Sary-sy-soratra, fisaonana sy fanoharana tamin'ny faharendrehan'ny sambo restaurant mitsikafona manan-daza an'i Hong Kong

Restaurant mitsikafona tamin'ny 14 Jona 2022. Sary avy amin'i Tom Grundy/HKFP nahazoana alalana.

Nosoratan'i Tom Grundy ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 22 Jona 2022 ny lahatsoratra niandohana. Navoaka tao amin'ny Global Voices ity dika nasiam-panovana manaraka ity araka ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny HKFP.

Nizara meme (sary-sy-soratra) sy sarin-teny ny HongKongers, tahaka izany koa ireo hevitra mampisy eritreri-dratsy manoloana ny fahapotehan'ny Jumbo Floating Restaurant malaza ao Hong Kong, toeram-pisakafoana ambony sambo iray izay nitari-dalana ny mpisakafo hihodidina ny tanàna.

Araka ny fanambarana an-gazety navoaka tamin'ny 20 jona 2022 nataon'ny tompon'ny trano fisakafoana Jumbo Restaurant, ny Aberdeen Restaurant Enterprises, hoe vokatry ny andro ratsy, dia “dibo-drano tanteraka” tao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo ilay sambo, rehefa nandalo ireo Nosy Paracel izay ifandirana – izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Nosy Xisha. Tsy nisy naratra ny mpiasa.

Voatery nandao an'i Hong Kong ilay sambo satria tsy zakan'ny fiharian'ny orinasa ara-pisakafoana ny fameperana ataon'ny tanàna noho ny areti-mifindra. Nanomboka nilentika ilay sambo rehefa notarihina ho any Kambodza.

Nangataka tatitra momba ny zava-nitranga tamin'ilay toeram-pisakafoana an-dranomasina malaza ny Departemantan'ny Ranomasina tamin'ny 21 jona teo ka nanazava ny tompony tamin'ny 24 jona fa mbola mitsinkafona ilay sambo, na dia rendrika aza.

Anisan'ireo mpanakanto roa nipoitra haminany ny ho fiafaran'i Jumbo i Photoshop master SurrealHK. Nizara sarin'i Jumbo niditra tao amin'ny fasany anaty rano izy tamin'ny 14 Jona.

Lasa e…

Efa tamin'ny voalohany jona ilay nanao sesitany ara-politika ny tenany, ny mpanao sariitatra Ah To (阿塗) no namoaka ny sarin'ny restaurant any ambanin'ny onja.

Diarin'i 阿塗 anio; Rendrika.
Marina izany ankehitriny. Rendrika omaly 20 jona ilay restaurant fihinanana hazandranomasina mitsikafona Jumbo Seafood

Tamin'ny 21 jona, nanavao sarin'ilay sambo mitsikafona ratsy-anjara eny amin'ny fiainana ankoatra an-danitra i  SurrealHK.

Jumbo… Mandria am-piadanana…

Namoaka ny sarin'ny Jumbo miantsona eo amin'ny tobim-pamaharana miaramila shinoa ifandirana ny mpanatontosa vaovao James Ockenden (@Transit_Jam).

Vaovao tsy misy ifandraisany, sarin-janabolana mampiseho ny restaurant fihinanana hazandranomasina misokatra ao amin'ny tobim-pamaharana ara-miaramila ao amin'ny Nosy Xisha.

Misy ny nanolo-kevitra fa fanoharana amin'ny hoavin'i Hong Kong, raha mizara hevitra mampisy eritreri-dratsy kosa ny hafa fa fikasan-dratsy hanonerana volam-piantohana avo dia avo izao.

Olon-droa mpandravaka monina ao Hong Kong, “All Things Bright and Beautiful”, mizara sarin'ny sambo rendrika ahitana tsonga: “[Azoko] atao sary an-tsaina ny hafalian'ny trondro.”

Mitaky tatitra ny departemantan'ny ranomasina

Nangataka tatitra avy amin'ny Aberdeen Restaurant Enterprises momba ny zava-nitranga ny Departemantan'ny Ranomasina  ary nilaza tamin'ny mpanao gazety fananakarama manampahaizana manokana ny tompon'ny Jumbo mba hahazoana antoka fa mahazaka ranomasina ny sambo, na dia tsy nahavita nampandre ny manampahefana momba ny loza aza izy ireo talohan'ny nampahafantarana ny vaovao momba izany.

“Na dia teo aza ny ezaka nataon’ny orinasa mpitari-tsambo [misintona ny sambo] tompon’andraikitra tamin’ny dia hanavotana ilay sambo, dia indrisy fa nivadika izy ny alahady”, hoy ny tompon’ny trano fisakafoana tamin’ny alatsinainy alina tao anatin’ny fanambarana iray.

Nanampy ny orinasa fa, satria mihoatra ny 1000 metatra ny halalin'ny rano, dia ho sarotra dia sarotra tokoa ny fanatanterahana ny asam-panavotana.

Nizaka fatiantoka misesisesy mihoatra ny 100 tapitrisa HK (12,7 tapitrisa dôlara US) ny tompon'ny trano fisakafoana hatramin'ny taona 2013 raha toa ka tsy nahomby ny drafitra isan-karazany hamelomana azy indray tao Hong Kong.

Rehefa nohatonin'ny HKFP ny Sampan-draharahan'ny Mpamantatra ny Toetrandro (Observatory) ao Hong Kong dia nanamafy fa ratsy ny toetr'andro tany amin'ny faritra nilentehan'ny Jumbo tamin'ny faran'ny herinandro.

“Araka ny vinavina-toetrandro an-dranomasina nataonay any amin'ny ranomasina akaikin'ny Nosy Paracel tamin'ny 18 sy 19 Jona, dia nisy rivotra antonony tsy tsio-drivotra avy any atsimo, ary mahery indraindray.Nitsitapitapy ny rotsak'orana sy ny oram-baratra. Mahatratra 3 [metatra] ny haavon'ny onjan-dranomasina”, hoy ny nolazainy tamin'ny talata.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.