Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Aogositra, 2014
Tanora 100 No Mifaninana Hisalotra Ny Mpianatra Mahay Teny Alemana Indrindra Manerantany
Niainga hatrany Afghanistan, New Zealand, Kamerona, Shina, Romania, Iran ary firenena hafa maro ny mpifaninana mba hitsapa ny fahaizan'izy ireo ny teny alemana mandritra ny roa herinandro ao amin'ny Olaimpiadin'ny Teny Alemana Goethe-Institut
‘Iza No Hiaro Ny Mpiaro’ Fanontanian'ny Maro io Raha Mbola Mikaroka Mpamono Olona Ny Miaramila Tao Trinidad & Tobago
Nampangaina ho tsy nanaja lalàna ny tafik'i Trinidad sy Tobago tamin'ny fitadiavana ilay namono miaramila. Tsy voalohany ny manampahefana ao no mitandro ny filaminana amin'ny fomba rehetra.
Naniry Ny Hijery Ny Karnivalin'i Sainte Lucie Tamin'ny Fahitalavitra, Tamin'ity Taona ity ? Tsy Nanam-bitana Ianao !
"Tena mihemotra ! Mba nieritreritra ireo teratanin’i Sainte Lucie any am-pielezana, ireo avy amin’ny firenen-kafa, sy ireo vahiny ve ny mpikarakara, izy ireo izay mety ho liana amin’ ny fandraisana anjara amin’ny Karnivalin’i Sainte Lucie...?"
52 Taona Aty Aoriana, Ahoana Ny Fijerin'ny Jamaikana ny Fetin'ny Fahaleovantenany?
Mbola mitoetra ho zana-tohatra voalohany mila andalovana ny fanabeazana ny vahoaka izay ara-tantara dia tsy nanan-jo hiteny mihitsy hatramin'izay, indrindra ao anatin'izao toe-draharaha efa manakenda sahady amin'izao fotoana izao.
Vehivavy Jamaikana Niaka-peo Tao Amin'ny Aterineto Hanoherana Ny Fanohintohinana Eny An-dalambe Mihatra Amin'izy Ireo
Mba tsy ho voafandrika ao anatin'ny fieritreretana fa valisoa ny fitodihana ara-nofo tsy niriana, dia mila miady amin'izany ny vehivavy. Tsy afaka ny hiaritra fotsiny isika.
Afa-Manova Ny Fanaon'ny Afrikana Mpanao Didijadona Ve Ny Filoha Obama? Toa Tsia an, Hoy Ny Tchadiana Blaogera Iray
"Fa toy izao manaraka izao ny fanontaniana iankinan'ny hafa rehetra : inona avy ny fepetra azon'ny filohan'i Etazonia raisina ahafahana manova zavatra?"
Miantraika Amin'ireo Mpiasa sy Mpivezivezy Ny “Adin'Haban-dalana” Eo Amin'i Singapore Sy i Malayzia
Niakatra 400 isanjato tampoka ny saran'ny fiampitàna ao amin'ny Fefilohan'i Singapore-Johor taorian'ny fampakaran'i Malayzia sy Singapore ny haban-dalana.
Tsy Ara-dalàna Intsony Ity Dokam-barotry Ny Hena Ao Rosia Ity
Noraràn'ny Rosiana ilay dokambarotra momba ny vokatra hena Ostankino satria voalaza fa manitsakitsaka ny lalànan'ny dokambarotra.
Soavaly “Trojan” Rosiana Mankany Okraina
Ny misiterin'ireto filaharan'ny fiarabe zavontany mizotra mankany amin'ny sisintany Okrainiana ireto no mampitarika ny sain'ny maro ao amin'ny RuNet haminavina izao ao anatin'ireo fiarabe ireo—na izay ahiahian'ny miaramila Okrainiana ho ao anatin'izy ireo.
Noraran'ny Fitondra-Miaramila ao Thailandy ny ‘Tropico’, Lalao amin'ny Solosaina Miresaka Didijadona Miaramila
Avelan'ilay lalao ho lasa mpanao didijadona antsoina hoe 'El Presidente' ny mpilalao ary manao fanonganam-panjakana ao amin'ny nosi-paradisa tropikaly iray.