny 50 metatra miala ny birao. Nalefan'ny mpandidy maika be tany amin'ny Hopitaly Foiben'ny Faritra ao Shostka i Lesha.

Saingy rehefa fantatr'ireo mpitsabo tao amin'ny hopitaly fa mpidoroka izy, nolavin-dry zareo ny hanao ilay fandidiana izay nohitrikitrihany teo aloha izy ireo!

Miha-marary hatrany i Lesha ary nanomboka nitomany ny reniny ary niangavy an'ireo dokotera mba hanampy azy, saingy noho ireo antony maromaro dia nanapa-kevitra izy ireo ny handefa azy any amin'ny departemanta fitsaboana izay toerana nahafatesany afaka ora roa.

Azon'ireo marary antoka fa ny tena antony lehibe nahatonga ny fahafatesan'ireo mitovy aminy dia ny fitsaràna ivelany ataon'ireo mpiasan'ny toeram-pitsaboana amin'ireo olona miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina. Namorona vondrona iray fandraisana fanapahan-kevitra izy ireo mba hisintonana ny sain'ny fiarahamonina hijery ny olan'izy ireo ary, araka izay nosoratan'izy ireo “mba hanakanana ilay mpitondra fahafatesana”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.